Toko faha 2

1 Avorio gny vatanareo voho mitambara, ry firenena tsy manan-kegnatsy__ 2 tany mbo tsy mihatra gny lily sady tany mbo tsy miely manahaky gny akata gn'andro, tany mbo tsy avy aminareo gny firehetan'ny fahatezera maherin'i Yaveh, tany mbo tsy avy aminareo gny andron'ny fahatezeran'i Yaveh. 3 Mikatsaha gnan'i Yaveh, ry olomendriky iaby ambonin'ny tany zay mankato reo didiny! katsaho gny fahamarigna. Katsaho gny fanetren-tena, sady la mety ho voaharo nareo amin'ny andron'ny fahatezeran'i Yaveh. 4 Fa i Gaza la ho lao, sady Askelona ho rava. Handroaka gnan'i Asdoda amin'ny mitatavovona rozy, sady hagnombotsy gnan'i Ekrona! 5 Loza ho gnan'ireo olo agny amoron-tsiraky, la gny firenenan'ireo Keretita! Fa nisafa nanohitsy gnanareo i Yaveh, ry Kanana, Tanin'ireo Filistina. Handringa gnanareo ambara-paharava gny olo Aho. 6 Sady la ho lasa akata ho gnan'ireo mpiaraky aondry voho ho gnan'ny valan'aondry gny moron-tsiraky. 7 Reo faritsy amoron-tsiraky la ho gnan'ireo sisan'ny avorohotan'i Joda, zay hiaraky aondry aman'aosy ao. Ao amin'ny avorohotan'i Askelona ro handrian'ireo olon-drozy amin'ny hariva, fa Yaveh Ndranagnaharin-drozy ro hikarakara an-drozy hampimpoly gny fanagnany 8 Fa reko gny safa ratin'i Moaba voho gny latsan'ireo olon'i Amona laha nisafa raty reo oloko voho nagnitsakitsaky gny faritaniny rozy. 9 Nohon'io, laha velo koa Aho__zao ro fagnambaran'i Yaveh Tompon'ny maro, Ndranagnaharin'Israely, __hanahaky gnan'i Sodoma i Moaba, sady reo olon'i Amona hanahaky gnan'i Gomora; la ho toeran'ny alan'amiana voho lava-tsira, tany lao mandrakizay. Fa gny sisa amin'ireo oloko koa hambabo an-drozy, voho reo sisa amin'ny fireneko hahalasa an-drozy ho fanagna." 10 Io ro hihatsa amin'i Moaba voho Amona nohon'ny fireharehany, fotony nisafa raty voho nanaraby gny olon'i Yaveh Tompon'ny maro rozy. 11 Sady hatahotsy gnan'i Yaveh rozy, fotony hivola raty gny ndranagnahary iabin'ny tany Ie. Hanompo Azy gny olon-manontolo, gny olo iaby bakamin'ny toerany, bakamin'ny moron-tsiraky manontolo. 12 Nareo koa ry Kosita al ho voalefon'ny sabatso, 13 sady gny tagnan'i Yaveh ro hanafiky gny varatsy ka hamotiky agna'i Asyria, ka la ho lasa tany karakaina manahaky gny tany efitsy i Ninive. 14 Sady handry ao gny aomby, gny biby iabn'ireo firenena, gny vorondolon'ny efitsy voho gny sokona la handry eo amin'ny tendron'ny andriny. Hisy antso hihira bakeo amin'ny lafonety; ho eo an-tokona gny faharava; ho sarogna reo andry sedera voasokiny. 15 Io lay tana niravoravoa zay niay tsy nisy tahotsy, zay nanao anakam-po taminy hoe;" Zaho ro Ie, sady tsy misy manahaky Ahy." ngo fa avy maharikoriko ie, toera natao mba handrian'ny biby. Zay iaby mandalo eo aminy la hisitrisitra sady hamokona gny totohondriny aminy.