Tôko 1

1 Itô ny fagnambaragna an'i Jesosy Kristy izay namian'Andriamanitra ananjy hampisehoàna an'iré mpanômpony ny raha tsy maintsy hitranga. Nampahafantarigny izégny tamin'ny alalan'ny fandefasagny ny anjeligny ho an'i Jaona mpanômpony. 2 Jaona de nagnamarigna ny mômban'ny tenin'Andriamanitra sy iré fijoroagna vavolombelogno mahakasiky an'i Jesosy Kristy, sy iré raha jiaby hitagny. 3 Sambatra izy izay mamaky amin'ny feo ambôny, ary izay mitandregny ny tenin'izegny faminaniagna izégny, sy izay mitandrigna izay voasôratra akô aminanjy, satrià efa marigny ny fotoagna. 4 Jaona nakagny amin'iré fiagonagna fito tagny Asia: Ho aminaré ané fahasoavagna sy ny fiadanagna avy amin'ilay avaizo, sy talôha, 5 ary avy amin'i Jesosy Kristy, izay vavolombelogno marigna, lalahimatoa amin'ny naty, maventiben'ny mpanjakan'ny tany. Ho an'ilé makatià antsika sy nangala antsika tamin'iré fahatantsika tamin'ny ràny— 6 Izy de nagnano antsika ho fanjakana, mpisôrogno ho an'Andriamanitrany sy babany— ho Ananjy anié ny voninahitra sy ny fahifagna mandrakizay dorià. Amena. 7 Indro, avy amin'ny rahogna Izy; ary ny maso jiaby hahita Ananjy, na de iré nanomboko Ananjy aza. Ny firenena jiaby ambônin'ny tany hitomagny Ananjy. Ià, Amena. 8 Za no Alfa sy Omega,'' Aozy ny Tompo Andriamanitra, ''ilay avaizo, sy talôha, ary ho avy, de lay Tsitoha.'' (Fanamarihagna: ny dikan-teny hafa talôha de mivaky karan-jô: ''Za no Alfa sy Omega, ny fiandohagna sy fiafaragna,'' aozy ny Tompo Andriamanitra. 9 Zaho, Jaona___ralahinare sy ilay raika zay nirasa taminare tagnatin'ny fijaliagna sy fanjakagna ary ny faharaitagna akô Jesôsy kristy___de taka amin'ny nôsy atô hoe Patmo noho ny tenin'Andriamanitra sy ny fijoroagna vavolombeloga ny mikasika an'i Jesôsy. 10 Za de nindôsin'ny Fagnahy tamin'ny andron'ny Tompo. Naregny feo mahery karaha ny trompaitra tavafarako za. 11 Ngnano izegny hoe: ''Soraty akô amin'ny boky zay hitanà, koa alifaso agny amin'ire fiangonagna fito___ho an'ny Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia, ary Laodikia.'' 12 Nizaha ny manodidigna za nitady hoe feon-jôvy izegny nivôlagna taminahy, ary ra nitodika za de nahita fagnanôvan-jiro vôlamaina fito. 13 Ary teo antaigniantaignian'ny fagnanôvan-jiro nisy anankiray karaha ny Zanak'ôlo, nagnatô akanjo lava tonga hatragny amin'ny tongony, ary sentiry vôlamaina manodidigna ny tratrany. 14 Ny lôhany sy ny vôlony de fotsy karaha vôlon'ondry__fotsy karaha rano mandry, ary ny masony karaha lailanafo. 15 Ny tongony mangilatra karaha varahagna, karaha varahagna voadio teo amin'ny laforo, ary ny feony karaha rano be mikoriagna. 16 Ary nanagna kintagna fito tan-tagnany ankavanagna Izy, ary sabatra roa laila maragnitra nivoàka avy tam-bavany. Ny tarehiny de nazava karaha masoandro kôfa miraidaraida. 17 Kôfa nahita Ananjy za, de lavo teo amin'ny tongony karaha ôlo maty. Nanendry za tamin'ny tagnany ankavanagna Izy kay nagnano hoe: "Aza matahotra. Za no voalôhany sy farany, 18 ary lay raika zay velogna. Aifa maty Za, fô indro, velogna mandrakizay! Ary Za managna ny fagnalahidin'ny fafataisagna sy ny Fiainagna tsy hita. 19 Noho izegny soraty zay hitanô, zay avaizo, sy zay hitranga avafaran'izô. 20 Karaha zava-miafigna mikasika ire kintagna fito zay hitanô teny an-tagnana ankavagnako, sy ire fagnanôvan-jiro vôlamaina fito: "Ny kintagna fito de ire anjelin'ny fiangonagna fito, ary ny fanôvan-jiro fito de ire fiangonagna fito.''