Toko faha 7

1 Ka mitsara mba tsy ho tsarahy koa nareo. 2 Fa araky gny fitsara ataonareo ro hitsara anareo, araky gny refy ataonareo ro handrefesa anareo. 3 Magnino iha mijery gny ravinakata eo amin'gny mason'gny rahalahinao kanefa gny eo amin'gny handrinao tsy hitanao? 4 Sady manao akory gny hisafagnanao amin'gny rahalahinao hoe: ao fa halaiko gny ravin'akata eo amin'gny masonao, 5 kanefa io gny handry eo amn'gny masonao, fa amin'izay vo hitanao soa gny hangalako gny ravin'akata eo amin'gny mason'gny rahalahinao. 6 Ka omea gny alika gny masina sady ka atoraky gny amin'gny kisoa gny vatosoanareo, tsony hagnitraky i ka hifototry, hamiravra anareo. 7 Mangataha fa homea nareo, mila fa hahita nareo, mandondogna fa hosokafa nareo. 8 Fa izay mangataky ro mahazo voho zay mila ro mahita sady zay mandondona ro hosokafa. 9 Fa ia aminareo laha angatahin'gny anaky mofo ka hagnome azy vato? 10 Na koa angatahany fia ka hagnome azy bibilava? 11 Ka ndra raty aza nareo, mahaiza magnome raha soa ho an'gny anakinareo, voamaiky va Babanareo zay agny andagnitry ro hagnome raha soa hoan'gizay mangataky aminy? 12 ka noho zay ndra ino ndra ino ro tianareo hataon'olo aminareo, ataovo aminy koa manahaky an'izay, ka zay ro lalana voho mpaminany. 13 Milira amin'gny varavara toy nareo, fa bevata gny varavara voho malalaky gny lala zay mandea magnagny amin'gny fahavereza ka maro gny militry agny. 14 Fa etoy gny varavara, sady mahifitry gny lala magnagny amin'gny fiaigna ka vitsy ro mahita azy. 15 Mitandrema nareo, tsony ho voafitaky gny mpaminany sandoky zay mandalo aminareo amin'gny fisiky gn'ondry kanefa gny ao agnatiny amboa ly ta hamiravira. 16 Gny vihiny ro ahaiza nareo azy. Mioty voaloboky amin'gny fatiky va gn'olo ro mahazo aviavy amin'gny songosongo? 17 Manahaky an'zay iaby gny hazo , gny hazo soa mamoa vihiny soa fa gny hazo raty mamoa vihiny raty. 18 Gny hazo soa tsy mety mamoy vihiny raty sady gny hazo raty tsy mety mamoy vihiny soa. 19 Gny hazo iaby zay tsy mamoy vihiny soa ro tapahy voho atao agny amin'gny motso. 20 Fa gny vihiny ro ahaizanareo azy. 21 Tsy izay misafa amiko hoe: Tompoko, Tompoko ro hilitry amin'gny fanjaka gny lagnitry, fa zay manao gny sitrapon'gny Babako zay agny an-dagnitry. 22 Maro gny hisafa amiko amin'gny andro zay hoe: Tompoko Tompoko, tsy fa naminany tamin'gny agnaranao va zahay? Tsy fa namoaky devoly tamin'gny agnaranao va zahay? Sady tsy fa nanao asa bevata maro tamin'gny agnaranao va zahay? 23 Hosafagniko aminy marina hoe: Tsy mahay anareo zaho ela zay; miala amiko nareo tsy mpanao gny marina. 24 Ndra ia ndre ia mahakasa gny safako ka magnaraky azy, ka hohariko amin'gny johary manan-tsay I, zay nagnory gny tragnony teo agnabon'gny vatolampy. 25 Lafa latraky ora ka nisy riaky bevata sady nirivodrifotry gny tsioky ka namango an'gny tragno io kanefa tsy nilavo ntragno igny satria fa naory tagnabon'gny vatolampy. 26 Fa izay mahakasa an'ireosakafo reo kanefa tsy magnaraky azy, ka hohariko amin'gny johary adala zay nagnory gny tragnony agnabon'gny fasiky. 27 Lafa latrak'ora ka nisy riaky bevata sady tsioky mare ka namango gny tragnony, ka lavo i sady loza gny faharavany. 28 Vatany vo vitan'i Jesosy zay safagnin'zay, ka tseriky gny fokonolo tamin'gny fampianarany, 29 satria nampianatry andreo sahala gny manam-pahefa I, fa tsy manahaky gny mpanora-dala tamindreo.