Toko faha 5

1 Noho izany aoky mba hagnalataky an'Andriamanitry, mitovy ame zanaky makasitraky. 2 Sady mandeana am-pitiava, araky gne nitiavan'i Kristy antsika avakoa sy nagnomezany gne tegnany ho antsika, fagnatitry magnitry sy sorogny ho an'Andriamanitry. 3 Fa tsy tokony hisy na da resaky fijangajanga na karaza fahalotoa na tsy mety hafa-po ame ana aza eo aminareo, fa tsy mendriky gne olo-masin'Andriamanitry io. 4 Aoky tsy hisy mamoafady, resaky hamola, magneniky tafahotry_ fa tsy mendriky gne rehetra amin'io. Fa kosa tokony hisy fankasitraha. 5 Fa afaky mahazo antoky gne amin'izao anareo, fa tsy hisy mpijangajanga, maloto, na gne mpiery_izany hoe, mpanompo sampy_mana lova ao ame gne fanjakan'i Kristy sy Andriamanitry. 6 Aoky tsy hisy hamitaky anareo ame gne zaka fahatany, satria noho io raha io da avy ame gne zanaky gne tsy fankatoava gne havigniran'Andriamanitry. 7 Noho izany, ka mikamba amin'io. 8 Mizy anareo taloha, fa izao anareo da fahazava ao amin'ny Tompo. Mandeana mitovy ame gne zanaky mazava, 9 (fa gne vokatry gne fahazava da ao ame gne fahatsara rehetra, fahitsia, sy fahamarina). 10 Sady tadiavo izay mahafinaritry an'i Tompo. 11 Ka mikamba amin'io asa tsy mamokatry gne mizy io, fa aleo miala an'io. 12 Fa mahamegnatry na da gne mizaka io raha atao ndreo io ame mifinifiny. 13 Fa rehefa hazava gne fahazava gne raha raiky, da lasa mibariba. 14 Fa gne raha rehetra izay mibariba da fahazava. Noho izany da voalaza hoe:''Mifoahaza, anao matory, sady mitsangana ame gne toeran'gne maty, da hamiratry aminao Kristy.'' 15 Mitandrema ame gne fomba fiainanao_tsy hitovy ame gne tsy manakagna fa hitovy ame gne manakagna. 16 Araraoty gne fotoa satria izao andro izao da ratsy. 17 Noho izany, ka misarimola, fa takaro hoe ino gne sitrapon'ny Tompo. 18 Sady ka magnano mamo gne divay, fa minday hagny ame gne fahasimban-toetra izany. Fa kosa, aoky ntsika ho feno gne Fanahy Masina, 19 mifampiresa anareo samy anareo ame gne salamo sy fihira ary hiram-panahy, mihira sady mikaloa amin'ny Tompo ame gne fonareo rehetra. 20 Misaora mandrakizay ame gne raha aby am'gn'agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika izay an'Andriamanitry Iabatsika, 21 mifagnomeza aigny am-pagnaja ho an'i Kristy. 22 Anareo viavy, magneky gne vadinareo, mitovy ame nagnekenareo ao amin'ny Tompo. 23 Fa gne lehilaha gne lohan'gne vavy mitovy an'i Kristy avakoa lohan'gne fiangona, sady Kristy tegnany gne mpamonjy. 24 Fa mitovy gne hagneken'gne fiangona an'i kristy, da ako iza koa gne tokony hagneken'gne viavy gne vadiny ame gne raha rehetra. 25 Anareo lehilaha, tiavo gne vadinareo, mitovy gne nitiavan'i Kristy gne fiangona sady nagnomezany gn'ainy. 26 Nanolotry gne tegnany ho an'gne fiangona Kristy mba afahany magnamasina enazy, tamé gne fagnadiova enazy tame gne rano fanasa ame gne zaka, 27 mba afahany mampiseo enazy fa be voninahitry io ame nazy, tsy misy penty na kentroky na raha ako izany, fa masina sady tsy misy diso. 28 Mitovy amin'izany avakoa gne lehilaha da tokony ho tia gne vadiny indreo mba mitovy ame gne fitiava gne tegnany. Ka izay tia gne vadiny da tia gne tegnany avakoa. 29 Tsy mbola nisy nalahy gne tegnany, fa mamaha sady mikarakara tsara, mitovy an'i kristy mamaha gne fiangona sady mikarakara enazy avakoa, 30 satria antsika da ratsam-batany. 31 Noho izany antony izany gne lehilaha da hiala an'i aba am'i endry ka hikamba ame gne vadiny, sady indreo roy da ho lasa aigny raiky avao. 32 Zakabe izany fahamarina mifiny izany_ fa i aho da mizaka momban'i Kristy sy gne fiangona. 33 Kanefa, gne kiraikiray aminareo avakoa da tokony ho tia gne vadiny mitovy ame gne tegnany, sady gne viavy da tokony hagnaja gne vadiny.