Toko faha 7

1 Gne mpisoronabe nizàka hoe: ''Marina izá rehetra izà?'' 2 Stefana nizàka hoe: ''Ry rahalahy sy ry ray, tenomy iao: ''Gne Andriamanitrin'gne voninahitry nibôky tamè raintsika Abrahama tamin'izy tany Mesopotamia, talohan'gne nipetrahany tao Harana; 3 nizáka taminy Izy hoe: ''Mishità eo amè taninao anao sy ireo havanao, ary mandehana agny amin'ilay tany izay asehoko anao.'' 4 Avy teo niala an'ilay tanin'gne Kaldeana izy ary nidoboky tany Harana; nanomboky teo, tafaran'gne nahafatesan'iabany, nindeshin'Andriamanitry tagny amin'io tagny io izy, izay hidoboanao izao. 5 Tsy nomeny ho lova teo izy, aeky, tsy ampy hagnadoboa tomboky aby. Fa nagnome toky izy_ na da mbola tsy nanagn'anaky aza i Abrahama fa_izy da hanome gne tany anazy ho fanagnany sy ho andreo taranany agny hafara. 6 Andriamanitry da nizàka taminy mitovy amin'izao, fa indreo taranany da hidoboky maharitry agny amè tanin'gne firenen-kafa, ary indreo mponina ao da hinday andreo amè fagnandevoza sy fampahoria manditry gne efa-jato taogny. 7 'Nefa ho tsaraiko gne firenegny izay tampoindreo,' hoy Andriamanitry, 'ary hafaran'izà da hagnato sy hidera Anah da amin'io toeragny io indreo. 8 Avy teo nomen'Andriamanitry an'i Abrahama gne fagneke amè famorà, ka i Abrahama da lasa rain'Isaka ary namora anazy tamè andro fahavalo; Isaka da lasa rain'i Jakoba, ary Jakoba lasa rain'i patriarka roy ambin'ny folo. 9 Satria indreo patriarka da nialogny an'i Josefa, ka namidindreo tany Egypta izy; fa Andriamanitry da nindray taminy 10 ary namonjy anazy tamin'ireo olagny rehetra. I Josefa da nomeny fankasitraha sy fahendrè teo anatrehan'i Farao, mpanjakan'i Egypta, izay nametraky anazy ho governora manapaky an'i Egypta sy ambonin'ireo fanagnany rehetra. 11 Ary da avy gne mosary nandrakotry an'Egypta sy Kanana, sy fijalia zakabe, ary indreo razantsika da tsy nahita sakafo. 12 Fa rehefa naharè i Jakoba fa nisy vary tao Egypta, nandefa ireo razantsika tamè diandreo voalohany izy. 13 Tamè diandreo faharoy i Josefa da nampahafantatry gne tegnany tamindreo rahalahiny, ary gne fianakavian'i Josefa da lasa fantatr'i Farao. 14 Josefa da nagniraky ireo rahalahiny hizàka an'i Jakoba iabany mba hoavy agny Egypta, miaraky amin'ireo havany rehetra, teo amè dimy ambin'ny fitopolo olo raha atambatry. 15 Noho izà i Jakoba da nidigny tao Egypta, ary maty izy, izy sy indreo razantsika. 16 Nolanjaigny ho any Sekema indreo ary naleviny tao amin'ilay kobory izay novidian'i Abrahama tamè volafotsy tamindreo zanak'i Hamora tany Sekema. 17 Rehefa nagnakaiky gne fotoan'ilay fampagnantegnà, ilay fampagnantegnà izay nanin'Andriamanitry tamin'i Abrahama, da nihamaro sy nitombo gne olo tao Egypta, 18 mandra-pitsangan'gne mpanjaka hafa tao Egypta, mpanjaka izay tsy nahalala gne momban'i Josefa. 19 Io mpanjaka io avao gne namitaky gne vahoakantsika sy nampahory indreo razantsika, indreo da nandetry gne razantsika handao ireo zanany ambava loza mba tsy ho velogny. 20 Tamin'izà fotoa izà i Mosesy gne teraky; izy da tsara teo anatrehan'Andriamanitry ary notezay telo volagny tao an-dragnon'Iabany. 