Toko faha 2

1 Raha gne momba anareo, da maty tagnaty ne fadisoa sy gne fahota anareo. 2 Tamé gne hadisoa gne niaignanareo taloa araky gne raha anin'izao tontolo izao. Niaigny araky gne mana-pahefà egny amé rivotry anareo, gne fagna izay miasa amé zanaky gne tsy fagneke. 3 Niaigny tam'gn'olo avakoa atsika taloa, sady nagnatateraky gne sitra-po ratsy ne gn'aitsika sady nagnano gne gne fagnirian'e gn'aitsika sy gne sai-patatsika. Efa nanÿ ho zanaky gne havignira akô gne zanak'olombelo sisa atsika. 4 Kaiky mana-karé ne fafiregna olo gn'Andriamanitry avy am'gne fitiavany zakabe izay nitiava gn'atsika. 5 Tamitsika mbola maty tagnatin'e fadisova da novelominy niaraky tam'i Kristy- tamé fahasoava gne nagnavotany anareo. 6 Niara-natsangan'Andriiamnitry atsika sady niara-napetrany tan-dagnitry tam'i Jesosy Kristy, 7 am'izay mba afaky hagnaboany gne fasoavany izay tsy hay refesy amé hatsara-pagnany amitsika ao am'ii Jesosy Kristy ame fotoa hoavy. 8 Fa taméb fahasoava gne namoje anareo tam'gn'alalan'e finoa, sady tsy avy aminareo izany fa fagnomezan'Andriamanitry. 9 Tsy avy am'gn'asa gne fahasoava mba tsisy hirehareha. 10 Fa gn'asan'Andriamanitry da atsika namboariny tao am'i Kristy Jesosy atsika mba hagnano asa izay mifagnaraky amé fandaharany izay efa ela ho atsika, mba andehanatsika am'izany. 11 Noho iza da tadidio fa Jentilisa tamé gn'aigny anareo talo. Anareo da azo angia hoe ''tsy vôfora'' fa gn'am'gn'anÿ hoe ''vôfora'' amé gn'aigny nanin'e tagnan'olombelo. 12 Satria mbola tsy niaraky tam'i Kristy anareo tam'izay fotoa izay. Vahiny anareo tamé vahokin'Israely. Sady vahiny avakoa tamé fagneke izay nampagnategnay anareo. Tsy mbola nana fagnategna am'gne hoavy anareo. Tsy niaraky tamin'Andrdiamanitry anareo teto am'izao tontolo izao. 13 Fa am'izao da ao am'i Jesosy Kristy anareo izay lavitry an'Andriamanitry talola da nampagnakekezy tam'gne ràn'i Kristy. 14 Satria Izy gne nahavy gne roy ho raiky. Tamé gn'ainy gne nandrodagna gne rindrin'e fanohera izay nampizarazara atsika. 15 Izany hoe, nofoagna gne lalàn'e didy sy gne fitsipiky mba hagnanova olo vaovao raiky Aminazy, sy hamboara fampihavana. 16 I Kristy da fampihavana gne vahôky roy samihafa ho aigny raiky amin'Andriamanitry am'gn'alalany gne hazo fijalia, ka mamono gne fanohera. 17 Fa avy i Jesosy sady nitory fihavana ho anareo izay lavitry sady gne fihavagna ho andreo zay akaiky. 18 Fa am'gn'alalan'i Jesosy gne hanagnatsika aby fifandraisa ame Fagna raiky izay mandea ame Ray 19 Noho iza da tsy vahiny na mpivahiny esana anareo Jentilisa zao. Fa vo maiky azaky raiky firene miaraky am'gne olo masin'Andriamanitry anareo sady agnisan'e gne fianakavian'Andriamanitry. 20 Efa namboary tame fotptry fagnoren'dreo apostoly sy gne mpamina anareo, sady i Kristy Jesosy mitsy gne vato fehizoro. 21 Aminazy gne hikambanan'gne hitomboan'e fagnamboara rehetra da mitovy am'gne eglizin'i Tompo. 22 Aminazy avakoa gne hanangana anareo miaraky ame fipetra hoan'Andriamanitry ame Fagna.