Tôko faha 2

1 Fô anà ndraiky, mivôlàgna zay mifagnaraka amin'ny fampianaragna marigna. 2 Iré lalahy efa nahazo taogna de tsy maintsy mahay mitôndra tegna, maotigna, mahonon-tegna, matanjaka amin'ny finoagna, amin'ny fitiavagna, ké amin'ny faharetagna. 3 Karaha izégny koà iré viavy efa nahazo taogna de tôkony hampiseho hatragny ny tegnanjaré ré ho tsara fitondran-tegna, fô tsy mpifôsa. Tsy Tôkony ho andevozin'ny divay loàtra zaré ré 4 mbô hampiofagnana iré viavy tanora ho tegna tia ny vady aman-janany manôkagna. 5 Tôkony hampianatra ananjy iré hahonon-tegna, hadio, hikarakara tôkantragno tsara, ké hagneky ny vadiny zaré ré. Tôkony hagnano izégny raha jiaby izégny zaré ré mbô tsy ho voaheso ny Koragnan'Andriamanitra. 6 Karaha izégny, ampaherezo iré lalahy mbôla tanora mbô hahonon-tegna. 7 Amin'ny fômba jiaby de atoroy ny tegnanà ho modelin'iré asa tsara; kè rehefa mampianatra anà, de manehoa fahitsiagna sy fahamendrehagna. 8 Mivolàgna hafatra salama sy tsy misy tsigny, mbô ho megnatra zay manohitra na zôvy na zôvy, satrià ny managna na ino na ino ratsy ho volagnina momba antsika izy. 9 Iré mpanômpo de tôkony hagneky ny tompony amin'ny raha-jiaby. Hagnano zay sitrapôny fô tsy hifamaly aminanjy. 10 Tsy tôkony hangalangalatra zaré ré. Fô ndraiky, tôkony haneho ny finoagna tsara jiaby zaré ré, mbô hampahamendrika ny fampianarantsika momba an'Andriamanitra mpamonjy antsika amin'ny lafiny jiaby. 11 Fô efa niseho tamin'ny ôlo-jiaby ny fahasoavan'Andriamanitra. 12 Mampianatra antsika handà ny toetra tsy araka an'Andriamanitra sy ny filàn'izô tontôlo izô izégny. Mampianatra antsika hiaigna am-pihononagna, am-pahamarinagna, ké araka ny lalan'Andriamanitra amin'izô vanim-potoagna izô izégny 13 aké am-piandrasantsika fatratra zay handraisantsika ny fanantenagna mahafinaritra, ny fisehoan'ny voninahitry ny Andriamanitra maventy sy Mpamonjy Jesosy Kristy. 14 Jesosy de nanolotra ny tegnany ho antsika mbô hagnavotra antsika hiala amin'ny tsy fagnarahan-dalàgna jiaby sy hagnadiovagna, ho an'ny tegnany, ôlogna araiky manôkagna zay tegna mazoto hagnano asa tsara. 15 Ambarà ké indôsy ampaherezigna iré raha iré. Magnomeva fagnitsiagna amin'ny fahefagna jiaby. Aza avela hisy ôlogna hagnano tsinontsinogna anà.