Toko faha 22

1 Ary efa antomotra ny Firavoravoana amin'ny mofo tsisy masirasira, ze antsovina hoe Paska. 2 Niady hevitra reo lôhan'ny mpisorogna sy reo mpanora-dalàna ny amin'ny fomba afahan-jareo mamono an'i Jesosy, satria natatra ny ôla zareo. 3 Avekeo Satana niditra tamin'i Jodasy Iskariota, ze raika tam'reo rombefolo. 4 Jodasy nande nankaigny am'reo lôhan'ny mpisorogna sy reo kapiteny ary niady hevitra tamin-jareo ny amin'ny fomba hamadihany an'i Jesosy akeo amin-jareo. 5 Faly zareo, ary naneky ny hagnome vola an'azy. 6 Naneky izy, ary niandry kendry tohana mbô hagnolorany an'Azy akeo amin-jareo lavitry ny vahôka. 7 Tonga ny andron'ny mofo tsisy masirasira, ze tsy maintsy hagnanôvana sorogna ny zanak'ondrin'ny Paska. 8 Jesosy nagniraka an'i Petera sy Jaona, nagnano hoe: "Mandiana ary homagno ho antsikana ny sakafon'ny Paska, mbô afahantsika mihinana an'zany." 9 Zareo nagnontay an'Azy hoe: "Aiza no tenao hagnanôvanay ny fagnomanana?" 10 Namaly an-jareo Izy hoe: "Tandrigneso, rafa miditra ny tanàna anareo, de hisy leila raika mitondra sinin-dragno hifanena aminareo. Magnarà an'azy aigny am'ze tragno idirany. 11 De tineno ny tompon-tragno hoe: "Ny Mpampianatra milaza aminao hoe: "Aiza ny efi-tragno fandraisam-bahiny, ze hihinanako ny sakafon'ny Paska miaraka am'reo mpianatro?" 12 Izy hagnatoro an'nareo efitragno agnambon-dregna geda misy fanaka. Ataovy akao ny fagnomagnana." 13 Ka de nnde zareo, ary natazagna ny ra daôly araka ze nokoragniny tamin-jareo. Ary nagnomana ny sakafon'ny Paska zareo. 14 Rafa tonga ny fotôna, de nipetraka niaraka tam'reo Apostoly Izy. 15 De nitare tamin-jareo Izy hoe: "Nagniry mafy ny hihinana ty Paska ty miaraka aminareo Za melôhan'ny hijaleko. 16 Fa lazaiko aminareo, tsy hihinana an(ty tsony Za, mandra-patanterak'zany aigny amin'ny fanjakan'Andriamanitra." 17 De nandray kapôka Jesosy, ary rafa nisaotra Izy, de nagnano hoe: "Raiso ty, ary zarao aminareo. 18 Fa lazaiko aminareo, tsy hisotro ny vokatry ny vôloboka tsony Za, mandra-patongan'ny fanjakan'Andriamanitra." 19 De nandray ny mofo Izy, ary rafa nisaotra, de notapahiny zany, ary nameny an-jareo, de nitare hoe: "Ty ny vatako ze amena ho an'nareo. Ataovo zao ho fatserovana Anà." 20 Noraisiny salan'zany kô ny kapôka rafa vita ny sakafo, de ozy hoe: "Ty kapôka ty de le fanekena vaovao amin'ny ràko, ze narotsaka ho an'nareo. 21 Fa mitandrema. Le raika ze hamadika Anà de miaraka Aminà aketo an-databatra. 22 Fa ny Zanak'Ôla de mande tokoa araka ze vôtendry. Fa loza ho an'ze leila ze hamadika an'Azy zany!" 23 Nagnomboka nifampagnontany zareo ny amin'ny raika amin-jareoo ze mety hagnano zany. 24 De nisy fifandirana nitranga kô takeo amin-jareo momba ze heverina ho lehibe ndrindra amin-jareo. 25 Nitare tamin-jareo Izy hoe: "Reo mpanjakan'ny Jentilisa de tompon-jareo, ary ze managna faefana amin-jareo de atao ho ôtran'reo ze magnano tsara ho an'ny vahôkany. 