Toko faha 7

1 Zaré Fariseo sy ny mpanôradalagna sagnany zegny avy agny Jerosalema dia tõnga niangogna nagnodidigna Ananjy 2 Izy kôa hitanjaré ny mpianatrany sagnany nihinagna môfo tamin' ny tagnana tsy vôadio, izegny hoe tsy vôasasa. 3 (Fô ny Fariseo sy ny Jiosy jiaby dia tsy mbô mihinagna izy kôa tsy efa nagnasa ny tagnan'jaré, satria magnaraka ny fômbafômban'jaré lohôlogno.) 4 Izy kôa niherigny avy tagny a-bazary zaré Fariseo, dia tsy mihinagna zaré izy kôa tsy avy mandro, ary mitazogno ny fômbafômba maro karazagna zaré, karaha fanasagna kapôaka, sy ny famaragnana, sy fanaka varahagna, ary ny kitrara gegny ihimoanan'jaré.) 5 Zaré Fariseo sy ny mpanoradalagna nagnontany anin' ny Jesosy hoe: "Nagnino ny mpianatranô no tsy mandaîha araka ny fômbafômban' jare lohologno, fô mihinagna ny môfon'jaré amin'ny tanagna tsy vôasasa?" 6 Kanefa Ahozy tamin'jaré: "Isaia naminagny magneva mômba andré mpihatsaravelatsihy. Nisoratany hoe: "Itô vahoaka itô magnaja Zaho amin'ny môlotrony, fô ny fôny ndreky lavitry Zaho. 7 Foagna ny fivavahagna atôlotron'jaré Zaho, koa nampianatra ny lalangan'olombelogno ho favmpianaragnan'jaré. 8 Ambela naré ny didin'Andriamanitra fô hazonandré mafy ny fômban'ologno." 9 Ary hozy fogna koa Izy tamin'jaré: "Karaha ny karakory ny fagnarianare ny didin' Andriamanitra mbo hitandrenaré ny fômban-drazagnãnaré! 10 Fô hozy Mosesy: "Magnaja ny babanô ndraiky réninô," ary koa , "Zegny mivolagna ratsimanjary ny babany na ny réniny dia ho faty tokôatra." 11 Kanefa anaré mivôlagna hoe: "Ko misy lalahy araïky mivôlagna babany na ny réniny hoe: "Na ino na ino tiano ho azo taminahy dia efa Korbana," (zegny hoe: "Namiagna an'Andriamanitra") -- 12 dia tsy ambèlanaré haganno na ino na ino amin'ny babany sy ny reniny koaza izy. 13 Magnafoagna ny tenin'Andriamanitra anaré nôho ny fômban-drazagñaré zô nitagnanaré. Ary raha maro mitôvy amin'jegny koa no atônaré. 14 Ary nagnatso ny fôkonolo ndaiky Izy kei nivolagna tamin'jare hoe: "Mitandregny Zaho, anaré jiaby, ke fantaro. 15 Tsisy raha avy ivèlany zegny miditry agnatin'ôlogno kè afaka mandoto anjare kôfa miditry aminanjy. Fô izy mivoaka avy akô agnalin'ôlogno no mandoto ananjy." 16 [Ny fandikagna tsara kokoa dia tsy magnisy ny andigniny faha 16: Izy kôa misy manan-tadigny hitandrignaisagna, aoka izy hitandregny.] 17 Izy kofa nial take amin'ny fôkonologno Jesosy kè nitsofotro tako an-dragno, ny mpianatrany nagnotany Ananjy mômba njegny fagnoaragna. 18 Hozy Jesosy taminanjy: "Anaré koa mô mbôla tsy managna fahafantaragna? Tsy hitanaré mô fô zegny jiaby miditry ako agnatin'ôlogno avy agny ivèlany dia tsy mahalôtô ananjy, 19 Satria tsy afaka-mitsôfotro akô am-pôny zegny, fô ako am-bôtrakany foagna fô mivoaka agny amin'ny fibohagnany?" Tamin'jegny fagnambaragna izegny dia nahatônga ny hanigny jiaby ho mady i Jesosy. 20 Hozy Ananjy: "Zegny mivôaka avy ako amin'ny ôlogno no mahalôto zegny. 21 Fô avy ako agnatin'ny ôlogno, avy akô am-pôny, no hivôahan'y saigny-ratsy, ny fahavaitavaitagna, ny halatra, ny famonoagn'ôlogno, 22 ny fijangajangagna, fagniriagna, ny haratsiam-pagnahy, ny fitaka, ny fijejojejoagna, ny fialôgnana, ny fiampangagna-lainga, ny fiavôgnana, ny afokagna. 23 Zegny raha-ratsy jiaby zegny no mivôaka avy aka agnatin'ny ôlogno ary ré no malôto zegny." 24 Niala take Izy lasagna nadaiha tagny amin'ny faritry Tyro sy Sidonia. Nitsôfotro tako an-dragno raiky Izy ary tsy tiany ho fantan'jovy na zovy fô takô Izy. Kanaifa tsy afaka nibôaka. 25 Nèfa niaraka tamin'jegny dia nisy vahiavy araiky, zegny nisy fagnahy malôto raiky ny zagnany vahiavy hely, naregny ananjy, tônga, ary niankotro take an-tôngony. 26 Ary Grika lay vahiavy, Syro foinika no naviany. Nitavandra Ananjy izy mbô hamôaka ny demonia hiala amin'ny zanany viavy. 27 Hoziny taminanjy: "Ôka alôngany hamiagn-kanigna aloha ny zaza. Satria tsy manjary ny malaka ny môfon-jaza ke manimpy anamjy ho an'ny kiva." 28 Nèfa namaly izy kai nagnano Taminanjy hoe: "Ia, Tompo, fô ny kiva ako ambany latabatra aza dia mbo mihinagna ny sômbôtsômbôny amin'ny môfon-jaza." 29 Dia hozy Taminanjy: "Nôho zegny koragnano zegny, afaka mandaiha anô. Efa nivôaka tamin'ny zanakano viavy ny demonia." 30 Izy koa niherigny tagny an-dragnony ravahiavy dia nahita ny zaza nandry take ambonin'ny kitrara, ary ny demonia èfa niala. 31 Ary Jesosy nibôaka koa niala ny faritry Tyro, dia namaky an'i Sodia hatrany amin'ny Ranomasigan'ny Galilia kè nadaiha ny faritry Dekapolisy. 32 Ary nindesin'jarè take Aminanjy ny ôlogno raiky maregniny sady sahiragna izy koa mivôlagna, ary taraigny Taminanjy zaré mbo hamitrahany ny tagnany anminanjy. 33 Nitôndra an-dralalahy nitôkagna niala take amin'ny fôkonôlo Izy, dia nagnambaila ny rantsan-tagnany take an-tadigniny Izy, ary raha avy nandrora, dia nikasiky ny lèlany. 34 Dia niandra ny lagnitra Izy, dia nisento kè nagnano taminanjy hoe: "Efata," zegny hoe: "Maladia!" 35 Ary nalaky take ny tadigniny dia naregny, ary zegny namehy ny lèlany dia potiky ary afaka nivolagna mazava tsara izy. 36 Ary Jesosy nanakagna anjarè tsy hivôlambôlagna na amin'jovy na amin'jovy. Kanaifa na dia tsinasaigny aza zaré, vôa maika nampariaka zegny maromaro kokôa. 37 Dia magnana tantairaka ny ôlogno, ke nivôlagna hoe: "Natôny tsara dahôlo ny raha jiaby. Natôny maregny aza ny maregnina ary mivolagna ny môà."