Toko 1

1 Paoly, mpanompon'ny Jesosy Kristy, de vôantso ho apostoly ary vôtokana ho mpitory ny filazantsaran'Andriamanitra. 2 Io le filazantsara ze nampagnantenainy melôa tamin'ny alalan'reo mpaminagny takao ami'Soratra Masina. 3 Zany de ny momba ny Zanagny leila, ze teraka avy amin'ny taranak'i Davida araka ny nofo. 4 fitsanganany tamin'ny maty, de vômbara ho le Zanaka maherin'Andriamanitra tamin'ny herin'ny Fagnan'ny famasinana Izy de Jesosy Kristy Tompontsika. 5 Taminy alalany no nandraisantsika fahasoavana sy ny maha-apostoly amin'ny fankatoava ny fignona akeo amin'ny firenena daôly noho ny Agnarany. 6 Ami'reo firenena reo, anareo iany kô de vôantso ho an'i Jesosy Kristy. 7 Ity taratasy ty de ho an'nareo daôly akao Rome, ze malalan'Adriamanitra, ze vôantso ho ôla-masina. Oaminareo ané ny fahasoavana, sy fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 8 Vôlôny, isôrako Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy noho ny aminareo daôly, satry ny fignonareo dia efa nambara magneragna an'zao tontolo zao. 9 Fa Andriamanitra no vavolombeloko, ze tompòko akao amin'ny fagnako akao amin'ny filazantsaran'ny Zanagny, fa tsy mijanona miresaka an'reo Aminazy Za. 10 Mangataka fôgna za amin'ny vavaka ataoko sy mba aombiazako amin'ny fomba daôly araka ny sitrapon'Andriamanitra mba ho tonga aminareo. 11 Fa za de magniry ny atazana an'nareo, mba afako magnome fasoavam-pagna sasantsasagny oan'nareo mba ampaery anareo. 12 Zany, de magniry anà ny mba ifampaerezantsika aketo agnivontsika, amin'ny alalan'ny finôn'ny tsiraikaraika avy, ny an'nareo sy ny anà 13 Izao tsy teko anareo tsy oafatatra, ry ralà, hoe matetika za no managna fikasana hagnantogna an'nareo, (nefa za de vôsakana mandrak'zao), mba azaôna vokatra aminareo, sahala ny efa nazaôko ny ambin'reo jentilisa iany kô. 14 Za de mpitrosa amireo Grika sy reo vahiny, amin'ny endry sy ny adala. 15 Noho zany, aminà, de vonona iany kô za itory ny filazantsara ho anareo ze aigny Roma. 16 Fa za de tsy megnatra amin'ny filazantsara, fa zany no erin'Andriamanitra ho famonjena reo daôly ze mino, ho an'ny Jiosy alô ary ho an'ny Grika. 17 Fa amin'izany no aneona ny fahamarinan'Andriamanitra avy amin'ny fignona ho amin'ny fignona, araka ze vôsoratra hoe: " Ny marina de hovelona amin'ny fignona." 18 Fa ny fahatezeran'Andriamanitra de naseo avy aigny an-dagnitra manoitra ny aratsem-panahy sy ny tsy fahamarinan'ny ôla, ze magnaraka ny fahamarinana avy amin'ny alalan'ny tsy fahamarinana. 19 Zany de satry ze fantatra momban'Andriamanitra de itan'jareo maso. Fa noazavain'Andriamanitra zareo 20 Fa reo endrigny ze tsy ita maso, zay eriny tsy misy fetra sy maha-Andriamanitra an'Azy, de ita mazava tsara, nentomboka tamin'ny famoronana an'zao tontolo zao, tamireo ra ze noforonina. Noho zany de tsy managna fialan-tsiny izy reo. 21 Zany de satria,na de efa nahafantatra ny momban'Andriamanitra aza zareo, de tsy nanome voninahitra amin'ny maha Andriamanitra Azy, na kô nisôtra Azy. Fa kosa, lasa adala takao an-tsainy izy reo, ary nihamaizina ny fo donton'izy reo. 22 Zareo de nilaza an'jareo ho hendry, kanefa de niha-lasa adala. 23 Ny voninahitran'Andrimanitra tsy mety lo de natakalon'jareo sarin'endrik'olombelona mety lo, vorona, biby manan-tongotra efatra, sy reo ra mikisaka. 24 Noho zagny de natolotr'Andriamanitra ho amin'ny filan'jareo ho amin'ny fahalotoana zareo, mba ho afa-boninahitra takeo amin'jareo ihany ny tenan'jareo. 25 Zareo no nankalo ny fahamarinan'Andriamanitra tamin'ny laiga, ary zay midera sy manompo ny zava-boary fa tsy le Nahary, zay deraigna mandrakizay. Amena. 26 Noho zany, natolotr'Andriamanitra ho amin'ny filan-dratsy mamôfady zareo, fa reo veivan-jareo de natakalon-jareo fifandraisana vôjagnahary tamin'ireo tsy vôjagnahary. 27 Sahala am'zany kô, reo leilà de namela ny fifandraisan-jareo vôjangnahary miaraka amin'ny veivavy ka nampiretin'ny filàna ara-nofo zareo samy zareo. Reo de leilà ze nagnano fietsika mahamegnatra miaraka amin-deilà ary nandray takao amin-jareo ny sazy ze mendrika an'azy reo noho ny fahavetavetaan-jareo. 28 Satria tsy nagneky ny hanagna an'Andriamanitra ao amin'ny fieritreretany zareo, de nameny saigna tsy madio zareo, mba hagnanôvana reo ra ze tsy manjary. 29 Zareo reo de tototry ny tsy fahamarignana, faharatsena, fitsiriritana, ary lolom-po daôly. Zareo reo de feno fialôgnana, famonôna, fifamalena, fitaka, ary teti-dratsy. 30 Zareo de mpifôsa, mpanendrikendrika, ary te an'Andriamanitra. Zareo reo de mahery setra, miavogna, ary mieboebo. Zareo reo de mpamôrogna ra tsy manjary, ary zareo reo de manaja ny ray aman-dreniny. 31 Zareo reo de tsy magnana fahalalana, zareo de tsy azo antoka, stoisy fitiavgna vôjanahary, ary tsy mamindea fô, 32 Hain-jareo ny lalàn' Andriamanitra, fa zareo de magnano ra sahala amin'zany , de mendrika ny fahafatesagna. Fa tsy reo ra reo ihany no ataony, fa magneky reo hafa ze magnano reny kô