Toko faha 12

1 Nanomboky nampianatsy andreo tamin'ny fomba fanohara Jesosy. Hoy I hoe: ''Nisy lehilahy nanao tamim-boaloha boky, nagnisy vala gny magnodidy zay, sady nandavaky fafamiazagna. Namboatsy tilikambo I ary baka eo nampagnofa ilay tanim-boaloboka tamy mpamboly voaloboky. Dia roso nandeha lavitry I bakeo. 2 Tamy fotoa mety, dia nagniraky mpanompo handeha amin'ilay mpamboly voaloboky I mba hangalaky amin-dreo gny sasany amin-dreo izay tokony ho anjarany amin'ny vokatr'ilay tamim-boaloboky. 3 Fa nisamborin-dreo I, novangoagny ary niroasiny tsy handray ndra ino ndra ino. 4 Nagniraky mpanompo hafa koa I handeha amin-dreo agny draiky ka noferin-dreo I tamy lohany ary nalan-dreo baraka. 5 Mbo nandefa hafa draiky I ka dia navonoy ndreo io raiky io.Nataon-dreo nitovy amin'ireo ny maro hafa, novangoagny ny sasany ary novognoigny ireo hafa. 6 Mbo nagna olo raiky hafa hirahy I, dia gny Anakiny teany. I ro farany nalefany tamin-ndreo. Hoy I hoe: ''Mba hagnaja ny Anako lahy reo.'' 7 Kanefa nifampivola ireo mpamboly voaloboky hoe: ''Inty ilay mpandova ka andao ho vonointsika izy, dia ho azontsika ny lova.'' 8 Nosamborin-dreo I ka novognoy ndreobakeo narian-dreo tany ambadikin'ny tamin-boaloboky. 9 Ka ino ro hataon'ilay tompon'ny tanim-boaloboky? Ho avy I ka handravan-dreo mpamboly voaloboky ka hagnome gny tanim-boaloboky ho agny hafa. 10 Tsy novakinareo vasa izao Soratsy Masy izao? Gny vato zay nolavign'ny mpanaon-tragno, ro vatonareo fehizoro. 11 Bakin'ny Tompo izay, ary tsy mahatseriky eo amin'ny masontsika.'' 12 Nila hevitsy hisambora an'i Jesosy reo, fa navozo gny vahoaky, satria hain-dreo fa hanoherana an-dreo ro nivolagnany izay fanohara izay. Ka nangandreo I dia roso nandeha reo. 13 Ka nagniraky gny Fariseo sy Herodiana sasany ha any Aminy mba hamandriky azy reo amin'ny teny. 14 Lafa niavy reo dia hoy reo tamy hoe: ''mpampiagnatsy, hainay fa tsy mivakiloha gny hevitsy gny olo iha, sady tsy maneho fiangara eo amin'ny olo. Mampianatsy marina ny lilin-Dragnahary iha. Magnaraky ny lily moa sa tsia ny mandoa hetra amin'i Kaisara? Tokony handoa hetra va zahay sa tsia?'' 15 Fa hain'i Jesosy gny fiatsarambelatsindreo ka namaly azy reo hoe: Nagnino nareo ro mitsapa ahy? Agnadeso denaria raiky zaho mba hijereko azy.'' 16 Ka nandesan-dreo vola raiky Jesosy. Hoy I tamin-dreo hoe: ''Endrikign'ia toy sary toy?'' Hoy reo hoe: ''An'i Kaisara.'' 17 Hoy Jesosy hoe: Ameo an'i Kaisara zay an'i Kaisara, ary ameo an-dragnahary zay an-dragnahary.'' ka tseriky taminy reo. 18 Bakeo reo sadoseo, novola fa tsy misy ny fitsangagnana amin'ny maty, ka avy teo aminy. Nagnotany azy reo I, nagnao hoe: 19 ''Mpamianatsy ô, nanoratsy zao ho agnay Mosesy hoe: ''Na maty ny rahalahiny lehilahy raiky ka namela valy I, nefa tsy mba nanagnanaky dia tokony hanambaly ilay valim-drahalahy ilay johary, hanana taranaky ho an'ny Johary. 20 Nisy fito mirahalahy; nanambaly voalohany ary maty, tsy namela taranaky. 21 Avy eo nangalaky azy gny faharoa dia maty, tsy nagnajano taranaky, dia torak'izao koa gny fahatelo. 22 Tsy misy nagnajani taranaky i fito. Gny farany tsy mahare lohatsy, faty tokoa lahy njarahy igny. 23 Amigny fitsotahy amigny maty, kanefa lahy hitsotaky amigny maty indray nareo. Ny vola gny valiny hoe? tokony samy hanambady iaby nareo fito miray tampo.'' 24 Nivola Jesosy hoe: Ino gny antony maha-diso hevitra anareo io, tokony ho hainareo na gny Soratry Masy na gny tanjak'Ndragnahary? 