Toko faha 6

1 Tandremo tsy hanao gny asan'ny fahamarinanareo eo amason'olo mba ho hita nareo, fa laha izay ro ataonareo tsy hana valim-pitia baka amin'ny Babanareo zay agny an-dagnitry nareo. 2 Ka amin'izao lafa mahaferignay olo iha, ka mitsoky trompetra eo alohanao, manahaky gny ataon'ny mpitsaravelatsihy eo aminy synagoga voho egny andalambe mba hankalazan'olo azy. Safagniko aminareo gny tena marina fa niazony gnazy gny valimpitiany. 3 Fa iha koa, laha mihantra olo, ao mba tsy ho hain'ny tagnanao havia gny ataon'ny tagnanao havagna, 4 mba hatao amingny mangingina gny fiantranao sady gny Babanao izay mahita aminy mangingina ro hamaly anao. 5 Lafa nareo ro mivavaky ka mba manahaky gny ataon'ny mpihatsaravelatsihy, fa I tia mivavaky mitranga eo amigny synagoga voho egny anjoron-dala mba hahitan'olo azy. Safagniko aminareo tena marina fa niazony gnazy gny valim-pitiany. 6 Fa iha koa, lafa mivavaky, milira ao amigny efitragnonao bakeo arindrinao gny varavara dia mivavaky amigny Tompo izay mahita anao aminy mangingina ro hamaly anao. 7 Lafa nareo mivavaky ka misafa maro manahaky gny Jentilisa, fa reo mihevitry hoe: gny hamaroan'ny safa ro hijanjigna azy. 8 Noho izay, ka manao manahaky azy reo, fa gny Babanareo ro fa mahay gny raha izay ialinareo mialoha gny angatahaninareo Aminy. 9 Noho izay mivavaha manahaky izao hoe: "Babanay izay an-danitry agny, ho hamasiny agnie gny agnaranao. 10 Ho avy agnie gny fanjakanao. Hatao agnie gny sitraponao ety an-tany manahaky gny an-danitry agny. 11 Omeo anay zay hany sahaza ho anay. 12 Avotoro gny helokinay, manahaky gny namotoranay zay nimeloky taminay. 13 Ka manday anay ho agny aminy fakam-panahy, fa magnafaha anay amigny raty." [Fagnamariha: Ny dikan-tsafa soa bevata dia manala ny hoe: "Fa Anao ny fanjakana voho ny hery voho ny voninahitsy mandrakizay. Amena."] 14 Laha mamela gny fahadisoan'olo nareo dia mba hamela anareo koa gny Babanareo zay agny an-dagnitry. 15 Fa laha tsy mamela gny fahadisoandreo anareo, dia tsy hamela ny hadisoanareo mihitsy gny Babanareo. 16 Lafa mifaly hany nareo ka manao manahaky gny mpihatsara velatsihy, izay manao soraky raty amin'izay mba ho hitan'olo fa mifaly hany. Volagniko aminareo marina tokoa fa niazony gny valim-pitiany. 17 Fa iha koa lafa mifaly hany, hosoro menaky magnitry lohanao voho sasao soa gny vatanao, 18 mba tsy ho hitan'olo fa mifaly hany iha, fa ho hitan'ny Babanao zay ao amin'gny mangingina sady gny Babanao zay mahita ao amin'gny mangingina ro sady hamaly anao. 19 Ka mihary haregna ho anareo etoy an-tany, zay misy kalalao voho harafesy manimba sady misy mpangalatry mamaky tragno voho mangalatry. 20 Fa miharea harea ho anareo agny an-dagnitry zay tsy misy kalalao na harafesy manimba sady tsy misy mpangalatry mamaky tragno na mangalatry. 21 Fa zay ipetrahany'ny hareanareo ho agny koa fonao. 22 Gny maso ro jiron'gny gainareo, ka amin'izay laha soa gny masonao, ka hazava iaby koa gny gnainao. 23 Fa laha raty masonao ka ho mahiky koa gnainao iaby. Ka laha mahiky gny fahazava ao agnatinao ka tsy gny manao akory koa gny habevatan'gny fahamahizigna. 24 Tsy misy olo mahay manompo tompo roa, fa ho halany gny raiky voho ho tiany gny raiky, na hombany gny raiky voho hohamavoiny gny raiky. Tsy mahay manompo an'Andrianagnahary voho gny harea anareo. 25 Noho zay agnambarako anareo hoe: ka mavozo gny amin'gnainareo amzay hohaninareo na hinominareo na gny amin'gny vatanareo na zay hosikinanareo koa gny vato? 26 Diniho gny voro mitily fa tsy mba mamboly, fa gny Babanareo zay agny an-dagnitry ro mamelo azy. Tsy mihoatry lavitry noho regny va nareo? 27 Sady ia aminareo mahay magnovo gn'andro iainany ndra mbo mavozo aza? 28 Magnino moa nareo ro miahiahy amin'gny fisikina? Diniho soa gny fitirignany hazo agny an-tsaha, tsy mba miasa na mamboly regny. 29 Kanefa volagniko aminareo fa i Solomona tao amigny voninahitriny iaby tsy mba misiky ndra iraiky tamy regny hazo regny. 30 Laha gny hazo agny an-tsaha, zay mbo henaniky io kanefa atao motso avao, ro ampisikinan-Dragnahary sandraky va nareo kely finoa? 31 Ka miahiahy nareo na misafa hoe: ino hohaninay? Na ino hohaninay na hosikinanay. 32 Fa zay iaby izay ilainy gny Jentilisa mare, hainy babanareo zay agnyan-dagnitry fa ilainareo zay iaby zay. 33 Fa hifikiro aloha gny fanjakany voho gny fahamarignany sady I hagnampy anareo amin'izay raha iaby zay. 34 Ka mavozogny aminy hamaray nareo , fa gny hamaray hanahy gnazy. Ampy hoan'gny andro raiky gny raty miseho aminy.