26 Fa tsy ôtran'zany mitsy ny aminareo. Mifagnohitra am'zany, ôka ze lehibe ndrindra aminareo ho lasa ôtran'ny kely ndrindra, ary ôka ze manan-danja ndrindra ho tonga salan'ze magnompo. 27 Fa iza no lehibe kokoa, ze mipetraka amin'ny latabatra, se ze magnompo? Tsy ze mipetraka akeo amin'ny latabatra ma? Kanefa Za aketo aminareo ôtran'ny raika ze magnompo. 28 Fa anareo no ôla ze nanohy niaraka taminà takao amin'ny fakam-panahy nianjady taminà. 29 Ameko fanjakana anareo, salan'ny Raiko kô ze nagnome fanjakana Anà, 30 mbô ho afaka hihinana sy hisotro akeo an-databatro aigny amin'ny fanjakako anareo, ary hipetraka akeo amin'ny seza fendrianana hitsara ny fokon'ny Israely rombefolo anareo. 31 Simona, Simona, mitandrema, mikaraka ny hahazo an'nareo Satana,mbô afahany manivana an'nareo ôtran'ny vary. 32 Fa nivavaka ho an'nao Za, mbô tsy ho faty ny finoanao. Afaran'ny hiverenanao ndre, de ampaherezo reo ralahinao." 33 Petera nitare tamin'Azy hoe: "Tompo, vonona hiaraka Aminao za na aigny am-ponja na ho aigny amin'ny fafatesana." 34 Jesosy namaly hoe: "Taraviko aminao, ry Petera, tsy haneno ny akoho am'zay andro zay, melôhan'ny handavanao Anà intelo hoe mafantatra Anà anao." 35 De nitare tamin-jareo Jesosy hoe: "Rafa nandefa an'nareo tsy niaraka tamin'ny fitôram-bola, kitapom-batsy, na kiraro Za, nisy ra tsy ampy an'nareo ma?" Namaly zareo hoe: "Tsisy." 36 De nitare tamin-jareo Izy hoe: "Fa zao, ze managna fitôram-bola, ôka izy hiaka an'zany, na kitapom-batsy iany kô. Ze tsy managna sabatra de tokony hivarotra ny lambany ary hividy raika. 37 Fa Za mitare aminareo, ze vôsoratra momba Anà de tsy maintsy tanteraka: "Izy de noraisina ôtran'ny raika am'reo tsy magnara-dalàna." Fa ze nolazaina melô momba Anà de efa ho tanteraka." 38 De nitare zareo hoe: "Tompo, jereo! Reto misy sabatra roey." Izy nitare tamin-jareo hoe: "Ampy zay." 39 Tafaran'ny sakafo, de nande Jesosy, ôtran'ny fanaony matetika, taigny an-tendrombohitr'Oliva, ary nagnaraka an'Azy reo mpianatra. 40 Rafa tonga zareo, de Ozy tamin-jareo: "Mivavaha mbô tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy." 41 Niala takeo amin-jareo teo ho eo amin'ny indray mitora-bato Izy, de nandongalika Izy ary nivavaka, 42 nagnano hoe: "Ray ô, raha sitrakao, de esory ty kapôka ty. Na zany aza tsy ny sitrako, fa ny An'nao no hatao." 43 De nisy anjely avy aigny n-dagnitra nibôgna tamin'Azy, nampahery an'Azy. 44 Takao agnatin'ny fangirififiana, nivavaka tamin-kafanam-po mafy kokoa Izy, ary ny hatsembôny de lasana ôtran'ny rà nitate tamin'ny tany. 45 Ary rafa nitsangana avy nivavaka Izy, de nankaigny amin'ny mpianatra, ary natazagna an-jareo natory nohon'ny alahelon-jareo, 46 ka nagnontany an-jareo hoe: "Magnino no matory anareo? Mitsangàna ary mivavaha, mbô tsy hidiranareo amin'ny fakam-pagnahy." 