Toko faha 23

1 Fa i Petera da nibajijiky lavitry tegny niaraky am'gn' olombe tao sady nizaka hoe: "Ô rahalahy, iaho sa da efa sareky ho han'Andriamanitry tam'gne heritreritry tsara hatramzao." 2 I Ananiasy mpagnano soro da nibeko en'zay takekiny teo hagnome takapiky gne vavany gne mizaka. 3 Da hoy i Paoly nizaka: "Hahazo takapiky am'gn'Andriamanitry anao nda, anao rindry fotsy io izany. Anao sa nda da mipetraky hitsara anà amè lalàna, kanefa da mibeko gne hibonaky enà tsy araky gne lalàna? 4 Gn'olo nitsanga teo da nizaka hoe: "Izany sarô da jaka hagnivahanareo gne mpisoroben' Andriamanitry?" 5 Da hoy i Paoly namaly hoe: "Tsy nahalala iaho rahalahy hoe izy gne lehiben'gne mpisorombe. Sady koa efa vôsoratry fa "tsy tokony agnano zaka ratsy amè mpitondra gne olonao anao." 6 Raha hitan'i Paoly fa gne sasany tamè filankevitry teo Sadoseo sady Fariseo, da nizaka mafy be izy hoe: "Aminareo rahalahiko, Iaho da Fariseo evakoa, vakirandron'gne lelahin'gne Fariseo. Izay gn'izy aminazy igny satria iaho da magneky sady magnantegna gne fitsaganan'gne maty hitsara anà. 7 Raha avy nizaka izany izy da nekàny madinidiky gne Fariseo sy gne Sadoseo, ndre gne vahôky teo da nizara roy agnaby. 8 Gne Sadoseo da mihizingizigny fa tsy misy gne fitsangana amè maty zanagny, tsy misy zany anjely zanagny, tsy misy aby zany fanahy zanagny, kanefa gne Fariseo da niatokatoky datò fa misy agnaby izany raha zanagny. 9 Lasa nikaresokaresoky sady nekàny tampoky teo indreo, gne mpanoro-dalàn'gne Fariseo da nitsanga sady niady hevitry hoe: "Iahay toa da tsy mahita fahadisoa am'zalahy io. Akôry raha gne fanahy na gn'anjely evao gne niresaky taminazy tagny?" 10 Satria rekitry gne akanindreo teo, da natahatry gne kapiteny mpitariky sao hifandrombognandreo eo i Paoly, ka nibeko gne raiky tamè miaramila izy hidigny ambany sady hitondra azy ho agny amè mpikambagny ao amè filankevitry sy ho agny an-dapa. 11 Gn'harivan'gne andro magnaraky da nitsanga teo agnilany ny Tompo sady nizaka hoe: "Ka matàtry anao fa akô gne naninao nijoro vava velo enaha tagny Jerosalema, da tsy mentsy ijoronao vava velo agny Roma evakoa." 12 Raha nandraigny gn'andro, namorogny fikafika gne Jiosy sasany sady namàtry gn'aindreo miaraka amin'ny fianianana mba tsy hihina na hindrano mandra-pamonoandreo an'i Paoly. 13 Mihôtry gne efapolo olo teo indreo nagnano enio fikafika io. 14 Nandeha tagny amè mpisorimbe sy gne loholo indreo sady nizaka hoe: "Ihay da efa namatry gne ainay, tsy hinananay ino na ino mandra amonoanay an'i Paoly. 15 Ankehitriny, raha izà izy, da ampetray gne lohany hizaka ame lehibe dina angatitry enazy aminareo, sady anareo to hanampa-hevitry aminge zava-misy aminazy marina dato. Ho ahy, ihahay da vonony nge amono enazy alohany nge eviany etoa." 16 Nefa gne zanak'anabavin'i Paoly lelahy da naharè fa mandingy gn'amonoha anazy indreo, raha izaha izy da nandeha izy niditry gne lapa nizaka tam'i Paoly. 17 I Paoly da nangaiky gne raiky tam'gne kapiteny da nizaka hoe: ''Indeso am'gne kapiteny pitarika agny ity lelahahy 'ty, fa mana raha hozakay aminazy.'' 