25 Tokony lafa mitsotaky amigny fahafatesany izy reo, ka tsy hanambaly na hatolotsy amigny fanambalia, ka hitovy gny anjely agny an-dagnitsy. 26 Ka mihakasika gny amigny fitsotoha gny tegna amigny fahafatesa, tsy nivinakinareo va gny tao amigny bokin'i Mosesy, ao amigny andala mikasiky gny voaroy, gny safan-Dragnahary tamigny fa nivola hoe: ''Zaho ilay Ndragnahary gn'i Abrahama sy Ndragnahary gn'i Isaka sady Ndragnahary gn'i Jakoba? 27 Ia tsy tena Ndraganahary gny fahafatesa, fa agny velo.Sady tena diso gny eritseritrsy nareo.'' 28 Nisy raiky tamindreo mpanora-dalà tamy sady naheno gny safandreo, Jeriny ka novaliany i Jesosy soa reo. Sady magnontanianyt ia hoe: ''Ino gny didy bevata mare aminareo iaby?'' 29 Jesosy namaly hoe: ''gny bevata mare gny hoie: ''Mijanjigna, gny tompo Ndragnaharintsika, nareo Israely, fa raiky gny tompo. 30 Tsy maintsy mitia gny tompo Ndragnahary aminy gny fonao iaby, aminy gny sainao iaby, aminy gny eritreritsao iaby, sy aminy gny herinao iaby. 31 Itay gny didy faharoa: 'Tsy maintsy mitia gny mamanao mitovy gnaminy gny vatanao iha! Tsy hisy didy hafa bevata hihoatsy noho ireo iha.''' 32 Nivola mpanora-dala igny hoe: ''Soa lehy zaho, ho anareo mpampianatsy! Nambaranareo marina fa Ndragnahary lehy raiky avao. 33 Ary tsy hisy olo hafa akoantsiny agny. Ary gny mitia amigny fi iaby sy amigny sainao iaby sy gny herinao iaby, sy gny namanao iaby mitovy amin'ny gnainao, dia soa lavitsy mihoatry gny fanboloranao fanatitry horoa sy gny sorona iaby. 34 Lafa jerin'i Jesosy fa magnome vali-tsafa hendry i, ka nivola taminy I hoe: ''Tsy lavitry gny fanjakan-dragnahary iha.'' Ary tafaran'zay, dia tsy nisy olo nijoro mametraky fagnontania tamin'i Jesosy ihany. 35 Namaly Jesosy, lafa nampianatry tao amin'ny tempoly i, dia nivola hoe: ''Ino moa nambarany mpanora-dalagna fa Kristy dia gnanak'i Davida? 36 Davida vatany, tamin'ny Fanahy Masy, nivola hoe: ''Gny Tompo nivola tamin'ny Tomnpoko hoe: '' Mifitaka eo an-tagnako tombohinao. 37 Davida vatany aza nikaiky azy hoe: ''Tompo; ino lehy ro maha gnanak'i Davida an'i Kristy toy?'' Nijanjy azy taminy hafalia nareo fakonolo mare be toy. 38 Tamin'ny fampianaran'i Jesosy ka nivolagniny hoe: ''Mitahoa nareo amin'ny mpanora-dala ireo, fa izy tia mitsotatsotaky sady manao akanjo lava ary tean'izy ireo gny fandraisa-tagna niazondreo egny ampivarota. 39 Ary tiandreo gny mahazo gny seza voalohany agny amin'ny Synagoga sy gny toera voalohany agny amin'ny fety. 40 Mandrobaky gny tranondreo mavesatry tegna reo, ary manao vavaky lava be mba ho jerin'ny olo. Ireo johary reo dia handray fahameloha bevata mare.'' 41 Tonga teo Jesosy nifitaky nifanandrify gny vatan-drakitra tao amin'ni faritry gny tempoly; nijery ireo olo iaby izay nandatsaky vola tao amin'ny vatan-drakitry. Mpanankana maro ro nandatsaky vola maro dia maro tao. 42 Dia nisy ampela sahira bevoka raiky niavy nandatsaky farantsaky roa, zay kaly variroaventy ohary amin'ny iraimbilanja. 43 Dia nikaiky ireo mpianatry sady hoe i tamindreo hoe: ''Ambarako aminareo marina tokoa, ka ity ampela sahira bevoka ity ro nandatraky maro be mihoatry amin'olo zay nandatsaky vola tao anatiny vatan-drakitry. 44 Tokony gny olo iaby ro hagnome fanagna be dreo. Ka itoy ampela bevoka itoy tokoa. Tamin'ny fahasahiragna, dia nandatsaky gny vola iaby zay satria hivelomany tao.''