Toko faha 21

1 Jesosy nanipy ny masony ka natazagna reo leila manan-karena ze nandrotsaka ny fagnatitr'jareo tao amin'ny fandatsan-drakitra. 2 Natazagna mpitondra-tegna mahantra raika nandrotsaka farantsa rôy tao Izy. 3 Ka ozy Izy hoe: "Lazaiko marina aminareo, ty mpitondra-tegna mahantra ty de nandrotsaka betsaka no izy daôly. 4 Reo daôly reo de nagnome fagnatitra araka ny haben'ny hareny. Fa ty mpitondra-tegna ty, tamin'ny fantrany, de nandrotsaka ny fivelomany daôly." 5 Raha nisy betsaka niresaka momba ny tempoly, fa vôravaka vato tsara tarehy sy fagnatitra zany, de ozy Izy hoe: 6 "Fa ny am'reo ra tazanaeo reo, mbola ho avy ny andro ze tsy hisy na vato raika aza hijanona amin'ny hafa ka tsy ho ravagna." 7 Ka nagnontany an'Azy zareo, nagnano hoe: "Ry mpampianatra, rôvigna reo ra reo no hitranga? Ino no famantarana rafa hitranga reo ra reo?" 8 Jesosy namaly hoe: "Mitandrema mba tsy ho vôfitaka nareo. Fa betsaka no ho avy amin'ny agnarako, hagnano hoe: "Za no izy," ary, 'Efa akeky ny fotôna." Aza magnaraka an'azy reo. 9 Rafa mareigny ady sy fikomina anareo, de aza mihorohoro, fa reo ra reo de tsy maintsy hibôgna alô, fa ny farany de tsy hitranga eo no eo.' 10 Ary ozy Izy tam'jareo hoe: "Ny firenena de hitsangana hanotra firenena, ary fanjakana hanotra fanjakana. 11 Hisy horohoron-tany gedabe, ary silaona sy areti-mandringana aigny amin'ny tôrana samihafa. Hisy tranga mampatatra ary famantarana leibe avy aigny an-dagnitra. 12 Fa melôn'reo ra daôly reo, de hisambotra an'nareo zareo ary hanenjika an'nareo, hagnolotra an'nareo akao amin'ny synagoga sy ny figadrana, hitondra an'nareo akeo agnolon'reo mpanjaka sy reo mpanapaka non'ny agnarakao. 13 Zany de hagnome fafahana ho amin'ny fijoroanareo vavolombelona. 14 No zany de manapà hevitra akao am-ponareo mba tsy hagnomagna ny 15 fiarovanareo melôn'ny fotôna, fa Za hagnome teny sy fahedrena an'nareo, ze tsy afaka toherina sy lavin'reo mpanoitra an'nareo. 16 Fa anareo kô de ho atolotry ny daday sy nininy, reo rahalà, reo havana sy reo namana, ary zareo de hamono ho foaty ny sasagny aminareo. 17 Ho halan'ny sasagny nony agnarako anareo. 18 Fa tsisy ho very na de singam-bolo raika akeo amin'ny lônareo aza. 19 Amin'ny faretanareo no hamonjenareo ny fagnanareo. 20 Rafa tazagnareo vôdidina miaramila i Jerosalema, de fantaro fa efa akeky ny faravany. 21 De aoka reo ze aigny Jodia hilefa aigny an-tanety, ary aoka reo ze aigny ampovôn'ny tanàna hiala, ary aza avela hiditra akao reo ze aigny ambanivoitra. 22 Fa reo no andron'ny valifaty, mba ho tanteraka reo ra daôly efa vôsoratra. 23 Loza ho an'reo ze mitondra vahôka sy ho an'reo mampinono am'zany andro zany! Fa hisy fahorena gedabe akeo amin'ny tany, ary asosena amin'io vahôka io. 24 Ho lavon'ny sabatra zareo ary ho entina ho babo aigny amin'ny firenena daôly, ary Jerosalema de ho vôhosihosin'reo Jentilisa, mandrapatanteraky ny andron'ny Jentilisa. 25 Hisy famantarana aigny amin'ny masoandro, aigny amin'ny volana, sy aigny amin'ny kintana, ary eto an-tany. Ho tra-pahorena reo firenena, hitaintaina non'ny eron-dranomasina sy reo onja. 26 Hisy leila ho toran'ny tatra sy ny fendrasana reo ra ze ho avy aketo an-tany. Fa ho vôhozongozona ny herin'ny lagnitra. 27 Avy akeo ho tazan'jareo ny Zanak'Ôla tonga aigny amin'ny rondro miaraka amin'ny hery sy voninahita leibe. 28 Fa rafa manomboka mitranga reo ra reo, de mitsangàna ary hasandrato ny lônareo, satria efa akeky ny fagnafana an'nareo." 29 Nagnano fagnoharana tam'jareo Jesosy hoe: "Jereo ny hazon'aviavy, sy reo kakazo daôly. 30 Rafa manaroka reo, de ho tazanareo manokana fa efa akeky ny lôtaona. 31 Salan'zany ihany kô, rafa tazanareo mitranga reo ra reo, de fantatrareo fa efa akeky ny fanjakan'Andriamanitra. 32 Lazaiko aminareo, marina tokoa, ty taranaka ty de tsy ho foaty mandra-pibôgnan'reo ra reo. 33 Ny lagnitra sy ny tany de ho levona, fa reo teniko de tsy ho levona mandrakizay. 34 Fa mitandrema amin'ny tegnanareo, mba tsy ho vesaran'ny vokatry ny fisotrôgna sy ny famamôgna ny fonareo, sy reo ahiahin'ny fiaignana, ka avy akeo de hikatogna tampoka aminareo salan'ny fandrika zany andro zany. 35 Fa zany de ho tonga amin'ny tsiraikaraika ze miaigna magneran-tany. 36 Fa mba mailo amin'ny fotôna daôly, mivava mba ho ampy hery nareo hilefasana reo ra daôly ze hibôgna, ary hitsanganana akeo agnolôn'ny Zanak'Ôla." 37 Koa nandritry ny andro de nampianatra tao amin'ny tempoly Izy, ary ny aligna de nande nivôka Izy ary nijanona teo an-tanetin'Oliva. 38 Reo vahôka daôly de tonga vô ampôlake-dà mba hitaino an'Azy tao amin'ny tempoly.