Toko faha 2

1 Tafaran'ny nahateran'i Jesosy takao Betleheman'i Jodia tamin'ny andron'i Heroda mpanjaka, de tonga takao Jerosalema reo leila magnam-palalana avy aigny atsinana nitare hoe: 2 "Aiza Izy ze teraka ho Mpanjakan'ny Jiosy? Naita ny Kintany avy eigny atsinanana zahay ary tonga mba hidera an'azy." 3 Rafa nareigny zany i Heroda mpanjaka, de nihorohoro izy, sy i Jerosalema magnontolo niaraka taminy. 4 Nindesin'i Heroda niaraka ny lohan'ny mpisorogna daôly sy ny mpanora-dalànan'ny ôla, ary nagnotany an'jareo izy hoe: "Aiza no hateran'i Kristy?" 5 Nitare taminy zareo hoe: "Akao Betleheman'i Jodia, fa zao no vôsoratry ny mpaminagny hoe: 6 Fa enao, Betlehema, aigny amin'ny tanin'ny Joda, de tsy kely indrindra am-reo mpitondran'i Joda, fa avy aminao no hatongavan'ny mpananpaka ze hiandry ny ôloko Israely." 7 Ary nagnantso mangingina reo leila magnam-palalana i Heroda mba hagnotany an'jareo mazava tsara ny fotôgna nibôgnan'le kintana. 8 Nalefany taigny Betlehema izy reo, magnano hoe: "Mandeana ary fotory tsara ny am-le zaza. Rafa hitanareo izy, de taravo za, mba afako mankeigny iany kô ka hidera an'azy." 9 Tafaran'ny nandreignesan-jareo ny mpanjaka, de nande tamin'ny lalany izy reo, ary ny kintana ze hitan-jareo teigny atsinanana no nialô an'jareo mandra-pijanony takeo ambonin'ny tôrana nisy le zaza. 10 Rafa natazagna ny kintana zareo, de tegna faly be. 11 Niditra takao am-le trano zareo ary natazana ny zaza niaraka tamin'i Maria reniny. Nekoka sy nidera an'azy zareo. Nagnokatra ny fitoeran-kareny zareo ary nanolotra fagnomezana volamena, dintin-kazo magnitra, ary miora ho an'azy. 12 Nampitandrina an'jareo tamin'ny nofy Andriamanitra mba tsy hiverigna aigny amin'i Heroda, ka lalana hafa no nandehan-jareo namonjy ny fireneny avy. 13 Rafa lasa zareo, de nisy anjelin'ny Tompo nibôgna tamin'i Josefa tamin'ny alalan'ny nofy ary nitare hoe: "Mifoaza, ndeso ny zaza sy ny mamany, ary milefasa aigny Egypta. Mipetra aigny mandra-pilazako aminao, fa i Heroda de mitady le zaza mba hamonoana an'azy." 14 Ny alin'iny Josefa de nifô ary nitondra ny zaza sy ny mamany ka nankegny Egypta. Nipetra taigny izy mandra-pafatin'i Heroda. 15 Zany de nanantateraka ze nambaran'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminagny hoe: "Nantsoiko hiala taigny Egypta ny zanako." 16 Avy akeo Heroda, rafa naita fa vôfitak-reo leila magnam-palalana, de tezitra mafy. Naniraka sy nampamono ny zazalà daôly ro taona no midigna ze takao Betlehema sy takao amin'ny faritra daôly iny izy, araka ny fotôgna ze nofotorany mazava tam-reo leila magnam-palalana. 17 Avy akeo de tanteraka ny teny ze notenenina tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminagny hoe: 18 "Nisy feo reigny takao Rama, fitomagnena sy fisaonam-be, mitomany nony amin'ny zanany i Rahely, ary tsy nagneky ny ho ampanginina izy, satria efa lasana izy reo." 19 Rafa maty i Heroda, indro, nisy anjelin'ny Tompo nibôgna tamin'ny Josefa taigny Egypta tamin'ny nofy ary nitare hoe: 20 "Mifoaza ary ndeso ny zaza sy ny mamany ka mandana aigny amin'ny tanin'Israely, fa efa maty reo ze nifofo ny aign'ny zaza." 21 Nifô Josefa, ndesiny ny zaza sy ny mamany, ary nande taigny amin'ny tanin'Israely. 22 Fa rafa reigny fa i Arkelaosy no nanjaka taigny Jodia namdimby an'i Heroda dadany, de natatra ny ho aigny izy. Tafaran'ny nampitandreman'Andriamanitra an'azy tamin'ny nofy, de nifindra nankeigny amin'ny faritr'i Galilia izy 23 ka nande ary nipetraka takao amin'ny tanàna antsovina hoe Nazareta. Zany de natanteraka ze vôlaza tamin'ny alalan-reo mpaminagny hoe: "Nazarena no agnantsona an'azy."