Toko faha-8

1 Tamy zay andro zay,dia gnisy vahoaky maro draiky,ary tsisy manan-kany rozy.Laha nikaiky mpianatrigny regny Jesosy la nivola tamy dreo hoe: 2 "Mahaferigany anakahy vahoaky reo satria fa telo andro rozy niaraky taminakahy ary tsy manan-kohany. 3 Laha alefako moly an-tranogny tsy mihinan-kany reo mety ho toira an-dala.Ny sasagny amy dreo baka lavitry aminio." 4 Gnamaly azy mpianatrigny hoe:"Aia ro ahitantsika mofo ho ampy amahagnatsika vahoaky maro aty ami tany tsy misy ho hagny toy?" 5 Nagnotany an-dreo I hoe:" Firy mofo anagnanareo?"Hoy reo hoe :"Fito " 6 Gnandidy ny vahoaky mba hifitaky amy tany I. Norabesiny gny mofo fito,ka nisaotry I,ary gnanapaky reo.Nomegny ny mpianagny zay mba ho zaraindrei amy vahoaky ka nampetrakin-dreo taloha gny vahoaky teo. 7 Ka mbo nisy fia kelikely hafa koa rozy,ka lafa baky nisaotry any raha reo I,dia nandidy andreo mpianatry handroso izany i. 8 Ka nihina reo ka vintsy,la nalain-dro ny sisasisa tsy lany,ka mbo nahafeno fisia fito bevata. 9 Teo eo amin'efatr'arivo teo gny olo tamin'izay,bakeo,nampoliny reo. 10 Eo no eo la niakatry tao an-tsambokely niaraky tamindreo mpianany I,ka nandeha nagnany amy faritr'i Dalmamota reo. 11 Ka niboaky reo Fariseo ka nanomboky nifamaly taminy. Nila famantara baka an-danitry tamindreo mba hitrapa azay. 12 Nifoay laliky hatrimin'ny fagnahiny I ka nivola hoe:" Nagnino ro mila famantara reo tranaky reto?Kanefa volagniko gny to aminareo,fa tsy misy famantara omea hoan'reto taranaky reto." 13 Bakeo I ka nanenga andreo ,niakatry tao an-tsambokely ndraiky,ka niala lavitry ho egny am-pita. 14 ka halignon'ny mpianatry nanday gny mofo tamin-dreo.Tsy mana mihoatry ny raiky reo tao anaty sambo. 15 ka nampitandri aminy masirasiran-dreo Fariseo sy gny masirasiran'i Heroda ". 16 Ka nifagnotany tena ny mpianatry hoe:"Avy amintsika tsy mana mofo izao". 17 Hain'i Jesosu izao,ka hou I tamin-dreo hoe :" Gnanino ro amiy gny tsy fanagna mofo ny fisaignanareo? Mbo tsy mazava va?Mbo tsy takatrinareo va?Nannjary donto va ny fonareo? 18 Mana maso nareo fa tsy mahita va ? Manan-tsofy nareo , fa tsy mahare? Tsy tiaro nareo va? 19 Lafa nanapaky ny mofo dimy ho an'olo dimy arivo Zaho,firy fisia misy tavelan'ny mofo gnahoronareo?"Hoy reo tamigny hoe:"Roambinifolo." 20 Lafa nanapaky ny mofo fito ho an'olo efatry arivo Zaho,firy fisia sisa tavela nahoronareo?" 21 Hoy reo hoe:"Fito". Ka hoy i hoe:"Mbo tsy takatrinareo avao va ?" 22 Avy ta Betsaida reo.Ka nisy jamba raiky nandesin'olo taminazy ka niangavian-dreo Jesosy mb hikasiky azy. 23 Nandesin'ny jesosy tamin'ny tagnanay jamba iny ka notaritny hiboaky gny tana. Lafa nandrora tamin'gny masony I ka nametraky ny tagnanay t'agnaminy ka nagnotany azy I hoe:" Mahita raha va iha?" 24 Ka nitraka I,ka nivola hoe:"Mahita olo manahaky ny hazo mandehandeha zaho." 25 Napetrakin'I Jesosy tao amin'ny masony ndraiky ny tagnany ka nahita lehilahy igny masony,la nipoly tamin'ny lohan'ny gny fahitany,ka nahita mazava soa ny raha iaby i. 26 Ka nampandehan'i Jesosy noly i ka nivolagnany hoe:"Ka militry an-tana ao" 27 Nandeha niboaky Jesosy voho gny mpianany ho agny amin'ny tanan'i Kaisara Filipo. Mbo andala reo fa nagnotany tamin'ny mpianatriny I hoe:" Hataon'olo ho ia moa Zaho io?" 28 Namaly azy rozy ka nivola hoe:"Jaona mpanao batisa ."Gny sasany nvola hoe :"Elia",ary ny sasany hoe:"Raiky aminy mpaminany reo ." 29 Nagnotany an-dreo I hoe :"Ka nareo koa manao ahy ho ia?" Ka nivola Azy Petera hoe:" Iha ro Kristy." 30 Nampitandry an-dreo Jesosy tsy hivola ny mikasiky Azy na amin'ia na amin'ia. 31 Gnanomboky nampianatry an-dreo Jesosy fa I tsy maintsy hijaly ny Anakign'olo,sady tsy ho ekegnin-dreo loholo voho ireireo lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanara-dalana,ka ho vognoe,ka hitsanga amin'ny maty afaky andro faha telo. 32 Nivolagniny mazava soa. Bakeo nikakiky an'i Jesosy moramora Petera ka nanomboky nivola mare Azy. 33 Ka lafa niresaky Jesosy dia nagnety ny mpianagny ka nivola mare an'i Peterta nanao hoe:" Miala ahy,ry satana!Tsy mba mihevitry ny fanagnan-Dzanahary iha fa ny fanagnan'olo." 34 Bakeo nikaiky gny vahoaky voho gny mpianatriny iaby I,ka hoy I tamin-dreo hoe:"Laha misy te hagnaraky Ahy de tsy maintsy manada gny tegnany i,mangalaky ny hazofijaliany,ka magnaraky Ahy. 35 Na ia na ia te hagnavotry gny gnainy dia hahavery izany,ka ze mahavery ny aigny noho Amiko sy ny safasoa,de hahavonjy izany. 36 Fa ino ny tombotsoa azon'olo raiky laha mahazo an'izao raha iaby izao,ka bakeo tsobo gnainy? 37 Ino no raha afaky omen'olo raiky hokalogn'ainy? 38 Na ia na ia megnatr Ahy sy gny Safako etoy amy ty taranakin'ny mpanao raty voho gny mpanota ty,dia ho menatry azy koa ny Anakin'olo lafa avy amin'ny vogninahitrigny ny Babany miaraky amy reo Anjely masina I."