Toko faha 6

1 Nilaôsany io toèragna io kè namonjy ny tanindrazany Izy, Kè nagnaraka Ananjy ire mpianany, 2 Kôfa tônga ny andro sabata, de nampianatra takô amin'ny Synagoga Izy. Fôntry ny ôlo nitandregny Ananjy kè variagna zare. Ahozy Izy fô:" Avy Takèza nahazaoagny ire fampianaragna ire?" Ino izao fahendregna namiagna Ananjy zo?" Ino ire fahagagagna izay nataony tagnàny ire?" 3 Tsy ilay mpandrafitra igny môa io, ilay zanak' i Maria ary rahalahin' i Jakoba ndraiky Josesy ndraiky Jodasy ndraiky Simona? Tsy miaramonigna amintsika aketo môa ire anabaviny ?" tohigna tamin' i Jesosy zare. 4 Kôfa ahozy Jesosy tamin-jare fô:" Ts' isy mpaminany tsy hajaigna, afa-tsy amin'ny tanindrazany ndraiky akô amin'ny fianakaviagnany marivo ndraiky akô amin'ny ankohonany manôkagna fô." 5 Tsy afaka nagnäno asa mahavariagna Izy, afa-tsy ny famitrahan- tagnana tamin'ny tsy salama vitsivitsy kè magnasitragna an-jare. 6 Variagna avy amin'ny tsy finoagna njare Izy. Avitake nandèha nagnodidigna ire tanàgna Izy mbô hampianatra. 7 Avitake de nagnantso zare roé ambinifôlo lahy Izy kè nitetry nagnäsa anjare tsiroéroé, kè nagnamia fahefagna take amin'ny fagnahy tsy madi zare, 8 kè nagnäsa an-jare tsy hitôndra na ino na ino amin'ny diany, na môfo,na kitapo, na vôla ami'ny an-dilagnany njare_afa tsy tehigna fôgna_ 9 fa hagnäno kapa, akè tsy hagnäno ankanjo roé. 10 Ahozy Izy taminjare fô:" Na oviagna na oviagna anare mitsôfotra an- tragno araiky , de mibodia akô mandra-pialanare akagny. 11 kè kô misy tanàgna tsy mampandrôso anare na tsy mitandregny anare ,kôfa miala akô amin-jègny toèragna zègny anare. de ahintsagno vovoka amin'ny tongotrare mbô ho fijoroagna vavolombelogno amin-jare. 12 De nènga zare kè nitory fô ny ôlo de tôkony hibèbaka amin'ny fahotagnany. 13 Nandroäka demonia fôntry zare , kè nagnôsotro zègny tsy salama fôntry tamin'ny diloilo kè nagnasitragna anjare zare. 14 egnin' i Heroda Mpanjakan'Israely zègny , satria nanjary fanta-daza ny agnaran' i Jesosy. ny asanany nikoragna fô:" Nitsangana tamin'ny maty Jaona mpagnäno batisa kè avy amin'jègny, de miasa akô agnatin' ny ire hery mahavariagna ire. 15 Fô ire asanany kôza nivôlagna fô:" Elia Izy." ny asanany mbôla nivôlagna fô:" Mpaminany Izy, karaha araiky tamindre mpaminany tamin'ny andro talôha." 16 kôfa naregny anjègny Heroda de ahozy Izy fô;' Jaona, ilay notapahiko lôha igny no nitsangana tamin' ny maty 17 . Fa Heroda no nampisambotra an'i Jaona kè nandèfa ananjy tagny an-tragnomaizigna avy tamin- draharahan' i herodiasy ( vadin' i Filipo rahalahiny ) satria novadiny raviavy. 18 Fa Jaona nivôlagna an' i Heroda fô:" Tsy araka ny lalàgna ny hanambadiananô ny vadin'ny rahalahinô 19 ," Fa vignitra taminanjy Herodiasy kè nitady zègny fômba hamonoagna ananjy, kanèfaka tsy afaka, 20 avy amin'ny fahatahôran' i Heroda an' i Jaona; fantany fô ôlo marigna sady feno fahamasinagna izy . nanahiran-tsaigna ananjy ny fandrignèsany ananjy, kanèfa mbôla nitandregny ananjy tamim-pifaliagna izy. 21 Avitake nisy irika tamin' ny fitsingerenan' ny taona nahaterahan'i Heroda ke nagnäno fagnasagna ho an' jare lehibeny, ndraiky zare mpifehiny , ndraiky zare mpitarika ny Galilia izy . 22 De nitsôfotro ny efitragno fagnäsagna ny zanakavavin'i Herodiasy me nagnäsa an'jare , kè nahafinaritra an'i Heroda ndraiky vahiny nasaina tampihinanagna izy, ahozy ny mpanjaka tamin-drazazaviavy fô:" Angahöé aminà zègny jiaby tianô de amiako anô zègny." 23 'Ary nifanta tamin'anjy nagnäno fô:" Na ino na ino angatahinô aminà, de hamiako anô, hatrami'ny antsasaki 'ny fanjakako. 24 De niboaka izy kè nikoragna tamin'ny mamany fô :" ino no angatahiko amin'anjy ?" De ahozy ny mamany hoe:" lôhan" i Jaona mpagnäno Batisa. 25 Takeke fognä de nierigna tagny amin'ny mpanjaka izy ,kè nangataka, nagnäno fô:" Tiako amianô anà, zao de zao, ake ambonin' ny lasety ny lôhan'ny Jaona mpagnäno batisa." 26 Na de nampalahelo mareny mpanjaka aza zeigny, de tsy afaka nifamaka ny fangatahany izy nohon' ny fifantàna nataony sy noho ireo vahininy nasaina tampinanagna . 