Marka Toko 1

1 Ity no fanomboan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, ilay zanak'Andriamanitra. 2 Araka zegny vôsoratra akô amin'Isaia mpaminagny hoe: "Indro, zaho zô magniraka ny Irako inga aloanô, ilay tokana agnamboatra ny lalanô. 3 Misy fiô regny magnantso mafy any an-tany foagna hoe: "Atovy vognona ny lalan'ny Tompo; ataovy mahitsy ny lalana arainy'''. 4 Tonga Jaona, nagnano batisa tagny an-tany foagna ary nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka amin'ny fahotana. 5 Ny tanin'i Jodia manontolo sy ny mponigna jiaby takô Jerosalema de tonga nagnatogna anazy. Natôny batisa tamin'ny reniranon'i Jordana zarô, rehefa nagneky ny fahotana. 6 Jaona de nagnatô sikina volon-drameva, ary nagnatô fekibo oditra tamin'ny andilagny, ary valalagna sy tintely nirimbejina no rahanina anazy. 7 Nagnatoro izy hoe: "Misy reka ho avy afarako mbola mahery lavitra miôatra anaa, tsy tokony aho na de amaha ny tadin-kirarony aza. 8 Zao nagnano batisa anarô tamin'ny rano, fa Izy koza agnano batisa anarô amin'ny fanahy masina". 9 Tamin'ny andro natongavan'i Jesosy avy takagne Nazareta agny Galilia no nitrangn'izany, ary natôn'i Jaona batisa takiô amin'ny renin-dranon'i Jordan Izy. 10 Ra vô niboagna avy tagnatirano Jesosy, de hitany nisokatra ny lagnitra, ary nandrorogna takiô Amanazy kara voro-mailala ny fagnahy masina. 11 Ary misy fiô avy tagny an-dagnitra nagnano hoe: "Anô ny zanako tsy foeko, anô no tiako." 12 Avy takiô de nindôny fanahy nandia tagny antany fogna Jesosy. 13 Efapolo andro Izy no tagny antany foagna, de nalôny satana fagnay. Nipetraka niaraka tamin'ny bibidia Izy, ary nanompo Anazy ireo anjely. 14 Ary rehefa voasambotra Jaona, de tonga takô Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra, 15 ary nizaka hoe: "Efa tonga ny fotôna, ary efa marivo ny fanjakan'Andriamanitra. Mifonà de minoà ny filazantsara." 16 Rehefa nandia tagny amoron-dranomasin'i Galilia Izy, de nahita an'i Simona sy andrea tambokireka amin'i Simona nagnarato, satria mpagnarato ny asan-jarô. 17 Hoy Jesosy taman-jarô hoe: "Andô magnaraka Anaa fa atôko mpagnarato olona ndreka andriô." 18 Tiô tiô my de nagnombela ny aratony zarô ka nagnaraka Anajy. 19 Reefa nandia lavidavitra Jesosy, de nahita an'i Jakoba zanak'i Zebedeo sy Jaona tambokireka amanazy; zay takô andakana bitika nagnamboatra ny aratony. 20 Nagnantso an-jarô Izy ka tonga de nilozany takô andakana bitika i Zebedio iabany niaraka taman-jarô mpikarama, ka nagnaraka Anajy zarô. 21 Avy takiô de tonga tô Kapernaomy zarô, ary tamin'ny andro Sabata, de niditra takô amin'ny Synagoga Jesosy ary nampianatra. 22 Magnana tamin'ny fampenarany zarô, satria nampianatra anjarô kara olona managna fahefana Izy fa tsy karan-jarô mpitondra fanjakana. 23 Avy takiô de nisy lilay reka takiô amin'ny Synagogan-jarô izay nanagna fagnahy ratsy nibarara be, 24 nagnano hoe: "Ino no ifandresane Aminô, ry Jesosy avy agny Nazareta"? Tonga amono ane ve Anô?Fantako my anô. Anô lay masin'Andriamanitra!" 25 Nizaka mafy ny devoly Jesosy ka nagnano hoe: "Maregnina ka mivoa amanazy!" 26 Ary ny fagnahy maloto de nandavo anazy sy nivoaka tamanazy ka nagnantso tamin'ny fiô mafy. 27 Magnana ny olona manontolo, ka nifagnadina zarô hoe: "Ino ty"? Fampenarana vôvô misy faefana? Bokeny na de ny fagnay ratsy aza de magneky Anazy!" 28 Ny vôvô momba Anajy de efa miparitaka takegny amin'ny faritr'i Galilia manontolo. 29 Rehefa nande nivoakan'ny Synagoga, de tonga takô andragnon'i simona sy Andrea zarô, niaraka tamin'i Jakoba sy Jaona. 30 Ary raofozam-bavin'i Simona nandry nararin-tazo, ka nizaken-jarô tamin'i Jesosy ny momba anazy. 31 De nagnatogna Izy, de nandramby anazy tamin'ny tagnany, ary nagnarina anazy, de afaka ny tazony, ary nanomboka nanompo an-jarô izy. 32 Tamin'io folak'andro io, tampy afaty masoandro, de nindôn-jarô takiô amanajy izay narary jiaby na izay misy devoly. 33 Tafavory niaraka takiô ambarangaragna takiô daolo ny takiô antanàna. 34 Nagnasitrana olona maro zegny nararin'ny aretina samy hafa Izy ary nandroaka demonia maro, fa tsy nambelany nizaka ny demonia satria nafantatra Anazy zarô. 35 Nifoa mandregna be Izy, ra mbola mizigna ny andro; de niala takiô Izy de ninga tagny amin'ny toerana mangigna ary takiô Izy no nivavaka. 36 Niaragna Anazy Simona sy zarô niaraka taminy. 37 Nahita Anazy zarô ary nizaka tamin'ny hoe: "Miaragna anô ny olona jiaby". 38 Hoy Izy hoe: "Andô antsena inga antany afa, agny avelegny agny ama'ireo tanàna magnodidigna, mba afahako mitory teny agny koa. Fa zany no antony nivoako taty". 39 De nitety ny Galilia manontolo Izy, nitoriteny tamin'ny Synagogan-jarô sady nandroaka demonia maro. 40 Nisy boka reka tonga takiô Aminy. Nitaregna tamanazy; nandoalika takiô Amanazy ary nizaka tamanazy hoe: "Raha tianô, de afaka magnadio anà Anô" 41 Nalahelo anazy Izy, de nagnampatra ny tagnany Jesosy ary nikasika anazy, sady nagnano taminy hoe: "Sitrako. Madiova anô" 42 Niala tamin'ny avetragny ny abokany, ary nadio izy. 43 Namepetra anazy mafy Jesosy ary nandefa anazy. 44 Hoy Izy tamanazy hoe: "Tandremo sô izaka na man-jovy na man-jovy anô, fa mandianaa, asehoy amin'ny mpisorogna ny tegnanô, ary magnamboara fanatitra nony fagnadiovana anô araka ny nagnasan'i Mosesy, mba ho fijoroana vavolombelona ho anjarô". 45 Fa nivoaka izy ary nanomboka nizaka taman'olona jiaby sy nagnely be ny teny ka de tsy nasahy niditra nibaribary tamin'ny tanàna mantolo koza Jesosy. Ka nibodika tagny avelagny takagny amin'ny toerana mitokana Izy ary nagnatogna Anazy ny olona avy amin'ny toerana rehetra.