Toko voalohany

1 Ny fanambarana ny tenin'i Yaveh tamin'Israely tamin'ny alalan'ny tanan'i Malakia. 2 Efa nitia agnareo Aho, " hoy Yaveh. saingy hoy agnareo hoe:" Akory ro nitiavanao agnay?" "Tsa rahalahin'i Jakoba va i Esao?" hoy Yaveh. "Jakoba ro efa tiako, 3 fa Esao efa halako. Ny tendrombohiny de efa nataoko lao, ary efa nataoko ho toerana ho an'ireo amboadia hatagny an'efitsa ny lovany. 4 raha niteny Edome hoe: "Nazera agnay, nefa agnay hanapody hanangana ny rava,"de hiteny i Yaveh Tompon'ny maro hoe: "mety hangana reo saingy ho ravaiko ndraika. Reo hafa dia hangaika azy reo hoe:'TanĂ nan' ny faharatsiana ' sy hoe: 'Reo vahoaka zay nozonin' I Yaveh mandrakizay doria. 5 ' Hahita izany ny masonareo, ary hitarona agnareo hoe: 'Yaveh de lihibodaka mihoatsa reo faritanin'Israely."' 6 Tahaka ny zanaka lahy manome voninahitsa ny rainy, sy ny mpanompo manome voninahitsa ny tompony. Lehe Ray aho, aia ny voninahitso? Lehe Tompo Aho, aia ny fanehoana Fagnajana Agnahy?" hoy Yaveh Tompon'ny maro tamin'ireo mpisorona, ze nanao tsinotsinona ny agnarako. "Saingy hoy agnareo hoe: 'Akory ro nanaovanay tsinontsinona ny agnaranao?' 7 Tamin'ny fanolorana mofo voaloto eo amin'ny alitarako. Saingy hoy agnareo hoe: 'Akory ro nandotoanay agnao?' Tamin'ny filazana fa tsa misy dikany ny latabats'i Yaveh. 8 Sy manolotsa biby jamba hatao sorona agnareo, moa tsa ratsy ve zany? Sy magnolotsa kilemaina sy marary agnareo, moa tsa ratsy ve zany?" Asehoy any amin'ny governoranareo zany! Handray agnareo ve i na hampitraka ny tavanareo?" hoy Yaveh Tompon'ny maro. 9 Zao agnareo de mbola manontany ny endrik' Andriamagnitsa, mba hamindrany fo amintsika. Fa Yaveh Tompon'ny maro nitarogna fa amin'ny fanatitsa toy izany eny an-tagnanareo ,moa hampitraka ny tarehinareo ve I? 10 "Lehe mba hisy raika taminareo manko nanakatona ny vavahadin'ny tempoly, mba tsa ho zava-poana ny andrehetanareo afo eo amin'ny alitarako! Tsa mankasitraka agnareo Aho'" hoy Yaveh Tompon'ny maro:"ary tsa handray fanatitsa avy amin'ny tananareo Aho. 11 Fa ny agnarako de ho lehibe eo amin'ireo firenena ary isaky ny toerana aby manomboka amin'ny fiposahan'ny masoandro mandra-pilentiny ary ditin-kazo manitsa sy fanatitsa madio ro natolotsaamin'ny agnarako. Fa ny agnarako de lihibodaka eo amin'ireo firenena. " Hoy Yaveh Tompon'ny maro." 12 Fa maniratsira izay agnao sy tarona fa maloto ny latabatsy ny Tompo, ary reo vokany, reo sakafony, de ho atao tsinontsinona. 13 Hoy koa agnareo hoe;'Mandreraka koa zay,' de niherona tamin'izay agnareo,' hoy i Yaveh Tompon'ny maro. 'Nitindra izay nesoriny tamin'ny bibi-dia agnareo na kilemaina na marary; ary noferinareo ho fanatitsareo zay. Tokony handray izay hategny an-tananareo ve Aho?" hoy Yaveh. 14 "Aoka hozonina ny mpamitaka izay magnana ondry lahy ao amin'ny indriny sy mivoady haname Anahy izay, ary vana manome sorona izay misy kilema Anahy, Tompo! Fa Iaho de mpanjaka lihibe," hoy Yaveh Tompon'ny maro,' ary ny Agnarako de homem-bononahitsa eo amin'ireo firenena."