Toko faha 3

1 Ary Petera sy i Jaona niakatry teny amè fiangona tamè leran'gne fivavaha, gne lera faha sivy. 2 Ary nisy lehilahy raiky nalemy efa hatrany am-piteraha nindesy isan'andro teny amè Vavahady Tsaran'endriky gne fiangona, mba hangataky fanomeza ara-bola agne amindreo olo izay mandeha amè fiangona. 3 Rehefa nahita an'i Petera sy i Jaona izay handeha hiditry gne fiangona, da nangataky fanomeza ara-bola tamindreo izy. 4 Nignety gne masony niaraky tamin'i Jaona i Petera da nizàka hoe: ''Hiteo iahay.'' 5 Ilay lehilahy malemy nagnety andreo, nagnategna gne handray zavatry avy amindreo. 6 Nefa i Petera nizàka hoe: ''Volafotsy sy volamena gne tsy anagnako, nefa izay anagnako, gne homeko anao. Amè anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mandehana.'' 7 Nandray anazy tamy gne tagna akavana, i Petera nananga anazy, ary tonga da lasa natanjaky gne tomboky gne lelahy sy gne kitrokidy. 8 Nambiky, gne lilahy malemy da nitsanga ka nanomboky nandeha; ary niaraky niditry tamy Petera sy i Jaona tao an-tempoly izy, nandeha, nimbiky, ary nidera an'Andriamanitra. 9 Gn'olo agnaby da nahita anazy nandeha sy nidera an'Andriamanitra. 10 Tsikaritrin-dreo fa izy gne lelahy nangataky fagnomeza ara-bola tamy gn'olo teo amy gne vavahady Tsaran'gne tempoly; ary tena gaga indreo noho gne rahà niseo taminazy. 11 Ary noho izy nita an'i Petera sy Jaona, gn'olo agnaby da nandeha tegny amindreo tegny amy gne fialafa izay nangiany hoe fialofan'i Solomona gn'olo agnaby, ary tena gaga. 12 Raha nahita izany i Petera da namaly gn'olo hoe: "Anareo ry vahoakan'Israely, nagnino gaga anareo? Nagnino gne masonareo gne mandiniky anay, ohatran'ny hoe herinay gne fahamasignanay manoka gne nampandeha anazy? 13 Gn'Andriamanitry Abrahama, sy an'i Isaka, ary an'i Jakoba, gn'Andriamanitr'gne raintsika, nagnome voninahitry an'i Jesosy mpanompony. Izy gne natolotrareo sy nandananareo teo agnatrehan'i Pilato, tamizay nanapa-kevitry gne handefa enazy. 14 Nandananareo gne raiky izay Masina sy Marigne ary naleonareo nangataky gne mpamono olo mba ho alefa ho anareo. 15 Novonoinareo gne Mpambôtry gne fiainagny, izay natsangan'Andriamanitry tamè maty_ary vavolombelon'izà iahay. 16 Amin'izao fotoa izao, nohon'gne finoa amè agnarany_ igny lehilahy izay hitanareo sy fantatrareo_igny agnara igny avao gne nahavy anazy hatazaky. Gne finoa avy amin'i Jesosy gne nagnome an'izao fahasitragna feno izao ho anazy etoa agnatrehanareo aby. 17 Androany rahalahy, fantatriko fa nagnano an'izany anareo noho gne tsy fahafantaranareo, ako gne nanine mpitondra anareo avakoa. 18 Fa gne raha izay voazakan'Andriamanitry nozakaine vavane mpaminany aby, hoe tokony hijaly gne Kristiny, d'efa tanterakiny am'zao fotoa zao. 19 Mibeba, noho izany, ary miveregna, mba ho voavono gne fahotanareo, mba ho avy gne fotoa mahavelombelo eo agnatrehan'gne Tompo; 20 ary mba handefa an'ilay Kristy izay voatendry ho anao izy, da i Jesosy. 21 Izy ilay tsy maintsy ho raisin'gne Lanitry mandram-piavisan'gne lera famerenagny amin'gne laoniny gne zava-drehetra, mikasiky an'izay voazakan'Andriamanitry taloha tam'gne vavane mpaminagny masina. 22 Nizaka dato i Mosesy hoe: "Gne Tompo Andriamanitry hananga mpaminagny ako ià avy am'ireo rahalahanareo. Anareo hiteno gne raha aby ho zakainy aminareo. 23 Hibôky gne hoe izay olo tsy miteno izà mpaminagny izà da ho foagny tanteraky tsy ho ao amin'olo." 24 Eka, ary indreo mpaminagny rehetra nanomboky teo amin'i Samoela sy indreo izay tonga tafarany, da nizàka mafy sy nagnambara ireo andro ireo. 25 Anareo gne zanak'indreo mpaminagny sy gne fagnekè izay nanin'Andriamanitry tamindreo razambe, araka gne nambarany tamin'i Abrahama hoe: 'Ao amè taranakao da ho tahia indreo fianakavia rehetra eran-tany.' 26 Tafaran'gne nananganan'Andriamanitry gne mpagnompony, da nandefa anazy ho anareo aloha izy, mba hagnampy anareo amè fialanareo amè faharatsianareo."