47 Raha mbôla nitare Izy, indro nisy vahôka nibôgna, niaraka tamin'i Jodasy, raika am'reo rombefolo, nitarika an-jareo. Nanakeky an'i Jesosy izy mbô hagnoroka an'Azy, 48 fa Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Jodasy, mamadika ny Zanak'Ôla amin'ny oroka ma anao?" 49 Rafa natazagna ny ra nitranga reo ze nagnodidina an'i Jesosy, de nitare zareo hoe: "Tompo, tokony hamely amin'ny sabatra ma zahay? 50 Avekeo ny raika tam'reo namely ny mpanompon'ny mpisorognabe, ary nagnapaka ny sofigny havagnana. 51 Jesosy nitare hoe: "Ampy zay!" Nokasihiny ny sofogny, ary nositragniny izy. 52 Jesosy nitare tamin'ny lôhan'ny mpisorogna, tam'reo kapitenin'ny tempoly, ary tam'reo lôholona ze tonga hagnohitra an'Azy hoe: "Tonga ôtran'ny hisambotra mpangalatra ma anareo, miaraka amin'ny sabatra sy langilangy? 53 Taminà niaraka taminareo isan'andro takao an-tempoly, tsy nisambotra Anà anareo. Fa zao no oranareo, sy ny fahefan'ny haizigna." 54 Takeo am-pisamborana an'Azy, de notarihin-jareo Izy, ary nentin-jareo taigny an-dragnon'ny mpisorognabe. Fa Petera nagnaraka avy taigny lavidavitra. 55 Rafa avy nampietra afo takeo ampovôn'ny tokontany ary niara-nipetraka zareo, de nipetraka takeo ampovôn-jareo Petera. 56 Nisy mpanompo vavy raika natazagna an'azy raha nipetraka takeo amin'ny fazavan'ny afo izy, ary nijery mahitsy an'azy sy nitare hoe: "Ty leila ty kô niaraka tamin'Azy." 57 Fa Petera nandà an'zany, nitare hoe: "Ry vevavy, tsy fantatro Izy." 58 Afaka kelikely de nisy ôla hafa natazagna an'azy, ary nitare hoe: "Anao kô raika amin-jareo." Fa Petera nitare hoe: "Ry leila, tsy izy za." 59 Nony afaka adiny ray teo ho eo de nisy leila hafa nagnizingizigna sy nitare hoe: "Marina fa niaraka tamin'Azy kô ty leila ty, fa izy de Galiliana." 60 Fa Petera nitare hoe: "Ry leila, tsy fantatro ze tineninao." Teo no ho eo, raha mbôla nitare izy, de nisy akoho nagneno. 61 Nitodika, ny Tompo nijery an'i Petera, ary Petera nahatsiaro ny tenin'ny Tompo, tamin'ny nitinenany tamin'azy hoe: "Alôhan'ny hagnenon'ny akoho gniany de handà Anà intelo anao." 62 Nivôka taigny avelagny Petera ary nitomagny mafy. 63 Ary reo leila niambina an'i Jesosy de nagnanihany ary nikapoka an'Azy. 64 Nasin-jareo sarogna Izy ary nagnontany an'Azy zareo, nitare hoe: "Maminagnia! Iza le ôla ze mikapoka An'nao?" 65 Nitare ra hafa maro hagnohitra an'i Jesosy zareo, niteny ratsy an'Azy. 66 Raha vao nazava ny andro, de niara-niangona reo lôholona, ny lôhan'ny mpisorogna sy ny mpanora-dalàna. Nentin-jareo taigny amin'ny Synedriona Izy 67 ary nitare hoe: "Raha Anao no Kristy, de tineno aminay." Fa Izy nitare tamin-jareo hoe: "Raha ho tineniko aminareo, de tsy hino anareo," 68 ary raha hagnontany an'nareo Za, de tsy hamaly anareo. 69 Fa magnomboka zao, ny Zanak'Ôla de hipetraka akeo an-tagnana an-kavagnan'ny herin'Andriamanitra." 70 Izy daôly nitare hoe: "De Zanak'Andriamanitra zany Anao?" Jesosy nitare tamin-jareo hoe: "Vôlazanareo fa Za no Izy." 71 Zareo nitareo hoe: "Magnino no mbôla mila vavolombelona tsikana? Fa tsika mitsy no naregny avy tamin'ny vavany."