Toko faha 3

1 Tam'zany andro zany de nande nitory taigny agn'efitr'i Jodia Jaona mpagnano Batisa magnano hoe: 2 "Mibebaha, f'efa ankeky ny fanjakan'ny lagnitra." 3 Fa izy no le nolazain'Isaia mpaminagny, magnano hoe: "Misy feo raika magnantso mafy aigny agn'efitra magnano hoe: "Amboary ny lalan'ny Tompo, ahitsio ny lalany." 4 Ary Jaona nitafy volon-drameva sy nagnano fekibo hoditra tamin'ny andilagny. Valala sy tintely remby no nataony fohanina. 5 Ary Jerosalema, Jodia manontolo, sy ny faritra daôly magnodidigna ny reniranon'i Jordana de nagnantogna an'azy. 6 Nataony batisa taigny amin'ny reniranon'i Jordana zareo, rafa nagneky ny fahotany. 7 Fa nony natazagna reo Fariseo sy Sadiseo maro ngnantogna an'azy mbô atao batisa izy, de ozy tamin-jareo hoe: "Ry taranaka menaragna feno pozina, iza no nampitandrina an'nareo hilefa ny fahatezerana ho avy? 8 Mamoaza voa mendrika ny fibebana. 9 Ary aza misaina ny hilaza anakam-po hoe: "Managna an'i Abrahama ho rainay zahay." Fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra de mavita manangana zanaka ho an'i Abrahama na de avy am'reto vato reto aza. 10 Ary efa napetraka akeo ambody kakazo ny famaky. Ka reo kakazo daôly ze tsy mamoa voa tsara de ho tapàna ary atsipy aigny anaty afo. 11 Magnano batisa an'nareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana za. Fa mahery noho za Izy ze tonga avy afarako, ary za de tsy mendrika na de hitondra ny kapany aza. Hagnano Batisa an'nareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo Izy. 12 Efa aigny an-tagnany ny fikororohany mbô hagnadiovana ny famolôany ary hagnangonana ny variny ho aigny am-bolo-vary. Fa Izy de handoro reo ofoka amin'ny afo ze tsy mety maty." 13 Avy akeo Jesosy avy taigny Galilia ka tonga takeo amin'ny reniranon'i Jordana mbô hataon'i Jaona batisa. 14 Nefa i Jaona de niezaka nanakana an'Azy, magnano hoe: "Za no tokony ataonao batisa, nefa Anao ndre ma no magnantona anà?" 15 Jesosy namaly ary nitare tamin'azy hoe: "Ekeo zany am'zao fotôna zao, fa zao no manjary amin-tsika hatanteraka ny fahamarinana daôly." Avy akeo Jaona naneky an'Azy. 16 Nony vita batisa Izy, de nitsangana avy tao agnaty rano avy hatrainy Jesosy, ary indro, nisokatra tamin'Azy ny lagnitra. Tazany ny Fanahin'Andriamanitra nidigna salan'ny voromelala ary nankeo amboniny. 17 Ary indro, nisy feo avy aigny an-dagnitra nagnano hoe: "Ty no Zanako malalako. Ze sitrako ndrindra."