Toko faha 3

1 Noho zany laha tsy afaky niaritra an`zany koa zahay, da nieritreretinay fa tsara gny mitoetra raiky tao Itegna. 2 Nandefa an`i Timoty zahay, ralainay sy mpiara-miasa ho an`i Zagnahary amy gny filazantsaran`i Kristy , mba hagnamafy sy hankahery momban`ny finoanareo. [Fanamarihana: Ny dikan-teny sasany hafa taloha da mivaky hoe: "Nandefa an`i Timoty zahay, ralainay ary mpanompon`i Zagnahary ao amy gny filazantsaran`i Kristy."] 3 Nataonay zany mba tsy hisy olo ho taitra noho reo fahoriana reo. Fa gny tegnanareo da mahalala fa zany no nanendrena antsika. 4 Marina tokôtry, laha niaraka tamindreo zahay, da nizaka mialoha taminareo fa isika da tsy maintsy hampahorina, ka nitranga zany, araka gny fantatrareo. 5 Ka zany antony zany, laha tsy naharitra zany tsony zaho, da nagniraka mba halalako gny finoanareo. Ngamba gny mpaka fagnahy da efa naka fagnahy nareo, ary ho zava-poana gny asantsika. 6 Ka avy taty aminay avy tagny amindreo i Timoty ary nitondra gny vaovao mahafalin`ny finoana sy fitiavandreo ho anay. Nizaka taminay izy fa nareo da managna fahatsarovana tsara gny ahita anay tahaka gny fagnirinay ahita anareo. 7 Noho zany, ry ralay, zay da namehazanareo nohon`ny finoanareo, tao anatin`ny fitaitaignana sy fahorenay aby. 8 Ka amin`zao velogna zahay, raha mifikitra mafy amy gny Tompo anareo. 9 Ka fisôragna toy gny ahoana gn'azonay omena an'i Zagnahary gny amindreo, tamin`ny haravona aby zay anagnanay teo anatrehan`ny Zagnahary noho gny amindreo? 10 Mivavaka mafy andro aman`alina zahay mba mety ahita gny endrikareo sy amatsy zay tsy ampy ao amy gny finoanareo. 11 Zagnahary Abantsika tegnany, ary Jesosy Tompontsika any ka,hagnitsy gny lalanay ho amindreo. 12 Gny Ragnandria agny ka hampitombo sy hampandroso amy gny fifankatiavanareo amy gny hafa sy gny olo aby ,sahala gny olo aby, tahaka gny ataonay aminareo koa. 13 Izy avao koa hagnamafy gny fonareo, ka mba tsy hagnan-tsiny amy gny fahamasinana indreo eo anatrehan`i Zagnahary Abantsika mba amindreo masigna aby.