Toko faha 15

1 ''Iaho no tena vôloboka, ary ny Raiko no mpamboly. Alainy tato Aminahy ny sampagna manontolo 2 ijay tsy mamoa vônkajo, ary rantsagniny ny sampagna ijay mamokatra ba hamoa vônkajo rahabe kokoa ijany. 3 Efa madio anareo noho ilay hafatra ijay nijakaiko taminareo. 4 Mitoboha ato Aminahy, ary Iaho ao aminareo. Tahaka ny sampagna tsy afaka mamokatra vôkanjo amin'ny tegnany laha tsy mitoboka ao amin'ny vôloboka ijany, die hôtrany ijany koa anareo, laha tsy mitoboka ao Aminahy. 5 Ijao no vôloboka, anareo no sampagna. Ijay mitoboka ato Aminahy, ary Iaho ao aminajy, die mamokatra be ijy, fa laha tsy misy anahy die tsy mahavita na ino na ino anareo. 6 Laha misy olo tsy mitoboka ao Aminahy, die hariena hôtran'ny sampagna ijy ary halajo, ary ijy ireo mamory ireo sampagna ary magnary an'ijany agny amin'ny afo, ary may ijy ireo. 7 Laha mitoboka ao Aminahy anareo, ary laha mitoboka ao aminareo ireo ny jakako, angatahy na ino na ino irinareo, die hatao aminareo ijany. 8 Ny Raika die omen-boninahitra amin'ijao, die ny hamokaranareo vôkanjo rahabe ka ho famantarana fa mpianatro anareo. 9 Hôtra ny nitiavan'i Ray Anahy, no nitiavako anareo. Mitomoera ao amin'ny fitiavako. 10 Laha mitandrigna ireo didiko anareo, die hitoitra ao amin'ny fitiavako, hôtra ny nitandremako ireo didin'ny Raiko sy nitoerako tao amin'ny fitiavany. 11 Nilajaiko aminareo ireo raha ireo ba ho ao aminareo ny fifaleko ary ba ho feno ny fifalenareo. 12 Ijao no didiko, die ny hifakatiavanareo hôtran'ny nitiavako anareo. 13 Tsy misy managna fitiavana lehibe mihôtra Anahy, die ny magnome ny aigny hôn'ireo sakejany. 14 Akamako anareo laha magnano ireo raha andidieko anareo ireo. 15 Tsy hangaika anareo hoe mpanompoko koa Aho, satria ny mpanompo die tsy mahalala ijay amboarin'ny Tompony. Nangihiko hoe akamako anareo, satria ny raha manontolo ijay regniko tamin'ny Raiko, die nampahalalaiko anareo. 16 Tsy nifidy Anahy anareo, fa Aho no nifidy anareo ary nanendry anareo ba hamokatra, ary ba tokony hiperaka ny vokatrareo. Namboarina ijany ba na ino na ino angantahinareo amin'ny Ray amin'ny agnarako, die hameny anareo ijany. 17 Io raha io no andidieko anareo ba hifakatiavanareo. 18 Laha tsy tia anareo ijao tontolo ijao, fantary fa nankahala Anahy ijy talohan'ny tsy nitiavany a areo. 19 Laha avy ami'ijao tontolo ijao anareo, die ho tien'ijao tontolo ijao hôtran'ny anajy anareo. Fa satria tsy an'ijao tontolo ijao anareo ary nifidiko hiala amin'ijao tontolo ijao, noho ijany die halain'ijao tontolo ijao anareo. 20 Tadidio ny jaka nijakaiko taminareo hoe: "Ny mpanompo die tsy lehibe mihôtra ny Tompony.' Laha nagnenjika Anahy ijy ireo, die gagnénjika anareo koa; ary laha nitandrigna ny jakako ijy ireo, die hitandrigna nenareo koa. 21 Hagnano ireo raha manontolo ireo aminareo ijy ireo nohon'ny Agnarako, satria tsy fantatrandreo Ijy ijay nagniraka Anahy. 22 Laha tsy avy sy nijaka tamindreo Aho, die tsy ho nagnota areo, fa ankehitriny tsy afa-miala amin'ny fahotany ijy ireo. 26 Laha efa ho avy ilay mpampahery ijay hirahiko aminareo avy amin'ny Ray, ilay, fagnahin'ny fahamarinana, ijay mivôka lahatamin'ny Ray, die hajaka ny mahakasika Anahy Ijy. 27 Anareo mandy koa die mijoro vavolombelogna satria efa niaraka taminahy hatragny am-pedohana anareo.