Toko faha 23

1 I Petera de nizaha nivantana taigny am'reo mpikambana takoa amin'ny filan-kevitra ary nitare hoe: "Ry rahala, za de efa niaigna teo agnatrehan'Andriamanitra tamin'ny fieritreretana tsara daôly mandraki-gniany." 2 Ny mpisorombe Ananiasy de nibaiko an'reo ze nitsangana teo akekiny mba hamelezana ny vavany. 3 Avy akeo i Paoly nitare an'azy hoe: "Andriamanitra de hikapoka an'nao, enao ry rindrigna vôlalotra fotsy. Enao ma de mipetraka hitsara anà amin'ny lalàna, nefa mandidy anà mba ho tarona, tsy araka ny lalàna? 4 Ireo ze nitsagana takeo de nitare hoe: 'Zao ma ny fomba hanivativanareo ny mpisoromben'Andriamanitra?" 5 I Paoly namaly hoe: 'Tsy nafantatra za ry rahala, faizy ny leiben'ny mpisorombe. Fa efa vôsoratra hoe: Tsy tokony hitare ratsy ny mpitondra ny vahôkano enao." 6 Ary rafa hitan'i Paoly fa ny sasagny tamin'reo filan-kevitra de Sadoseo ary ny hafa Fariseo, de nitare mafy takao amin'ny filan-kevitra izy hoe: "Ry rahala, za de Fariseo zanaka lahin'reo Fariseo. Zany no izy satria za de magnantegna tsara ny fitsanganan'ny maty ze hitsarana anà." 7 Rafa nitare an'zany izy, de nanomboka nisy fifandirana teo amin'reo Fariseo sy reo Sadoseo, ary ny vahôka de nizara. 8 Fa reo Sadoseo de nitare fa tsisy ny fitsanganana amin'ny maty, tsisy reo anjely, ary tsisy reo fagna, nefa reo Fariseo de nagneky an'izy daôly reo. 9 Noho zany de nisy fitabatabana mafy nitranga, ary ny sasagny tam'reo mpanora-dalàna'reo Fariseo de nitsangana ary niady hevitra, niteny hoe: "Zay de tsy matazagna ra diso amin'io leila io. Ahôna raha ny fagna na ny anjely no niresaka tamin'azy?" 10 Nony nisy fifandirana mafy teo, ny kapiteny mpitarika de natatra sao de hifandrotehan'jareo i Paoly, noho zany izy de nandidy reo miaramila hidigna sy haka an'azy an-keriny aigny amin'reo mpikambana akao amin'ny filan-kevitra, ary hitondra an'azy aigny an-dapa. 11 Ary de nitsangana takeo agnilany ny Tompo tamin'io alinaio ka nitare hoe: "Aza matatra, fa salan'ny nijoroanao vavolombelona momba anà taigny Jerosalema, no tsy maintsy hijoronao vavolombelona aigny Roma kô." 12 Ary Rafa keka ny andro, de niray tetika ny Jiosy sasagny de namorona tetika ary nagnozona ny tenan'izy reo miarak amin'ny fianaianana mba tsy hinana na hisotro na ino na ino ambara-pamonôn'jareo an'i Paoly. 13 Mihôtra ny efapolo ôla izy reo ze namorona io tetika io. 14 Zareo de nande taigny am'reo mpisorombe sy reo loholona ka nitare hoe: "Zay de efa nagnano fagnozonana leilbe tamin'ny tegnanay, mba hinana na ino na ino ambara-pamonônay an'i Paoly. 15 Am'zao, noho zany, avelao ny filan-kevitra hiteny amin'ny kapiteny mpitarika mba hitondra an'azy hidigna aketo aminareo, ary nareo ôtran'ny hoe hanapa-kevitra amin'ny ra-misy momba an'azy marina kokô. Fa no an'nay, zahay de vonona ny hamono an'azy alohan'ny fatogavany aketo." 16 Nefa ny zanaka lahin'ny anabavin'i Paoly de nareigny fa teo am-pandignesana ny hamonoana an'azy izy reo, no zany izy de nande ary niditra ny lapa ka nitare tamin'i Paoly. 