Tôkô: 1

1 Jakõba andevon'Andriamanitra sy tompo Jesosy Kristy, ho anaré fôko roé ambin'ny fôlo nipariàka: magnontasfa. 2 Ataôvo hafaliagna aby jiaby zègny, ry ralahy, kôfa misedra olagna isan-karazany anaré. 3 Fantanaré fô fitasapagna ny finoagnanaré dia mahatônga faharètagna. 4 Ambilay ny faharètagna hagnatantèraka ny asany, mbô tègna hivoàka tantèraka anare, sady feno tantèraka, kè tsy mijaly na ino na ino. 5 Fô kô misy tsy manam-pagnahy, aoka izy angaho an-jégny amin'ny Andriamanitra/ lay raiky magnomia an-tsitrapô sy tsy mandatas zègny mangaho aminanjy, fa amiany ananjy zègny. 6 Fa ambilay izy angaho amin'ny finoagna, tsy mihènahèna na amin'ino na amin'ino. Fa zègny mihènahèna dia karaha onjan-dranomasigna zègny indôsin-drivotra ke mitompatompa. 7 Fa zègny ôlo zègny dia tsy tôkony halak'onogna handray na ino na ino avy amin'ny Tompo. 8 Ny ôlogno karahan-jègny miroa saigny, miôvaôva amin'ny diany jiaby. 9 Aoka ny ralahy mahantra hagnano fisandratany ho rèharèhanyn, 10 fa ny ôlo manan-kariagna amin'ny fihetreny, satria izy dia malazo karaha folèra amin'ny ahitra. 11 Fa ny masôva dia mibiagna amin'ny hafanagna mahamay kè magnamaigna ny ahitra. Ny folèra dia mihintsagna, kè hatsaragnany dia levogno. Karaha njègny koa, ny ôlogno manan-kariagna kè halazo amin'ny antsasaky ny diany izy. 12 Sambatra ny ôlogno zègny mahadigny fitsapagna. Satria kôfa avy mandalo fitsapagna izy dia handray satroboninahitra fiainagna, zègny nampanatenaignan-jaré zègny tia an'Andriamanitra. 13 Kô misy halaim-pagnahy dia aoka izy tsy hivôlagna fô: "Andriamanitra maka fagnahy anah," satria Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaim-pagnahy, sady tsy mbô maka fagnahy na zôvy na zôvy. 14 Fa samby alaim-pagnahy ny ôlogno amin'ny fagniriany manôkana, zègny mampiemotra sy mandresy ananjy. 15 Kôfa avy torotorôgnona ny fagniriagna, dia mitèraka fahotagna zègny. Kè kôfa mitômbo tantèraka ny fahotagna, dia mitèraka fahafatèsagna. 16 Aza magneky fitahigna anaré,ralahy malalako. 17 Ny fagnomiazagna tsara jiaby sy fagnomiazagna tônga lafatra jiaby dia avy agny ambôny. Zègny dia mandrôrogna avy amin'ny Rain'ny faha zavagna. Miaraka aminanjy dia tsisy fiovagna na aloka avy amin'ny fiodignana. 18 Andriamanitra dia nisafidy hagnomia fahamarinagna antsika amin'ny tenin'ny fahamarinagna, mbô ho karazagna voalôngam-bokatra amin'ny raha jiaby noforôgnony antsika. 19 Fantanaré zègny, ry ralahy malalako: aoka ny ôlogno jiaby halaky mitandrégny, tsy halaky hiteny, kè tsy ho môra vignitra. 20 Fa ny fahavigniragna tsy ahèfagna na ino na ino, agnatrèhan'Andriamanitra. 21 Kè hialao agny ny fahalotoagna jiaby ndraiky faharatsiagna jiaby. Amim-panetren-tègna ke alaivo ny teny èfa napètraka, zègny afaka mamonjy fagnahinare 22 Aoka ho mpagnaka ny teny anare fa tsy mpitandregny foagna, kè mamitaka ny tègnanare. 23 Fa kô misy mpitandregny ny teny nèfa tsy magnaraka, dia kara ôlo mizaha tarehiny agnaty fitaratra izy. 24 Kè mandinika ny tègnany izy nèfa avaké adignony mômmba ananjy. 25 Fa ôlogno zègny mandinika tsara ny lalàgnan'ny fahafahagna, tônga lafatra, sy manohy magnano anjagny, fa tsy mpitandregny fôgna na magnadigno, dia hotahigna amizèny asany zègny ôlo zègny. 26 Kô misy mihevitègna ho mpivavaka, nèfa tsy mamehy lèlany dia mamitaka ny fony izy, kè tsisy dikany ny hivavahany. 27 Ny fivavahagna mody tsisy pentigna agnatrèhan'Andriamanitra ndraiky Raintsika dia zao, magnampy zègny kamboty ndaiky mpitôndratègna amin'ny fahoriagnany, sady miaro tègna mbô tsisy pentigna avy amin'ny izao tontolo izao.