Toko faha 4

1 Raha nikora tamindreo vahoaky i Petera sy Jaona, da tonga indreo mpisorona sy gne lehiben'gne mpiamby gne tempoly ary indreo Sadoseo. 2 Vignitry mafy indreo noho i Petera sy Jaona nampianatry gne vahoaky sy nitory gne fitsanganà amè maty tamè alalan'i Jesosy. 3 Nosambory indreo ary nampidiry am-ponja mandrapahatongan'gne marandray, satria efa hariva gn'andro tamin'izà. 4 Nefa maro tamindreo olo izay naharè gn'afatry gne nitegno; ary gn'isandreo lehilahy izay nitegno da dimy arivo teo ho eo. 5 Ary gn'omarain'igny da niangony tao Jerosalema gne mpagnapak'indreo, zokiolo ary indreo mpanora-dalàna. 6 Teo i Anasy mpisoronabe, Kaiafa, Jaona, sy Aleksandro sy izay rehetra havandreo mpisoronabe. 7 Rehefa naroso tategnategnany i Petera sy Jaona, da nagnotany andreo hoe: "Amè hery gn'ino, na amè agnaran'gn'ino, gne namboaranareo izà?" 8 Avy teo i Petera, feno gne Fanahy Masina, da nizàka andreo hoe: "Anao ry mpanapaky gne vahoaky, sy gne loholo, 9 raha nagnontania momban'gne asa soa naninay tamin'io lehilahy narary io iahay tamin'io andro io_tamè fomba akongaia gne nahasitrany io lehilahy io? 10 Da aoka ho fantatrareo rehetra ary gne vahoakan'Israely rehetra, fa tamè agnaran'gne Jesosy Kristy avy agny Nazareta, izay nofantsianareo, ilay natsanganan'Andriamanitry tamè maty_tamè alalany gne ijoroan'ity lehilahy ity salama etoa anoloanareo. 11 Jesosy Kristy da vato naninareo mpanori-tragno tsinotsino nefa efa natao ho lohan'gne vato fehizoro. 12 Ary tsy misy famozè avy amè hafa, fa tsy misy agnara hafa ambanin'gne lanitry nomen'gne olo izay tsy maintsy hahavonjy antsika. 13 Ary rehefa nahita gne fahasahian'i Petera sy Jaona indreo, ary nahatsapa fa olon-tsotry, olo tsy nandia lakilasy, da gaga indreo, nahafantatry fa nindray tamin'i Jesosy i Petera sy Jaona. 14 Satria indreo nahita ilay lehilahy izay sitrany nijoro niaraky tamindreo, ka tsy nahita ho zakay hanoheragny izà indreo. 15 Fa rehefa avy nagnafatrafatry indreo apostoly handao gne fivorian'gne filan-kevitry indreo, da nifampikorà indreo. 16 Hoy indreo hoe: "Ino gne tokotry ho hanì am'ireto lehilahy ireto? Nohon'gne fahagaga vita tamè alalan'indreo da fantatrindreo olo rehetra eto Jerosalema, ary tsy azontsika laniny. 17 Fa mba tsy hiparitan'izà amè vahoaky kosa, asika isika hampitandriny andreo mba tsy hagnambarandreo izà agnara izà esana. 18 Nangia hiditry i Petera sy Jaona ary nozakay indreo tsy hagnambara sy tsy hampianatry amè agnaran'i Jesosy esana. 19 Nefa namaly andreo kosa i Petera sy Jaona nizàka hoe: "Raha marina eo imason'Andriamanitry gne magneky anareo mihoatry Anazy, da anareo gne mitsara. 20 Tsy afaky gne tsy hizàka momban'ireo raha hitanay sy renay iahay. 21 Tafaran'gne fampitandrema an'i Petera sy Jaona, da navelany nandeha indreo. Fa tsy nahita fomba hanasazia andreo indreo, satria nidera an'Andriamanitry indreo vahoaky nohon'gne zava-bitany. 22 Ilay lehilahy niaigny gne fahagaga sy fagnasitragna da nihoatry gne efa-polo taogny. 23 Tafaran'gne nagnafahany andreo, da avy teo amè vahoakany i Petera sy Jaona ary nambarandreo izay rehetra nozakaindreo lohan'gne mpisorona sy indreo loholo tamindreo. 24 Rehefa rendreo izà, da niara-nanandratry gne feondreo ho an'Andriamanitry indreo ka nizàka hoe: "Tompo, anao gne nambôtry gne lanitry sy gne tany sy gne ranomasy, ary izay rehetra ao aminy. 25 Nizàka tamè alalan'gne Fanahy Masina tamè mpagnomponao, gne raintsika Davida Anao hoe: 'Naoa gne vignitry indreo firenegny Jentilisa, sy indreo olo mieritreritry zavatry tsy misy ilagny anazy?' 26 Anareo mizàka hoe: 'Indreo mpanjakan'gne tany da nitambatry, ary indreo mpagnapaky da nitambatry hanohitry gne Tompo, sy hanohitry gne Kristiny.' 27 Fa efa i Heroda sy Pontsy Pilaty, izay niaraky tamindreo Jentilisa sy indreo vahoakan'i Israely, gne niara-niangony teo an-tanà hanohitry an'i Jesosy mpagnomponareo, izay nosoranareo. 28 Niara-nivory indreo mba hagnano izay rehetra nanin'gne tegnanareo sy gne drafitrareo izay efa notapahindreo ho atao mialoha. 29 Amisia, Tompo, iteo ireo fampitandremandreo ary omeo andreo mpagnomponao mba hizàkany gne zakànao an-kasahia tanteraky. 30 Hatsoro gne tagnanao mba hagnasitrany, ary hanome ireo famantara sy fahagaga amè alalan'gne agnaran'i Jesosy mpagnomponao masina." 31 Rehefa avy nivavaky indreo, da niovotrovotry gne toeragny izay niarandreo nivory, ary feno gne Fanahy Masina izy rehetra ary nizàka gne tenin'Andriamanitry an-kasahiany. 32 Gne ankamaroandreo izay nitegno da fo sy fanahy raiky evao. Tsy nisy nizàka fa gne raha izay azony da anazy manokany, fa zavatry niarandreo nanagny. 33 Niaraky tamè hery zakabe gne nagnambaran'gne apostoly gne fijoroandreo vavolombelo momba gne fitsanganan''i Jesosy Tompo tamè maty, ary fahasoava zakàbe gne teo amin'izy rehetra. 34 Tsy nisy olo nanan-java maha-ory teo amindreo, fa izay rehetra nanagny tany na tragno da namidy ary ninday gne volan'gne zavatry rehetra izay lafo. 35 Ary nadoboky teo an-tombokindreo apostoly, ary nozaray tamè olo tsirairay arak'izay ilaindreo. 36 Josefa, Levita raiky, lehilahy avy agny Kyprosy izay nangiandreo apostoly hoe Barnabasy (Zanaka lahin'gne Fampahereza), 37 nivarotry tany sy ninday gne vola ary nagnadoboky anazy teo an-tombokindreo apostoly.