21 Rehefa najoso tegny ivelany izy, da gne zanaka viavin'i Farao gne nananga sy niteza anazy mitovy amè zanany lahy. 22 I Mosesy da nampianary ireo fahendre rehetra nanagnan'gne Egyptiana, ary izy da nahery tamè zakany sy gne asany. 23 Ka rehefa ho efapolo taogny izy, tonga tao am-pony gne hitsidiky ireo rahalahiny, zanak'Israely. 24 Nahita israelita raiky izay nampahoria ka niaro anazy i Mosesy sady namaly an'ilay izay nampahory anazy tamè famonoa ilay Egyptianina: 25 Nihevitry izy fa ho azondreo rahalahiny fa tamè alalan'gne tagnan'Andriamanitry gne nanavotry andreo, nefa da tsy azondreo izà. 26 Gne andro manaraky da tonga tao amin'ireo Israelita sasany izy raha indreo nifanditra; nanandrany gne nampishigny gne tsirairay avy izy, nizàka hoe: "Ry lehilahy, anareo da mpirahalahy, magnino anareo gne mifandratra?" 27 Fa gne raiky izay nagnano tsy nety tamè namany nanosiky anazy, ay nizàka hoe: "Ia gne nanendry anao ho mpanapaky sy hitsara anay? 28 Tianao gne hamono anah, mitovy gne namonoanao ireo Egyptiana omaly?" 29 Nilefa i Mosesy rehefa naharè izà; lasa mpiavy izy tao amè tanin'gne Midiana, izay niterahany gne zanany roy lahy. 30 Rehafa tapitry gne efapolo tao, nisy anjely raiky nitranga taminy tany agn'efitry teny amè tendrombohitry Sinay, teo amè lelafon'ilay voaroy niretry. 31 Rehefa tazan'i Mosesy ilay afo, gaga izy tamin'ilay fahitana; ary rehefa nagnato izy ka nagnety ilay izy, nisy feon'i Tompo avy lahatagny nizàka hoe: 32 "Iao gne Andriamanitrireo razanao, Andriamanitr'Abrahama, sy Isaka, ary Jakoba." Nalia i Mosesy ary tsy sahy nagnety. 33 Gne Tompo nizàka taminy hoe: "Alay gne kapa amè tombonao, fa io toeragny izay hitsangagnanao io da toeragny masina. 34 Efa hitako gne fijalian'gne vahoakako ao Egypta, reko gne fitarainandreo, ary efa nidigny nagnavotry andreo Iao; ka amisia da alefako ho agny Egypta anao." 35 Io i Mosesy izay nolavindreo, rehefa nizàka indreo hoe: "Ia gne nanendry anao ho mpanapaky sy ho mpitsara?" Izy gne tokany izay nalefan'Andriamanitry sady ho mpagnapaky gne mpagnavotry. Andriamanitry nandefa anazy tamè alalan'gne tagnan'ilay anjely izay nipoitry tamin'i Mosesy tegny amè voaroy. 36 Nitariky andreo hiala tao Egypta i Mosesy, rehefa avy nagnano fahagaga sy famantara tao Egypta sy tegny amè ranomasy mena, ary tegny agn'efitry nandritry gne efapolo tao. 37 Io avao ilay Mosesy izay nizàka tamè vahoakan'Israely hoe: "Andriamanitry da hanànga mpaminagny ho anareo eo amè rahalahinareo, mpaminagny mitovy aminah.'" 38 Izy ilay lehilahy izay tao am-piangona tao agn'efitry niaraky tamin'ilay anjely izay nizàka taminy tegny amè tendrombohitr'i Sinay. Izy ilay lehilahy niaraky tamindreo razantsika; izy ilay lehilahy izay nandray gne teny velona zaray ho antsika. 39 Izy ilay lehilahy izay tsy nankatoavindreo razantsika; natosikindreo lavitry andreo izy, ary any ampondreo da nipody tany Egypta indreo. 40 Tamin'io fotoa io nizàka tamin'i Arona indreo hoe: " Hamboaro andriamanitry iahay hitariky anay, mitovy amin'i Mosesy, izay nitariky antsika hijoso an'i Egypta, tsy fantatsika izay nitranga taminy." 