Toko faha 22

1 "Ry rahalà sy ray, tandrigneso ny fiarovako ze ataoko aminareo am-zao." 2 Rafa nareigny an'i Paoly nitare tam'teny Hebreo reo vahôka, de nanjary nangina izy reo. Ozy izy hoe: 3 "Jiosy za, teraka taigny Tarsosy aigny Kilikia, fa nitazaina teto am'ty tanàna ty teo am'tongotr'i Gamaliela. Nampenarina araka ny fomba hentitry ny lalàn'reo razantsika za. Tena mafana fo ho an'Andriamanitra za, salan'nareo daôly am-zao andro zao. 4 Nagnenjika io Làlana io ho am'fafatesana za, namatotra sy nanolotra an'jareo ho atao an-trano maizina na ny leilà na ny vevavy, 5 ary ny mpisorogna be sy reo loholona daôly afaka mijoro vavolombelona. Naharay taratasy aigny Damaskosy, ary nandeha nankaigny nitondra an'jareo niverigna mbola mifatotra hankaigny jerosalema mba hagnasazina an'azy reo. 6 Zao no nitranga rafa nande ary nanakaiky an'ny Damaskosy za, ary tamin'ny jirin'andro teo ho eo de nisy hazavana leibe avy aigny an-dagnitra nanomboka namirapiratra nagnodidigna anà. 7 Lavo tam'tany za ary nahareigny feo nitare taminà hoe: "Saoly, Saoly, nagnino enao no magnenjika Anà?" 8 Namaly za hoe: 'Iza ma enao Tompoko?' Niteny taminà Izy hoe: "Zà no Jesosin'ny Nazareta, ze enjenao io." 9 Reo ze niaraka taminà de nahita ny hazavana, fa izy reo de ts nafantatra le feony ze nitare taminà. 10 Ozy zà hoe: "Ino no tokony ataoko, Tompoko?" Ny Tompo niteny taminà hoe: "Mitsangàna ary midira aigny Damaskosy; aigny no hanambarana an'nao ny ra-daôly ze tokony hataonao." 11 Tsy nahita non'ny famirapiratan'zany fazavana zany zà, ary notantanan'reo ze niaraka taminà, ka de tonga taigny Damaskosy zà. 12 Nifagnetry tam'leilà raika nantsovina hoe: Ananiasy taigny zà, leilà matatra an'Andriamanitra nagnaraka ny lalàna ary tsara laza teo am'reo Jiosy daôly ze nipetrak tao. 13 Nagnatogna anà izy, nitsangana takeo ankilako, ary nitare hoe: 'Ry rahalà Saoly, mahirata.' Tam-zany ora zany indrindra de nahita an'azy zà. 14 Ary niteny izy hoe: 'Ny Andriamanitr'reo razantsika de nifidy an'nao mba hahalala ny sitrapony, mba hahita ny Ray Marina, ary hahareigny ny feo avôkan'ny vavany. 15 Fa ho vavolombelona ho an'Azy am'ôla daôly momba an'ze hitanao sy reigninao enao. 16 Ary magnino enao no miandry? Mitsangàna, ôka ho atao batisa, ary diovy reo fahotanao, mentsova ny agnarany." 17 Rafa avy niverigna taigny Jerosalema za, ary raha mbola nivavaka takao an-tempoly, de nahazo tsindrimandry zà. 18 Nahita an'Azy zà niteny taminà hoe: 'Malaky mialà an'i Jerosalema haingana, satria izy reo tsy hagneky ny fijoroanao vavolombelona momba Anà.' 19 Ozy zà: 'Tompo, izy reo tegnany de mafantatra fa za nagnagadra sy nikapoka reo ze nino an'Nao takao am'synagoga daôly. 20 Rafa nalatsaka ny ràn'i Stefana vavolombelonao, za kô de mba nitsangana teo sy nagneiky, ary niambina ny fitafian'reo ze namono an'azy zà.' 21 Fa niteny taminà Izy hoe: 'Mandana, satria halefako lavitra an'reo Jentilisa enao.' 22 Nihaino an'azy jareo mandra-pitaraviny an'zany. De nikika mafy jareo niteny hoe: "Vonoy hiala aketo am'tany ny leilà salan'io, satria tsy mendriky ny ho velona izy." 23 Raha nitabataba jareo, nanipy ny akanjony, ary nanipy vovoka tam'rivotra, 24 ny leiben'ny kapiteny de nandidy an'i Paoly mba ho ndrsina any am'lapa. Izy nandidy fa tokony hagnontanena miaraka am'kapoka izy, ka mba izy tegnany de halala hoe nagnino zareo no nikikika nanoitra an'azy ôtran'zany. 25 Rafa namatotra an'azy tam'tady hoditra zareo, de ozy Paoly tam'le kapiteny ze nitsangana teo: "Ara-dalàna ho an'nareo ma ny manakaravasy leilà ze Romana sy tsy mbola notsaraina akory?" 26 Rafa nareigny zany le kapiteny, de nankaigny am'leiben'ny kapiteny izy ka nilaza an'azy, niteny hoe: "Ino zao ataonao zao? Fa mponin'ny Romana io leilà io." 27 Nagnatogna le leiben'ny kapiteny ary niteny taminazy hoe: "Teneno za, mponina Romana ma enao?" Paoly namaly an'azy hoe: "Eny." 28 Ary namaly le leiben'ny kapiteny hoe: "Tam'vola be fogna no nazahôko io zom-pirenena io. Fa Paoly niteny hoe: "Nateraka ho mponin'ny Romana za." 29 Ary nandaosa an'azy teo no ho eo le leilà ze nametra-panontaniana an'azy. Natatra iany kô le leiben'ny kapiteny, rafa fantany fa mponina Romana i Paoly, satria izy namatotra an'azy. 30 Ny amaraignan'io, de te hafantatra ny marina momba reo fagnendrikendrehan'reo Jiosy nanoitra an'i Paoly ny leiben'ny kapiteny. Ka novahany reo fatotra ary nibaiko an'reo mpisorona be sy reo filan-kevitra daôly mba hivory izy. Ary nitondra an'i Paoly nidina izy ary nametraka an'azy takeo ampovôn'jareo.