Tôko 1

1 Paoly, mpanompon'Andriamanitra kè Apostolin'i Jesosy Kristy, hagnamafy ny finoan'ny ôlom-boafidin'Andriamanitra sy ny fahalalalagna ny marigna zay magnaraka ny toe-pagnahy araka an'Andriamanitra, 2 amin'ny fahatokisagna ny fiaignagna mandrakizay, zay nampanantegnain'Andriamanitra, lay tsy mandainga, fôny fahagôla. 3 Tamin'ny fotoagna voàtôndro, de nasehony ny teniny tamin'ny hafatra zay natokisany ho ampitaiko. Nataoko izégny araka ny didin'Andriamanitra lay Mpamonjy antsika. 4 Ho an'i Titosy, zanaka marigna akô amin'ny finoagna hikambanantsika. Fahasoavagna sy fiadanagna avy amin'Andriamanitra lay Ray sy Jesosy Kristy Mpamonjy antsika. 5 Noho izô antony izô no namelako anà tagny Kreta, de ny mbô handaminanà iré raha mbôla tsy vita sy hanendry lôhologna isaky ny tanàgna araka zay efa nandidiako anà. 6 Ny lohôlogna de tsy tôkony hanan-tsigny mihintsy, vadin'ny viavy araiky, managna zanaka mino tsy voàmpanga ho manara-pô amin'ny ratsy na maditra. 7 Ilain'ny mpitandrigna, amin'ny maha-mpagnano ny asan'Andriamanitra, ny tsy fanagnan-tsigny. Tsy tôkony hahery fivôlagna na mirehareha. Tsy tôkony ho mora vignitra, tsy mpimamo, tsy lian'ady, ké tsy ôlogno tia vôla. 8 Fô ndraiky, tôkony hampiantragno izy, sakaizanjôvy tsara. Tsy maintsy mahonon-tegna, marigna, masigna, ké mahafehy tegna. 9 Tôkony mitagna mafy ny hafatra zay efa nampianarigna izy, mbô afahany mampahery iré hafa amin'ny fampianaragna tsara ké hagnitsy iré zay manôhitra ananjy. 10 Fô maro ny ôlogno mpikomy, indrindra iré zay voàfora. Tsisy lanjany ny koragnanjaré rè. Mandiso fanantenagna sy mitarika ny ôlogna agny amin'ny lalan-diso zaré ré. 11 Ilaigna ny manakagna ananjy iregny. Mampianatra ny tsy tôkony hampianarigna zaré ré mbô ahazoagna hariagna maloto kè mandrava ny fianakaviagna jiaby. 12 Nisy araiky taminjaré ré, zay lalahy hendrinjaré rè, nivôlagna hoe: ''Ny Kretana de mpandainga mandrakariva, ratsy ké biby mandoza, kamo be tenda.'' 13 Marigna izégny voàlaza izégny, noho izégny anaro mafy zaré ré mbô hatanjaka amin'ny finoagna. 14 Aza miraharaha iré anganon'ny Jiosy na irè didin'ny ôlogno zay niala tamin'ny fahamarinagna. 15 Ho an'irè zay madio, de madio ny raha jiaby. Fô ho an'iré zay voàloto sy tsy mino ndraiky, de tsisy madio na ino na ino. No ho ny saigna sy ny fieritreretany efa voàloto. 16 Manaiky fô mahalala an'Andriamanitra zaré ré, kanefa mandà Ananjy amin'iré asany. Mpankahala sy mpandika lalàgna zaré ré. Tsy mahavita asa tsara na ino na ino.