Toko faha 3

1 Loza ho gnan'ny tana mpikomy! Voaloto gny tana mahery loha. 2 Tsy nijanjy gny feonn-Dranagnahary ie, na nagnenky famaiza bakamin'i Yaveh. Tsy natoky gnan'i Yaveh sady tsy namonjy gnan-Dranagnahary ie. 3 Liona romotsy eo agnivon'ny reo andrian-dahiny. Reo mpitsarany la alika lia amin'ny hariva zay tsy magnenga ndra ino ino mba ho hany gny maray. 4 Johary mahery loha voho mpamitaky reo mpaminany. Fa nanimbazimba zay masy voho nanao herisetra tamin'ny lalagna reo mpisorony. 5 Yaveh la marina eo agnivony. Tsy afaky manao gny tsy mety ie. Saky maray ro hizarany gny fitsarany! Tsy ho tako ao agnatin'ny hazava io, fa gny olo tsy marina la tsy mahay megnatsy. 6 " Fa namotiky firenena Aho; rava reo fiarova maherin-drozy. Naravako reo lalany, mba tsy hisy na ia ia handalo eo amin-drozy. Fonga reo tanany ka tsy misy olo mipetraky ao amin-drozy. 7 Nisifa Aho hoe:" Hatahotsy Ahy tokoa iha." Henkeo gny famaizako ka tsy hiala amin'ny tragnonao araky zay iaby fa nomaniko hatao aminao iha." Fa ingo tamim-pahazotoa ro nanombohan-drozy isaky maray amin'ny fanaovany gny asa ratin-drozy manontolo. 8 Nohon'io mandignasa Ahy__ io ro fagnambaran'i Yaveh__ mandra-piaviany gn'andro zay hitsanganako ho gnan'ny niazom-boy. Fa gny fanapaha-kevitro la gny hamory reo firenena, hamory reo fanjaka, sady handrarako gny fahatezerako amin-drozy, reo fahavinirako mahery iaby, mba ho ravan'ny bolon'ny heloko reo tany manontolo. 9 Fa hagnome molotsy malio ho gnan'ny olo Aho bakeo, mba hikahia androzy iaby amin'ny agnaran'i Yaveh mba hanompo Ahy miaraky. 10 Bakagny andafin'ireo onin'i Etiopia reo mpidera Ahy__ gny oloko zay voaely__ ro handay reo fagnatitsy ho Ahy. 11 Amin'io andro io la tsy ho megnatsy amin'ny asa ratinareo iaby zay nataonareo tamiko nareo, fotony amin'io fotoa io la halako eo aminareo reo zay mankalaza gny fireharehanareo, sady fotony tsy hanao fihetsiky am-piavogna agny amin'ny tendrombohitsy masy sasy nareo. 12 Fa hagnenga gnanao manahaky gny olo manetry tena mahantra Aho, sady hialoky ao amin'ny agnaran'i Yaveh nareo. 13 Tsy hanao gny rariny na hisafa vandy sasy reo sisa tavela ao Israely, sady tsy ahita lela mpamitaky ao am-bavan-drozy, ka hihina voho handramby rozy, sady tsy hisy na ia ia hampitahotsy an-drozy." 14 Mihira, ry anaky ampelan'i Ziona! Mikora ry Israely. Miravoravoa sady mazotoa amin'ny fonao manontolo, ry anaky ampelan'i Jerosalema. 15 Nangalaky reo famaizanao Yaveh; nandroaky reo fahavalonao Ie! Yaveh ro mpanjakan'Israely eo aminao. Tsy hatahotsy gny raty sasy iha! 16 Amin'io andro io la nisafa amin'i Jerosalema rozy hoe:' Ka matahotsy, ry Ziona. Ka mamela gny tagnanao hangozohozo. 17 Ao aminao i Yaveh Ndranagnaharinao, la lay mahery mpamonjy gnanao. Hankalaza eo aminao Ie sady am-pazotoa ro hanginany eo aminao ao amin'ny fitiaviny. Hiravoravo eo aminao Ie sady hanao hiakam-pazotoa, 18 manahaky gny tamin'ireo andro firavoravoa fa voatondro. Hangalaky gny loza eo aminao Aho; tsy handay hegnatsy amin'io sasy iha. 19 Ingo, Hifagnandry amin'ny mpampijaly gnanao iaby Aho. Amin'io fotoa io, hamonjy reo mandringa sady hamory reo noroahy Aho. Hataoko manahaky gny fidera rozy, sady hagnova gny hegnatsin-drozy ho laza manera gny tany Aho. 20 Amin'io fotoa io la hitariky gnanareo Aho; havoriko miaraky nareo . Hataoko magnaja voho mandrengy gnanareo reo firenena manontolo maneran-tany, lafa hitanareo fa nampimpoly gnanao amin'ny laoniny Aho," hoy Yaveh.