Toko faha 3

1 Androany, ry malala, manoratry ho anareo ity taratasy faha roy ity iaho ho fampatsihiva enty hampirisiha gne sainareo madio, 2 mba hahatsiarovanao gne zaka nozakain'gne mpaminany masina tagny taloha sy gne didin'ny Tompo sy Mpamonjy antsika izay apostolinareo. 3 Fantako aloha izao, fa gne mpaniratsira da ho avy amy gn'andro farany. Indreo da hizaka ary handeha araky gne fizakandreo manoka. 4 Indreo da izaka hoe:"Aia gne fampagnantegna gn'amy gne fiveregnany? Fahatrizaynodian'gne razambe matory, da tsy niova nge rahà agnaby, eka fa hatramign'e fetombohan'izao tontolo izaokoa." 5 Indreo da mehezaky magnadio fa gne lagnetry sy gne tany da nisy avy tamè rano ary tamy gn'alalan'e rano, fotoa ela, 6 nohon'ne didin'Andriamanitra, ary tamy gn'alaln'io rahà io, gne nandravà gne tontolo tamin'izany fotoa zany,tamy gne tondra-drano. 7 Fa andraoany gne lagnitry sy gne tany da natoka ho an'gn'afo amè gn'alalan'io didy io koa. Indreo da votoka ho amè gn'andron'e fitsara sy gne fandavoa gn'olo ratsy fagnahy. 8 Ôka aninareo ho adigno, ry malala, fa gn'andro raiky amy Tompo da akoy gn'arivo tao, ary gn'arivo tao akoy gn'andro raiky. 9 Gne Tompo da tsy ela amy gne fagnantateraha gne fampagnantegnany, araky izay zakain'e sasany ho fahelany. Oa se, Izy da maharitry aminareo. Tsy tiany hisy ho very enareo, fa mba ho avy amy gne fibebaha gne maro. 10 Na izany aza, ho avy mitovy amè mpangalatry gn'andron'ny Tompo: Gne lagnitry da tsy ho ita miaraky amy gne feo mafy. Gne rahà agnaby da ho mainy gn'afo, ary gne tany sy gn'asa ao aminazy da hambara. (Fagnamariha:Gne dika-zaka sasany da midika akoizao:"Gne rahà agnaby da ho main'gn'afo, ary gne tany sy gn'asa ao aminazy da horoa agnaby.") 11 Ka raha ho levogny akoizany io rahà agnaby io, da tokony ho olo magnano akoignaia enareo? Tokony hiaigny amè fahamasigna sy gne fiaina araky an'Andrimanitra enareo. 12 Tokony hagnategna ary hampalaky gne fevian'gn'andron' Andriamanitra enareo. Amizany andro zany, gne lagnitry da ho levon'gn'afo, ary gne rahà agnaby da hiaigne amy gn'afana be. 13 Fa araky gne fampagnategnany, da mandigny gne lagnitry vaovao sy tany vaovao isika, izay hipetrahan'e fahamarigna. 14 Noho izany, ry malala, satria magnantegna izany rahà zany enareo, magnamboara gne tsara indrindra avy agny aminareo mba tsy hisy loto sy hanan-tsigny eo agnatrehany, am-pidana. 15 Ary evakoa, eritrereto gne faharetan'ny Tompontsika amy gne famonjea, akoy gne nosoratan'i Paoly rahalahy malalantsika taminareo, araky gne fahendre izay nome enazy. 16 Paoly da mizaka enizany rahà zany ao amè taratasiny agnaby, izay misy rahà sarotry takary. Olo tsy misy fahalala ary tsy mitsanga gne magnova io rahà io, akoy gne hagnamboarany gne soratra masina hafa evakoa, ka miteraky fahavereza ho an'gne tegneny. 17 Noho izany, ry malala, satria fantatareo izany rahà zany, da tandremo gne tegnanareo mba tsy ho vofandriky gne fitataky gn'olo ratsy fagnahy ka ho very gne fahamarignanareo. 18 Fa mitombo amy gne fahasoava sy gne fahalala gne tompotsika sy Jesosy Kristy Mpamonjy antsika. Ho anazy gne voninahitry amizao ary mandrakizay. Amena!