41 Ary nagnano omby lahy madigniky indreo tamin'izà andro izà ary ninday fagnatitry teo amin'ilay sampy, ary nifaly tamin'gne asan-tagnany indreo. 42 Nitodiky Andriamanitry ary namela andreo ho fiderana ireo kintany egny an-dagnitry, araky gne voasoratry tao amè bokin'gne mpaminagny: "Anareo nanolotry anah biby maty sy fagnatitry nandritrin'gne efapolo tao tagny agn'efitry, tragnon'gne Israely? 43 Nekenareo gne tabernakelin'i Moloka sy gne kintan' Andriamanitry Refana, sy ireo sary izay naninareo hiderana anazy, ary iao hinday anareo agny ankôtran'Babylona." 44 Indreo razantsika da nagna tabernakelin'gne fijoroa vavolombelo tao agn'efitry, araky gne baikon'Andriamanitry rehefa nizàka tamin'i Mosesy Izy, izay tokotry naniny nitovy tamin'ilay fomba efa hitany. 45 Io ilay tragnolay izay nalaindreo razantsika, ary nindeshiny tao amin'ilay tany niaraky tamin'i Josoa, teo imasondreo razantsika, ireo fanagnan'gne firenegny izay nandroahan'Andriamanitry gne tany izay noraisindreo ho fanagnandreo manokany. Ilay tragnolay da nidoboky tao amin'ilay tany nandritry gne andron'i Davida, 46 ary izy da nahazo fankasitrahà tao amè fahitan'Andriamanitry ary nagnotany raha hahita toeragny hidoboa ho an'Andriamanitr'i Jakoba. 47 Fa i Solomona gne nagnambôtry gne tragno ho an'Andriamanitry. 48 Na izà aza, gne Avo indrindra da tsy nidoboky tao amè tragno vita tamè tagna, araky gne voalazan'gne mpaminagny hoe: 49 "Gne lanitry gne seza fiandrianako, ary gne tany gne fitoeran-tomboko. Tragno akongaia gne afaky hamboarinao ho anah? hoy ny Tompo, na toera akongaia gne hitsaharako? 50 Tsy gne tagnako gne nambôtry ireo zavatry rehetra ireo? 51 Ireo olo mafy hatoky sy tsy voafora ao am-po sy tadigny, anareo da manohitry fehizay gne Fanahy Masina; anareo da magnano mitovy amè nanin'gne razanareo. 52 Ia tamindreo razanareo gne tsy nagneziky mpampinagny? Novonoindreo gne mpaminagny izay niseho talohan'gne fiavin'ilay Fahamarigna, ary amin'izao anareo da lasa mpamadiky sy mpamono anazy koa, 53 anareo vahoaky izay nandray gne lalàgna izay napetrakindreo anjely, kanefa tsy nifesainareo izà." 54 Ary rehefa naharè ireo zavatry ireo gne mpikamba ao amè filan-kevitry, vignitry gne fondreo, ary nihidy vazana indreo tamè Stefana. 55 Fa izy, izay feno Fanahy Masina, nagnety tsara gne lanitry ary nahita gne voninahitr'Andriamanitry, ary nahita an'i Jesosy nitsanga teo ankavagnan'Andriamanitry. 56 Stefana nizàka hoe: "Iteo, itako misokatry ireo lanitry, ary gne zanak'olo mitsanga eo ankavagnan'Andriamanitry." 57 Teo amin'izà da nofepegnandreo mpikamba ao amè filan-kevitry gne tadignindreo, ary nikoiky niaraky tamè feo ambony, nihazakazaky indreo negnagny aminy. 58 Notaritindreo ivelan'gne tanà izy ary nanomboky nitora-bato anazy indreo, ary ireo vavolombelo da nametraky gne akanjony teo amè tombok'ilay zaza lahy nangia hoe Saoly. 59 Raha notora-bato an'i Stefana igny indreo, nangaiky mafy gne Tompo izy ary nizàka hoe: "Tompo Jesosy, raiso gne fagnako." 60 Nandoaliky izy ary nangaiky tamè feo mahery hoe: "Tompo, ka tazomy izao ota izao hanohera andreo." Rehefa avy nizàka izà izy da maty.