Toko 1

1 Ireo raha momba an'Israely ireo ro noraisin'i Amosa, raika tamin'ireo mpiandry ondry ro tao Tekoa, tao amin'ny fanambarana. Nandray reo raha reo i tamin'ny andron'i Ozia mpanjakan'i Joda, ary koa tamin'ny andron'i Jeroboama zanaka lahin'i Joasy mpanjakan'Israely, roa taona mialohan'ilay horohorontany. 2 Hoy i hoe: "Hierona hatagny Ziona i Yaveh; hampiakatsa ny feony hatagny Jerosalema I. Ho maina ny ahitrandreo mpiandry ondry; halazo ny tampon'i Karmela." 3 Zao ro lazain'i Yaveh hoe: "Noho reo fahotana telo nataon'i Damaskosy, eka, na efatsa aza, de tsa hanala ny sazy Aho, satria fitaovana vy ro nivelesindreo an'i Gileada. 4 Handifasako afo ny taranak'i Hazaela, ary handevona reo fiarovana mafin'i Beni-hadada Aho. 5 Ho tapahiko ny vy eo amin'ny vavahadin'i Damaskosy ary handringana ny liaka zay mitoatsa ao Bikata Avena Aho, ary koa ilay liaka zay mitagna ny tehim-panjakana ao Bet-Edena. Ny vahoakan'i Syria de handeha ho amin'ny fahababoana any Kira," hoy Yaveh. 6 Zao ro lazain'i Yaveh hoe: "Noho reo fahotana telo nataon'i Gaza, eka, na efatsa aza, de tsa hanala ny sazy Aho, satria nataondreo ho babo ny vahoaka aby, mba hanolorana andreo an'i Edoma. 7 Handefa afo amin'ireo rindrin'i Gaza Aho, ary handevona reo fiarovagna mafiny zay. 8 Ho aringako ilay liaka zay mitoatsa ao Asdoda sy ilay liaka zay mitagna ny tehim-panjakana hatagny Asklelona. Hanohitsa an'i Ekrona ny tagnako, ary ho faty reo Filistina tavela", hoy ny Tompo Yaveh. 9 Zao ro lazain'i Yaveh hoe: "Noho reo fahotana telo nataon'i Tyro, eka, na efatsa aza, de tsa hanala ny sazy Aho, satria nanolotsa aby manontolo ny vahoaka an'i Edoma reo, ary nandika ny fifanekem-pirahalahiandreo. 10 Handefa afo eo amin'ireo rindrin'i Tyro Aho, ary handevona reo fiarovana mafiny izay." 11 Zao ro nolazain'i Yaveh hoe: "Noho reo fahotana telo nataon'i Edoma, eka, na efatsa aza, de tsa hanala ny sazy Aho, satria nanenjika ny rahalahiny tamin'ny sabatsa i ary nanary aby ny famindram-po. Ny hatezerana de nitohy ihany, ary naharitsa mandrakizay. 12 Handefa afo eo Temana Aho, ary handevona ny palan'i Bozra izay." 13 Zao ro lazain'i YAveh hoe: "Noho reo fahotana telo nataon'ny vahoak'i Amona, eka, na efatsa aza, de tsa hanala ny sazy Aho, satria nanataka reo ampela bevoka tao Gileada reo, mba hanitarandreo ny faritaniny. 14 Handrehitsa afo eo amin'ireo rindrin'i Raba Aho, ary handevona reo lapa izay, miaraka amin'ny hiaka amin'ny andron'ny ady, miaraka amin'ny tafio-drivotsa amin'ny andron'ny tadio. 15 Handeha ho amin'ny fahababoana ny mpanjakandreo, i sy reo manam-boninahitsa," hoy Yaveh.