Toko faha 16

1 "Nolajaiko taminareo ijane javatre rehetra ijane ba tsy ho solafake anareo. 2 Ho roahin-dreo amin'ny synagoga anareo. Fa avy ny andro raha hihevitre ijay rehetra mamono anareo fa ijy dia manolotre javatre tsara ho an'Andriamanitre. 3 Ho ataon-dreo ijane satria tsy mahalala ny Ray na ny tegnako areo. 4 Nijakaiko anareo igne javatra igne ba raha avy leran-dreo, die ho tsarônareo f'efa nijakaiko taminareo ny momban-dreo. Tsy nijakaiko taminareo igne javatra igne tagne am-pendohana, satria bola teo aminareo Aho. 5 Fa am'ijao ho agne amin'ilay nagnirake an'Ahe Aho, nefa tsy bola nisy nagnotane an'Ahe anareo hoe: " Handeha ho aja moa anao?" 6 Fa satria nolajaiko taminareo igne javatre igne, die nalahelo no nameno ny fonareo. 7 Fa lajaiko marina aminareo, tena tsara hônareo ny handehanako. Satria raha tsy mandeha Aho, die tsy ho avy aminareo ny Mpampahere, fa raha mandeha Aho, die handeha an'Aje ho aminareo. 8 Raha avy ijy, die hagnaporofo amin'ijao tontolo ijao ho diso momban'ny fahotana, ny fahamarinana, ary ny fitsarana__ 9 momban'ny fahotana mpampahere, satria tsy mino an'Ahe areo; 10 momban'ny fahamarinana, satria hody amin'ny Ray Aho, ka tsy ho hitanareo koa; 11 ary momban'ny fitsarana, satria ny mpanapaka ijao tontolo ijao die nitsaraina. 12 Managna javatre maro hambara aminareo Aho, fa tsy ho ajonareo ny hevitr'ijane ijao. 13 Kanefa, raha avy ijy, Fagnahin'ny fahamarinana, die hitarike anareo ho amin'ny fahamarinana rehetra, satria tsy hijaka avy amin'ny tegnane ijy. Fa hilaja ijay rehetra regnine ijy, ary hijaka aminareo io javatre ijay ho avy. 14 Hagnome voninahitre an'Ahe ijy, satria ny avy amin'Ahe mandy no hijakaine aminareo. 15 Ijay rehetre anagnan'ny Ray die an'Ahe. Noho ijane, nijaka Aho fa ilay Fagnahy die hangala amin'ijay an'Ahe ary hijaka an'ijane amin-dreo. 16 Afake fotôgna fohike die tsy hahita an'Ahe koa anareo, ary afake fotôgna fohike hafa die hahita an'Ahe indraike anareo." 17 Avy eo ny sasagne tamin-dreo mpianane nifampiresake hoe: " Ino ary ijane lajaine amin-tsena ijane hoe: 'Afake fotôgna fohike die tsy hahita an'Ahe koa anareo ary afake fotôgna fohike die hahita an'Ahe indraike anareo,' sy hoe: 'Satria ho agne amin'ny Ray Aho?" 18 Noho ijane die hoy areo hoe: "Ino ary ijany lajaine ijane hoe: 'Afake fotôgna fohike'? Tsy fantatray ny tiene hambara." 19 Hitan'i Jesôsy fa te-hagnotane an'Aje areo, die hoy ijy tamin-dreo hoe: " Ijao ve no agnotanenareo tegna, die ny tieko hilajaina amin'ny fijakana hoe: ' Fotôgna fohike sy tsy hahita an'Ahe koa anareo, ary afake fotôgna fohike indraike nefa die hahita an'Ahe anareo'? 20 Lajaiko aminareo, marina die marina tokôtre, fa hitomagny anareo ary hitaraigna, fa ijao tontolo ijao koja hifale. Ho feno alahelo anareo, kanefa ho lasa hafalena ijane alahelonareo ijane. 21 Raha mihetsi-jaja ny viave raike die malahelo satria avy ny fotôgnane, fa raha terake koja ilay jajakele, die tsy tsarône koa ny alahelone nohon'ny hafalene fa nisy jajakele terake eo amin'ijao tontolo ijao. 22 Ka malahelo anareo amin'ijao, kanefa Aho bola hihaogna aminareo indraike, ary ho fale ny fonareo, ary tsy hisy hangala ijane hafalenareo ijane aminareo. 23 Amin'ijane andro ijane die tsy hangatake amin'Ahe na ino na ino anareo. Lajaiko aminareo, marina, die marina tokôtre, raha mangatake na ino na ino amin'ny Ray amin'ny agnarako anareo, die hamene anareo ijane. 24 Hatramin'ijao anefa tsy bola nangatake na ino na ino tamin'ny agnarako anareo. Mangataha, die homena anareo ba ho feno ny hafalenareo. 25 Efa nilajaiko taminareo tamin'ny fagnoharana ireo javatre ireo, fa avy ny lera rehefa tsy hivoria aminareo amin'ny fagnoharana koa Aho, nefa koja hilaja aminareo majava ny momban'ny Ray. 26 Amin'ijane andro ijane die hangatake amin'ny agnarako anareo ary tsy hilaja anareo Aho hoe: hivavaka amin'ny Ray ho anareo, 27 fa ny Ray mihintsy no tia anareo satria nitia an'Ahe anareo ary nino fa avy agny amin'ny Ray aho. 28 Avy amin'ny Ray Aho, ary avy teto an-tane. Fa handao ijao tontolo ijao Aho ary ho agny amin'ny Ray." 29 Hoy ny mpianany tamin'ajy hoe: " Jahao, Amin'ijao Anao mijaka majava tsara ary tsy mampiasa fagnoharana. 30 Fantatray amin'ijao fa mahalala ny java-drehetra Anao, ary tsy misy tienareo hametraka fagnotaniena aminao. Noho ijany, die mino ahay fa avy amin'Andriamanitra Anao." 31 Namaly an-dreo Jesôsy hoe: " Mino amin'ijay ve anareo? 32 Indro, avy jao ny lera, Eka, tonga tokôtra, laha efa hiparitaka anareo, ny tsirairay samy agny amin'ny tragnony aby manokagna, die havelanareo rery Iaho. Nefa tsy irery Iaho satria miaraka aminahy ny Ray. 33 Efa nijakaiko taminareo ireo raha ireo ba hanagna fedagnana ato amin'ahy anareo. Managn'olagna anareo eto amin'ijao tontolo ijao, nefa mahereja: "efa nandresy ijao tontolo ijao Iaho."