27 Nohon' zeigny de nagnäsa miaramila araiky avy tamin' ny mpiambigna ny mpanjaka kè nagnäsa ananjy hitondra ny Lôhan' i Jaona ho eo aminy .Dila ilay mpiambina kè nanapaka ny lôhany takô an-tragnomaizigna . 28 Nindôsiny take amboniny lasety ny lôhany kè natôlony an-drazazaviavy, ke ilay zazavavy nanôlotra anjègny tamin'ny mamany. 29 Kôfa naregny anjègny mpianany, de tônga zare kè nalaka ny fatiny kè namètraka njègny takô an-tragno manàra. 30 Niverina tagny amin' i Jesosy njare Apostoly ary nitantara tamin' izay jiaby vitan'jare sy nampianarin' jare. 31 Ary ahozy Izy tamin' jare.:" Ndeha isika ho agny amin' ny tany dèzaka ka hiala roboka hely." Fa fontro ny ôlo no nivezivezy, ary tsy nanam-potôagna hihinagna hanigna akory aza njare. 32 De nandeha an-tsambohely njare mbô ho agny amin'ny tany dèzaka. 33 F'anjare nahita azy ire nandeha ary fontry no nahafantatra anjare , de niraidia nihazakazaka an-tongotra avy tagny amin' ny tanàna jiaby zare, ary tônga take taloha njare. 34 Kôfa tônga take amin' ny morony zare , de nahatsinjo fokon' ôlo fontry Izy ary nahinakinak' anjare Izy satria karaha ny ondry tsy managna mpiambigna zare ke Nitetry nampianatra raha fontry anjare Izy. 35 Kôfa hariva ny andro , de nagnatona Azy ire mpianany ke nagnano hoe:" Tany dèzaka ity ary ny andro marivo ho hariva sahady. 36 Alefaso izire mbô handehanany agny Amin ire vohitra sy tanàna magnodidina hividy hanigna ho an'ny tègna-njare." 37 Fa namaly Izy nagnano tamin' izire hoe:" Omeonare raha hoanigna izire.' De ahozy ire taminy hoe:" Afaka mividy mofo azon' ny denaria roanjato va zahe ka hagnome zeigny azy ire hohanigna?" 38 De ahozy Izy tamin' izire hoe:" Firy no mofo anananare? Mandihàna ary jahavo." Kôfa hitany, de ahozy izire hoe:" Mofo dimy sy laokan-dranomasina roe." 39 De nandidy ny ôlo jiaby mbô hantotry mitsitôkotôko teo amin' ny ahi-maitso Izy 40 .de nantôhotro an-tôkony zato sy dimampolo. Naka ire mofo dimy sy laokan-drano roe Izy, 41 niandrandra ny lanitra de nisaotra ka nizarazara ny mofo ary nanolotra izeigny tamin' ire mpianany mbô hamiagna eo anoloan' ny ôlo. Ké nozarainy koa ny laokan-dranomasina roe ho an' izy jiaby. 42 De nihinagna avokoa izy jiaby mandra-pahavokin-zare. 43 Nalain'izire ny ambikambiny mofo, izay nahafeno roembinifôlo hilotra mitafotafo, ary koa ny ambin' ire laokan-drano. 44 Nisy dimy arivo ire lalahy nihinagna ny mofo. 45 Teo no eo de nasainy niakatra taka an-tsambohely ire mpianany mbô hialôha Azy ho eny ampita, ho any Betsaida, raha nandefa ny fokonôlo Izy 46 . Kôfa dila Izy ire , de niakatra tany an-tendrombohitra Izy mbô hivavaka. 47 Tônga ny hariva , ary efa teo antegnategnan' ny ranomasina ny sambohely, fa irery tegny an-tanety Izy. 48 Kôfa hitany fa sahiragna maré izire nivoy ny sambohely, satria nanohitra mare azy ire ny rivotra. Teo ho eo amin' ny ora fiambenana fahefatry ny alina de nankeo amin' izire Izy, nandeha teny ambony ranomasina, ary te-handalo take amin' izire Izy. 49 Fô kôfa nahita Azy nandeha tegny ambony ranomasina izire , de noheverin' izire ho angatra Izy ka nihafatrafatra izire, 50 satria nahita Azy izire de raikitra avozo. Teo no eo de nivôlagna tamin' izire hoe:" Matokia! Izaho fô ity! Aza mavôzo!" 51 fa niditra taka an-tsambohely niraidia tamin' jare Izy, de nitsahatra tsy nitsoka ny rivotra . De variagna tanteraka izire. 52 Kôfa tsy takatry sain' izire ny dikan' ilay mofo. fa kôza, nihamazagna ny fon'izire. 53 Kôfa tafita izire ,de tônga taka Genesareta ire ka nitady taka 54 .Kôfa nidigna avy taka amin"'ny sambohely izy ire, avy hatrany de fantatry ny ôlo taka izy., 55 ka nihazakazaka nagnerana ny faritra jiaby izire ary nanomboka nitondra ny tsy salama tamin' ny kitrarany tany amin' izay jiaby Regnin' izire misy Anazy. 56 Fô na takeza na takeza nandihanany na an- tanàna na tanàn-maventy, na tegny amin' ny vohitra hely, de napetrakan-jare" takeo amin' ny kianja ny tsy salama. Niangavy Azy izire mbô hamela azire hikasika ny rambon" ankajony, ary ire fontry izay nikasika Azy de nahivagna.