Toko 1

1 Talô ela be Andriamanitra de niresaka tamin'ny razambetsika tamin'ny alalan'reo mpaminagny tamin'ny fotôna maro sy tamin'ny fomba maro. 2 Fa am'zao andro farany zao, de niresaka tamintsika tamin'ny alalan'ny Zanaka lahy Izy, ze notendreny ho mpandova ny ra daôly. Tamin'ny alalany iany kô no naharian'Andriamanitra zao tontolo zao. 3 Izy no famirapiratan'ny voninahitr'Andriamanitra, le endriky ny tegnany ndrindra. Na ny ra daôly aza de tazominy hiaraka amin'ny alalan'ny herin'ny teniny. Tafaran'ny nagnadiovany reo fahotana, de nipetraka takeo ambanin'ny tagnan'ankavanan'ny Lehibe aigny amin'ny avo izy. 4 Lasana agnambo salan'reo anjely Izy, satria ny agnarana nolovainy de tsara lavitra noho ny agnaran-jareo. 5 Fa iza tam'reo anjely ma no mbô nilazan'Andriamanitra hoe: "Zanako anao, tonga rainao Za gniany," Ary ndre hoe: "Ho ray ho an'azy Za, ary izy ho zanaka ho Anà?" 6 Ary kô, rafa nitondra ny lahimatoa taketo am'zao tontolo zao Andriamanitra, de nitare Izy hoe: "Reo anjelin'Andriamanitra daôly de tsy maintsy midera an'Azy." 7 Momba an'reo anjely de nitare Izy hoe: "Izy le raika nagnano reo anjeliny ho fagnahy, ary reo mpanompony nataony lelan'afo." 8 Fa momban'ny Zanaka de ozy hoe: "Ny seza fendrianano, ry Andriamanitra, de mandrakizay ary ho doria. Ny tehin'ny fanjakanao de tehin'ny fitsarana. 9 Nahita ny fahamarinana anao ary nankahala ny fandikan-dalàna. Noho zany Andriamanitra, Andriamanitrao, de nagnosotra an'nao tamin'ny menaky ny hafalena mihôtra noho reo mpiara-de aminao." 10 "Taigny am-pendohana, ry Tompo, Anao no namorona ny fototry ny tany. Reo lagnitra de asan'ny tananao. 11 Ho levona zareo, fa Anao hanohy. Ho rivotra salan'ny tapa-damba zareo. 12 Hamoritra an-jareo salan'ny fitadena anao, ary hovana salan'ny poti-damba zareo. Fa anao de salan'zany, ary ny taonanao de tsy hanam-pataperana." 13 Fa iza tam'reo anjely no nitinenan'Andriamanitra tamin'ny fotôna daôly hoe: "Mipitrà akeo amin'ny tagnana ankavanako mandra-pagnanôvako reo favalonao ho seza ho an'ny tongotrao?" 14 Reo anjely daôy tsy fagnahy manompo, sy nalefa hiahy reo ze handova ny famonjena?