Toko faha 6

1 Ary tamin'izà andro izà, rehefa nifamaro gne isan'ireo mpianatry, da nanomboky nisy fitaraigna naninireo Jiosy mizàka Grika hanohera ireo Hebreo, satria nanindreo tsinotsino indreo mpitondra-tegnany tamè fizara sakafo isan'andro. 2 Gne roy ambinin'gne folo da nangaiky andreo mpianatry rehetra ho agny amindreo sady nizàka hoe: ''Tsy mety ho antsika raha miala gne tenin'Andriamanitra mba hikarakara ireo latabatry. 3 Noho izá anareo da tokotry mifidy, ry rahalahy, fito aminareo, lehilahy tsara laza, feno gne Fagnà sy fahendrè, mba ho tendrenay hikarakara izà raharaha izà. 4 Raha gne aminay, da hanohy hatrany amè fivavà sy amè fampianara gne zàka iahay.'' 5 Nafinaritry gne olo rehetra gne zàka nataondreo. Ka nifidy an'i Stefana indreo, lehilahy feno finoa sy Fanahy Masina, ary i Filipo, Prokoro, Nikanora, Timona, Parmena ary Nikoleo, Proselyta avy agny Antiokia. 6 Indreo mpino da nitondra ireo lehilahy teo agnatrehan'gne Apostoly, izay nivavaky sy nametraky gne tagnany tamindreo. 7 Ka niparitaky hatragny gne tenin'Andriamanitry, ary gne isan'gne mpianatry tao Jerosalema da nihanitombo be, ary mpisorona maro be koa gne lasa mpagneky gne finoa. 8 Ary i Stefana, feno fahasoava sy hery, da nagnano fahagaga sy famantara zakabe teo amè vahoaky. 9 Fa nisy vahoaky sasany nitsanga izay an'gne synagoga izay hanigny hoe gne Synagogan'gne Libertina, sy an'gne Kyreniana sy Aleksandriana, ary gne sasany avy agny Kilikia sy Azia. Ireo olo ireo da niady hevitry tamin'i Stefana. 10 Indreo da tsy nahatohitry gne fahendrè sy gne Fagnà izay nizàkany an'i Stefana. 11 Avy teo da nisy olo namboarandreo kolikoly mba hizàka hoe: ''Efa renay i Stefana nizàka ratsy momban'i Mosesy sy Andriamanitry.'' 12 Nanaitry gne olo indreo, gne loholona, sy gne mpanora-dalàna, da nandeha amin'i Stefana indreo ary nisambotry anazy sy ninday anazy teo agnatrehandreo mpanolontsaigny. 13 Ary indreo da ninday fijoroa vavolombelo diso, da nizàka hoe: ''Itoa lehilahy toa da tsy mijanogny mizàka ratsy ity toera masina ity sy gne lalàgna. 14 Fa iahay da naharè anazy nizàka fa io Jesosy avy agny Nazareta io da handrava ity toeragny ity sy hagnova ireo fomba izay natolotr'i Mosesy antsika. 15 ''Indreo rehetra nipetraky teo amè toeran'gne mpanolontsaina da nandinika anazy ka nahita fa mitovy amè Anjely gne endrikiny.