18 Noho izà da noresin'i kapiteny igny zaza lehilahy igny sady nindesiny tagny am'i lehiben'gne kapiteny, da hoy izy hoe: "I Paoly, igny lalahy migadra ao igny, gne nagaiky enà handeha aminazy tagny, sady nengavy enà mba hinday en'ty zahahy 'ty aty aminao. Misy raha ho resahany aminao hôy izy. 19 Gne lehiben'gne kapiteny nintondra anazy amè tagna ho agny amè toera milamindamy sady nagnotany enazy hoe: "Ino gne raha tokony hozakainao aminà zanagny me? 20 Da hoy igny zaza lelahy igny: "Gne Jiosy da nagneky agnaby gne hangataky aminao gn'hitondraha an'i Paoly ho agny amè filankevitry homaray, sady indreo lahateo koa hagnotany gne marigny mikasiky enazy. 21 Kanefa ka ekè izany, satria efa maherin'gne efapolo olo gn'hamono enazy. Sady efa namàtry gn'aindreo indreo gne tsy hihina sady tsy hisotro mandra-pahafatesan-dreo anazy. Ndre da amitsia koa amtsia da efa vonogny indreo gn'amono enazy fa mandigny gne zaka avy aminao avao." 22 Da napetraky ny lehiben'gne kapiteny handeha igny zaza lehilahy igny tafaran'gne nagnafaran'enazy hoe: "Ka mizaka ndre aminia, ndre aminia anao hoe nizaka an'zany raha zany tamnà anao." 23 Nangaiky gne roy tamè kapiteny izy sady nizaka hoe: "Mangalaha maramila rôzato anao 'zay vonogny handeha agny Kaisaria, sy mpitondra sôvaly fitopolo miaraky amè mpintondra lefo rôzato. Handeha am' telo ora aly anao". 24 Sady mbola nagnome beko koa izy mba hagnomezandreo biby hipitihan'i Paoly sady hitondra anazy ho avy agny am'i Feliksa governora. 25 Avy teo koa da mbola nanoratry taratasy izy hoe: 26 " I Klaodio Lysia gn'ho an' i Feliksa governora, akôraby sa." 27 Io zalahy io tam'zany da nosamborin'gne Jiosy sady saiky hovonoindreo, fa raha avy niaraky tamè maramila teo aho da nagnavotry enazy satri lalako tokôtry fa olo Romana izy. 28 Tam'zahy aho da ta halala gn'antony hitoriandreo anazy ka nindesiko tagny amè filankevitrindreo izy. 29 Teo iaho vao nahalala fa notorihindreo tamè kabaro mikasiky gne lalàna mifehy endreo izy, kanefa, tsy nisy fempangaha nanohitry enazy ka tokony hahavoasazy sady hapigadra anazy. 30 Avy teo, napahafatarindreo enà fa misy hevitry afa helognandreo enazy, 'zay gn'antony nandefasako enazy tagny aminao eo no eo, sady mbola nagnafatry gne mpitory enazy evakoa iaho hindahy gne fempangahan-dreo enazy agny aminao. Veloma". 31 Noho'zany gne nagnekèn'gne maramila gne bekon-dreo. Nalaindreo sady nentindreo tagny Antipatria i Paoly gn'alin'igny evao. 32 Gn'omarain'igny, gne maro tamè maramila da nilefa gne mpitondra sôvaly mba handaha hiaraky aminazy fa indreo koa sa da nipody tagny an-dapa. 33 Raha vatany avy tagny Kaisaria gne mpitondra sôvaly da nagnome gne taratasy ho an'i governora sady nanolotry enazy en'i Paoly evakoa. 34 Raha namaky gne taratsy gne governora da nagnotany gne faritany nevian'i Paoly izy. Raha lalany koa fa avy tagny Kilikia i Paoly, 35 da hoy izy: "Ho reko tsara gne momba anao raha avy etoa gn'olo mpitory enao." Sady notananay tao amè fajakà fohiben' i Heroda izy.