Toko faha 18

1 Tafaranio raha io i Paoly da raoky niala tao Atena nandeha tagny Korinto. 2 Nifakahita tamè Jiosy hangia amè agnara hoe Akoila tao koa izy, sady Ponto gne razany, 'zay mbola vao avy tagny Italia niaraky tamy Prisila vadiy, satria i klaodio nadidy gne Jiosy rehetra mba hiala tao Roma. Nandeha teo amindreo i Paoly, 3 sady hitany fa varotra mitovy gne asandreo, da nipetraky tamindreo teo izy sady niasa, magnano moskitera gne asandreo. 4 Efan'i Paoly gne mikoraha ao ame Synagoga isaky gne Sabata. Nandresy lahatry gne Jiosy sy gne Grika evakoa izy. 5 Raha vatany nidigny avy tagny Makedonia i Silasy sy Timoty, da nofôrisén'gne Fagnahy hagnambara amireo Jiosy izy fa Jesosy no Kristy, da mbola i Paoly evakoa. 6 Raha nanohitry sady nagneso anazy gne Jiosy, da nakopakopaky Paoly tamindreo gne lambany sady hoy izy hoe: "Ho eo amè lohanareo gne rànareo; olo tsy mana tsigny iaho. Fa manomboky izao da ho agny amè tsy mpino iaho." 7 Da niala teo dato izy sady nandeha agny amè tragnon'i Titosy Josto, zay lehilahy mpanompo gn' Andriamanitry. Eo akaiky gne Synagoga gne tragnony. 8 I Krispo, mpitariky gne Synagoga sady nino gne Tompo, niaraky tamè olo izay nidoboky t'andragnony tao; sady maro tamè Korintiana zay nahare mikasy anizany gne nino sady namboary batisa. 9 Fa gne Tompo nizaka tamy Paoly tamè fahità gn' harivan'igny hoe: "Ka matàtry sady ka misihy evao fa mizakà. 10 Fa etoa iaho magnety enao, sady tsy hisy olo ahasahy agnano ratsy anao, satria mana olo maro be am'ty tanà 'ty Iaho." 11 Nipetraky teo nandritry gne tao raiky sy enim-bola i Paoly sady nampianatry gne tenin'Andriamanitra teo amindreo. 12 Fa raha lany governoran'ny Akaia i Galio, da hitoa niaraky nitrôtry gne Jiosy hanohitry an'i Paoly sady nitondra anazy tagny amè fitsaràha; 13 hoy indreo hoe: "Io lehilahy io da mandresy lahatry gne vahoaka hanompo gne Andriamanitry 'zay mifanohitry amè lalàna." 14 Ary raha handeha hizaka igny i Paoly, da nizaka tamè Jiosy i Galio hoe: "Anareo Jiosy, sa raha anitsika hoe resaky ratsy na fahotà izany raha zanagny, da mbola vonogny agnano marimaritry hiraisa anareo." 15 Fa nanomboky gne nisian'io fagnontanio mikasiky io zaka sy agnara ary lalàna io, alaminonareo samy anareo agny eky izany. Tsy tiako gne ho mpitsara gne raha akô izany." 16 Noroasin'i Galio teo ame seza fitsaràha indreo. 17 Ka nosamborindreo i Sostena, gne mpanapaky resaky ao amè Synagoga koa, sady nagnome takapiky anazy teo amè seza fitsaraha. Fa i Galio koa sa da tsy niraharà gne raha nanindreo teo. 18 Raha avy nipetraky teo nandritry gn'andro maro i Paoly, da lasa izy sady niala gne rahalany teo gne roso nipitiky amè sambo niaraky amy Prisila sy Akoila. Talohan'gne nelany gne totry misy gne sambo da nanapa-bolo izy noho gne vava sy gne lokaloka 'zay nozakainy. 19 Raha avy tagny Efesosy indreo da navelan' i Paoly teo i Prisila sy Akoila, fa izy raiky evao gne lasa nitsoky tao amè Synagoga ka niady hevitra tamè Jiosy tao. 20 Raha igny indreo fa nangataky an'i Paoly hijano elaela teo, da nandà mafy atramy farany izy. 21 Sady nisitaky endreo izy gne nizaka hoe: "Da mbola hipody etoa aho raha sitraky gn'ao ambony izany." Da lasa niondrana tamè sambo izy sady niala tao Efesosy. 22 Raha nitody tao Kaisaria i Paoly, da lasa niakatry izy sady niarahaba gne fengonan'ny Jerosalema sady nidigny nandeha tagny Antiokia. 23 Raha nidoboky elaela tao izy da lasa i Paoly ka nitety gne faritry Galatia sy Frygia sady nankahery gne mpianatry tao. 24 Sady nisy Jiosy raiky hangia hoe Apolosy, teraky tagny Alexandria, avy tao Efesosy. Izy da mahay mikabaro sady nahalala tsara gne Soratry Masy. 25 I Apolosy da nampenary niaraky tamè fampenaran'ny Tompo. Mafana fo, nizaka sady nampianatry gne marigny mikasiky gne raha mikasiky an'i Jesosy, kanefa da gne batisan'i Jaona raiky evao gne fantatriny. 26 Apolosy sahy nizaka tao amè Synagoga. Fa raha nahare anazy i Prisila sy Akoila, da nangala anazy ka nitondra anazy egny ame sisiny sady nagnazava taminazy misimisy gne lalan'Andriamanitry. 27 Raha nagniry gn'amakivaky an'i Akaia igny izy, da napahery anazy gne rahalainy sady nanoratry ho an'gne mpianatry tao Akaia mba handray anazy. Raha avy izy da nagnampy gn'olo zay nino tamè fahasoava. 28 Nanohitry mafy da mafy gne Jiosy i Apolosy tamè ady hevitry ampahibemaso, sady nagnambara tamè Soratry Masina fa i Jesosy no Kristy.