Toko faha 3

1 Noho izany, iaho i Paoly da gadra tao am'i Jesosy Kristy ho anareo Jentilisa. 2 Aniko fa rénareo gne mikasiky gne findesa gne fahasoavan'Andriamanitry izay nomé ana sy anareo. 3 Manoratry araky gne fagnambara nampafatary ana iaho. Izany da mariny mifiny mikasiky zay nosoratako foifohy taminareo. 4 Raha mamaky an'iza anareo , da ho afaky gne hahazo gne fomba fazahoako gne mariny mifiny momba an'i Kristy. 5 Tam'gne taranaky hafa da tsy nanÿ ho fatatry gne zanak'olombelo iza mariny izany. Fa am'izao koa izany da nambara tam'gn'alalan'gne Fagna tam'gn'Apostôly sy tam'gne mpamina izay vôtoka am'ity asa itiky . 6 Izany mariny mifiny izany da mizaka fa gne Jentilisa da miaraky mandova sady miaraky hai gny sady mizara gne fampagnategna am'i Jesos yKristy am'gn'alalan'gne filazantsara indreo. 7 Ka lasa mpanompon'iza filazantsara iza iaho tamé fahasoavan'Andriamanitry izay nome ana tam'gn'alalan'gne fiasan'gne tazakiny. 8 Nomen'Andriamanitry ana izany fagnomeza iza, ndre da iaho aza gne farany kidy infddrindra tam'gn'olo masin'ANdriamanitry. Iza fagnomeza iza da mba toriko am'gne Jentilisa gne filazatsaran'ge haren'i Kristy zay sarotry tadiavy. 9 Gne fagnomeza-pasoavan'Andriamanitry da ho ana sady hindesako fagnazava am'gn'olo aby gne lahatry gn'ANdriamanitry. Iza lahatry iza da nafin'Andriamanitry, izay nambotry gne raha rehetra nandritry gne tao maro taloa. 10 Nampafantary tame fiangona iza fandahara izany mba hatonga gne mana-pahaefa agny an-dagnitry hafatatry gne toetry maron'e fahendren'Andriamanitry. 11 Niseho araky gne fandahara mandrakizay izay taterakiny tam'i Jesosy Kristy Tompotsika izany. 12 Fa am'i Kristy gn'anagnatsika gne fahasahia sy gne lala matoky avy am'gne finoatsika Anazy. 13 Avy am'izany da miangavy anareo iaho mba tsy ho kivy avy ame fijaliako taminareo fa anivo akô voninahiotrareo izany. 14 Noho iza da mandoaliky agnatrehan'Izy Ray iaho, 15 izay nagnome agnara gne fianakavia aby agny an-dagnitry sy gn'ety an-tany. 16 Mivavaky iaho mba hagnomezany anareo araky gn'haren'e voninahitriny, mba hampatanjkaky am'gn'alalan'gne Fagna Masy izay aminareo. 17 Mivavaky iaho mba hpetraky agnaty fonareo gne finoa an'i Kristy, mba hifototry sy hiory me fitiavany anareo. 18 Lonoky anareo mba hahazo hery afaha-matakatry miaraky ame mpino aby,gne sakany izy ame sakany , gne hahabony ary gn'alakliny, 19 sady mba hafatatry gne fitiavan'i Kristy, izay mihotry gne fahalala rehetra, am'izay mba feno gne fafenoan'Andriamanitry rehetra anareo. 20 Sady ho Anazy zay mavita magnano mihotry lavitry gne raha angatatsika aby na gne raha eritreretitsika, araky gne hery izay miasa agnatitsika, 21 ho Anazy gne voninahitry ame fiangona ary am'i Jesosy Kristy hatrame taranaky rehetra mandrakizay doria. Amena.