17 I Paoly de nagnantso ny raika tam'reo kapiteny ka nitare hoe: Ento aigny amin'ny kapiteny mpitarika ty gaogna ty, fa managna ra lazaina amin'azy izy." 18 No zany le kapiteny de nandray an'le gaogna ary nitondra an'azy taigny amin'ny kapiteny mpitarika ka niteny hoe: "I Paolyle gadra no nagnantso anà ho aigny amin'azy, ary nangataka anà mba hitondra an'ty gaogna ty ho aketo aminao. Managna ra ho lazaina aminao izy." 19 Ny kapiteny mpitarika de naka an'azy tamin'ny tanàna ho aigny amin'ny toerana mitokana ary nagnontany an'azy hoe: 'Ino zany tokony ho lazainao aminà zany?" 20 Le gaogna niteny hoe: "Reo Jiosy de efa naneky ny hangataka aminao mba hitondra an'i Paoly hidigna aigny amin'ny filan-kevitra rampitso, ôtran'ny hoe izy reo de hande hagnontany ny momba an'azy marina kokô. 21 Nefa aza maneky an'azy reo, satria nisy ôla mihôtra ny efapolo ze efa vonona ny hamono an'azy. Nagnantso ozona ho an'ny tegnany zereo, mba tsy hinana na hisotro ambara-pamonoan'jareo. Fa na de zao aza de efa vonona izy reo, ary mandigny ny fagnekena avy aigny aminao." 22 Ka navelan'i le kapiteny mpifehy hande le gaogna, tafaran'ny nanoroany hevitra an'azy hoe: "Aza mitare na am'izy na am'iza hoe niteny reo ra reo taminà enao." 23 Avy akeo izy de nagnantso rolahy tam'reo kapiteny ankeo amin'azy ka nitaraviny hoe: 'Alao ny miaramila roanjato za efa vognona ny ande aigny Kaisaria, sy mpitikin-tsôvaly fitopolo kô, ary mpitondra sabô rônjato, ary gniany alina amin'ny ora fatelo anao no mande." 24 Izy kô de nandidy an'azy reo mba hagnome biby raika hotikinan'i Paoly hitondra an'azy ho tonga sô aman-tsara aigny amin'i Feliksa le Governora. 25 Avy takeo de nanoratra taratasy salan'zao izy: 26 "Klaodio Lisia ho an'i Feliksa governora tsara lôtra, arahaba. 27 Io leila io de nosamborin'reo Jiosy ary saika novonon-jareo, rafa tonga takeo amin-jareo niaraka tamin'reo miaramila za de nagnavotra an'azy, satria nafantatra za fa izy de mizaka ny zom-pirenena Romana. 28 Za de te hafantatra ny antony nempangan-jareo an'azy, no zany de nentiko nidigna takao amin'ny filan-kevitry ny zareo izy. 29 Nafantatra za fa vôpanga tamin'ny adi-hevitra mikasika ny lalàn-jareo manokana izy, kanefa tsisy fagnendrikendrena nanohitra an'azy ze mendrika fafatesana na fagnagadrana. 30 Avy takeo de nampafantarina anà fa misy tetika hanoherana an'le leila, no zany de nandefa an'azy teo no eo taigny aminao za, ary nagnafatra an'reo mpagnedrikendrika an'azy mba hitondra porofo fagnamelohana an'azy ankeo agnatrehanao zareo. Veloma." 31 De nagneiky ny baiko reo miaramila. Ary nalain'jareo i Paoly ka nentiny tamin'igny alina igny ho aigny Antipatria. 32 Ny amaraignan'igny, ny ankamaroan'reo miaramila de nandaosa an'reo mpitikin-tsovaly mba ande hiaraka amin'azy fa zareo de niverigna taigny an-dapa. 33 Rafa tonga taigny Kaisaria re mpitikin-tsovaly ka nanolotra taratasy hoan'i Governora, de nanolotra an'i Paoly tamin'azy kô. 34 Rafa namaky ny taratasy ny governora, de nagnotany ny faritany ze niaven'i Paoly izy. Ary rafa fantany fa avy aigny Klikia izy, 35 de nitare hoe: "Za de hareigny tanteraka an'nao rafa tonga aketo reo mpiampanga an'nao." De nasainy nitanana takao amin'ny foiben'ny fanjakan'i Heroda izy.