Toko faha 2

1 Gne mpaminany sandoky da avy teo amy gn'olo, ary gne mpampianatry sandoky evekoa da ho avy eo aminareo. Hinday mangingina sain-diso manimby indreo, ary handà gne Tompo izay nividy indreo. Indreo da mitondra fahasimba malaky amindreo. 2 Maro gne hagnaraky gne fijejojejoan-dreo, ary amy gn'alala'gne hizaka ratsy gne lalan'gne fahamarigna. 3 Amy gne fiorema gne hagnararôtany anareo miaraky amy gne zaka mamitaky. Tsy ho ela gne fangameloha an'izy iregny; tsy matory gne fahasimban'izy iregny. 4 Fa Andriamanitra tsy namindra fo ireo anjely izay nagnota. Nefa koa natolotriny ho amè vilagny tany indreo mba ho votahy amy gne gandran'e fahamizigna mandra-pevian'e fitsarà. (fagnamaria: Gny dikan-zaka taloha sasany da midika akoizao: "Mba ho fihezy ao amè lavaky gne fahamisia mandra-mandra-piavian'gne fitsarà.") 5 Ary evakoa, tsy nagnapetraky izao tontolo izao taloha Izy. Nefa, namonjy an'i Noah, izay mpitory gne fahamarigna, miaraky amè fito hafa, rahà ninday gne safo-drano tamy gne ratsy fagnahy teto amizao tontolo izao izy. 6 Andriamanitra evakoa da nagnano gne tanàn'i Sodoma sy Gomora ho lakevo ary nandemoky endreo ho amy gne fahapotea, hakoizany gne hahazo gne ratsy fagnahy. 7 Fa i Lota marigny, izay nampihory tamy gne fitondran-tegnan'gn'olo tsy ara-dalàgna tamy gne fijejojejoa, da novonjen' Andrimanitra. 8 Fa izany lelahy marigny izany, izay niaigny niaraky tamindreo isan'andro, da mizaly tamy gne fagnahin'gne fahamarigna noho izay hizakany sy reny. 9 Fantatry gne Tompo gne fomba hamonje gn'olo tsara fagnahy amy gne fahatsapa, sy gne fomba hitana gn'olo tsy marigny ho amè sazy amy gn'andro tsarà. 10 Marigny indrindra izany ho an'gne izay manohy amè fagniria ratsin'gne nofo sy magnano tsinitsino gne fahefa. Sahy sy mitompo zaka zakabe indreo. Indreo da tsy matahotry hizaka ratsy gne zakabe voninahitry. 11 Gn'anjaly da tsy mana hery sy fahefa zakabe, fa indreo da tsy minday fitsarà maniratsira manohitry endreo amy gne Tompo. 12 Fa gne biby tsy manan-tsay io da nanihy ho sambory sy potehy. Tsy fantandreo izay tsiratsiraindreo. Ho potiky indreo. 13 Hahazo gne valisoan'gne rahà ratsy namboariny indreo. Mieritreritry indreo fa gne tsy fifalia mandritry gn'andro da fahafinareta. Indreo da be tasy sy tsigny. Mahafinaritry endreo gn'asa famitahan-dreo raha miahina miaraky aminareo. (Fagnamariha:Gne dika-aka sasany da midika akoizao:"Mahafinaritry endreo gn'asandreo raha mihina miaraky aminareo amy gne sakafom-pitiava.") 14 Molam-biavy mijangjanga idreo; tsy afa-po amy gne fahota mihitsyindreo. Mitariky fagnahy tsy mety ho amy gne fagnamboara ratsy indreo,ary mana fo vohofa amy gne fagniria idreo. Zanaky fagnozogna izy io. 15 Niala tamè lala mahitsy idreo. lasa niheliky indreo, ary nagnaraky gne lalan'i Balama zanak'i Beora, izay tia gne karaman'e fahamarigna. (Fagnamariha: Gne dikan-zaka sasany da midika akoizao:"Balama,zanak'i Bosora.") 16 Fa nahazo zaka mafy izy nohon'ny fandikan-dalàny manoka. Nisy boriky moa nizaka tamy gne feon'olombelo nagnajano gne amolan'gne mpaminany. 17 Gn'olana io da mitovy ame lohatao tsy misy rikandro. Akoy gne mika entin'e rivotry indreo. Natoka ho andreo gne mizingola. 18 Mizaka tsy am-pihevera indreo. Mangaiky gn'olo amy gn'alaln'e filàn'e nofo indreo. Indreo da mitao gn'olo izay miezaky milefa endreo miaigny amè fahadisoa. 19 Indreo da mampagnategna fahafaha ho andreo, kanefa izy tegnany ary da andevon'gne fahalotoa. Fa gn'olo da andevon'gne maharesy enazy agnaby. 20 Na ia na ia afaky amy gne fahalotoan'izao tontolo izao amy gn'alalan'e fahalala gne Tompo sy Jesosy Kristy Mpamojy, ary avy eo miverigny amy gne fahalotoa koa, da hanjary ratsy nohon'gne fipetrak'e rahà gne fipetrak'e rahà faranny. 21 Tsara ho andreo gne tsy mahafantatry gne lalan'e fahamarigna nohon'gne mahafantatry enizany da hivadiky amè didy masina nome endreo. 22 Marigny ho andreo ity ohabola ity hoe:"Gn'amboa gne miverigne amè naloany. Gne kosoa efa nandro miverigny mihoso-potaka."