Toko faha 22

1 "Ekà am'nareo rahalahy sy Aba, tenomo tsara gne jaka ferovako enareo zao sa." 2 Raha naharè an'i Paoly nizaka Hebreo indreo vahôky, da fitsaky gne nisihy agnaby. Da hoy izy hoe: 3 "Jiosy iaho, teraky te Tarsosy agny Kilikia agny, fa be tam'ty tanà 'ty tetoa iaho, t'ambanin'ny Gamaliela. Napenary gne fomba sy gne lalàna mikasiky gne razatsika iaho. Sady lahateo koa da olo nafana fo iaho gne tamin'Andriamanitry, da akô gne aninareo am'zao io evakoa. 4 Nagnejiky en'io lalàna io atram'farany iaho, nogadrako sady nofieziko indreo, nidiako agny amè tragno figadrà na lelahy izany na viavy, 5 ary gne mpisoro sy gne loholo agnaby da afaky mijoro vava velo etoa fa nahita an'zany. Nahazo taratasy avy tam'ndreo iaho ho an'gne rahalahy mipetraky agny Damaskosy, da lasa tokôtry ninday endreo miaraky amè rozy vy ho agny Jerosalema fa ho gadrà indreo. 6 Ity gne raha hita raha tegny an-dala ho agny Damaskosy iahao, raha nanomboky ho lagnary gn'andro da nisy hazavà avy tagny an-dagnitry namirapiratry nagnodidy enaha. 7 Nepefiky tamè tany ihao sady nahare feo nizaka hoe: "E Saoly, E Saoly, ino gn'angnejehenao enà io me? 8 Da namaly iaho: 'Ia me Anao, Tompoko?' Da hoy koa izy taminà: "Iaho aza gne Jesosy avy agny Nazareta, 'ndre iaho da enjehenao io.' 9 Fa gn'olo niaraky tamnà tegny agnaby da nahita an'io hazavà io gne feo niresaky taminà gne tsy nolalandreo. 10 Da hoy iaho: "Ino gne tokony ho amboariko tompoko?' Da hoy gne Tompo tamin'azy: "Mitsangàna anao da midira agny Damaskosy; agny vao ambara anao gne raha tokony hapamboary enao." 11 Lasa goa gne masoko noho gne ngilangilatry izany hazavà 'zany, fa gn'olo niaraky tamnà gne nitàta gne tagnako vao avy tagny Damaskosy iaho. 12 Tagny iaho da nifakaita tam'zay lelahy hangiandreo hoe Ananiasy zay, lehilahy mataotry gn'Andriamanitry, nagnaja gne lalàna gne sady tsara laza tamè Jiosy nipetraky teo. 13 Nagnato enaha izy, nitsanga t'agnilako teo sady hoy izy: "E rahalahy, Saoly, aboleraho nda gne masonao.' Tselatsela teo avao da nibolera gne masony. 14 Da hoy izy hoe: "Gn'Andriamanitry gne razatsika aza nda gne nifidy enao mba hahafatatry gne tiàny anihy, mba ahita gne marigny sady mba aharè gne zaka hajotson'gne vavany. 15 Fa anao hôy da ho vava velony ho an'gnolo hitanao sy renao agnaby. 16 Nagnino enao mbola mandigny evao me? Mitroafa, andao anihy batisa anao sady sasao gne otanao da kohy am'gn'agnarany izy.'' 17 Raha nipody avy tagny Jerosalema iahay, raha mbola nivavaky tao amè tempoly evakoa, io iaho fa nagnonofy. 18 Hitako izy mikoraha amina sady nizaka hoe: "Melaha malaky etoa Jerosalema etoa, satria tsagneky gne hitsangananao vava velo mamba Anà indreo.' 19 Da hoy iaho: "Tompo, efa mahalala indreo fa iaho gne nigabogaboky endreo sy nagnagadra 'zay nino Anao tamè Synagoga tao agnaby. 20 Raha novonoy i Stefana vava velonao, da nitsanga teo koa ihao sady nagneky, nembenako teo gne lamban'gn'olo namono anazy.' 21 Fa hoy izy taminà: "Mandehana avao, fa halefako lavitry agny amè Jentilisa anao." 22 Niteno sady kaperatry mandra-pizakàny indreo teo. Tapitapiky teo, nikoiky mafy be indreo sady nizaka hoe: "Vonoy hiala etoa gne lelahy akô io, satria tsy mendriky enazy etsana gne ho velo." 23 Raha mbola nikaresokaresoky teo indreo, da nanoraky gne lambany sady nanoraky bò tamè rivotra, 24 fa gne sefon'gne kapiteny teo nibeko an'i Paoly hindesy agny an-dapa. Nibeko izy fa tokony hodikodigny miaraky amè takapiky izy, sady am'zay izy tegnany halala hoe nagnino indreo gne mikoikoiky nanohitry enazy akô izany. 25 Raha nofiezindreo tamè daro indreo, da hoy i Paoly tam'gne kapiteny nitsanga teo hoe: "Da mety aminareo sa nda gne mibònaky sy mikaravasy lehilahy Romana kanefa mbola tsy notsaray 'ndre indraiky? 26 Raha naharè enizany gne kapiteny, da nandeha agny amè sefony sady nizaka hoe: " Ino 'ty raha aninao 'ty me? Olon'gne Romana an'io lehilahy io." 27 Nagnato gne lehiben'gne kapiteny sady nagnotany anazy hoe: "Zakay enaha, vahôky Romana nga anao?" Da hoy i Paoly hoe: "Ao izy datò iaho." 28 Da hoy koa gne lehiben'gne kapiteny hoe: " Tam'gne vola be avao gne nahazoako an'io zo-pirenena io. Da hoy koa i Paoly namaly: "Iaho koa sa da nateraky ho vahôky Romana." 29 Lasa niala anazy tapotapoky teo gn'olo nametra-pagnotania taminazy. Nangitakitaky sady natàtry evakoa gne lehiben'gne kapiteny raha nahalala fa vahôky Romana i Paoly satria izy nifehy enay.