Tôko 1

1 Talôha ela be Andriamanitra de nivôlagna tamin'ny razambentsika tamin'ny alalan'iré mpaminany tamin'ny fotoagna maro sy tamin'ny fomba maro. 2 Fô amin'izô andro farany zô, de nivôlagna tamintsika tamin'ny alalan'ny Zanaka lahy Izy, zay notendreny ho mpandova ny raha jiaby. Tamin'ny alalany foagna koà no naharian'Andriamanitra zao tontôlo zao. 3 Izy no famirapirapiratan'ny voninahitr'Andriamanitra, lay endriky ny tegnany indrindra. Na ny raha jiaby aza de hazomy hiaraka amin'ny alalan'ny herin'ny teniny. Tafaran'ny nagnadiovany iré fahotagna, de nipetraka také ambanin'ny tagnana ankavanagn'ny lehibe agny amin'ny avo izy. 4 Lasa ambôny karaha iré anjely Izy, satrià ny agnarana nolovany de tsara lavitra noho ny agnaranjaré rè. 5 Fô zôvy tamin'irè anjely no mbô nivolagnan'Andriamanitra hoe: ''Zanako anà, tônga rainà Zaho niany'' ké ndray hoe: ''Ho ray ho ananjy Zaho, ké izy zanaka ho Anahy''? 6 Ary koà, kôfa nitondra ny lahimatoa takè aminjô tontôlo zao Andriamanitra, de nivôlagna Izy hoe: ''Iré anjelin'Andriamanitra jiaby de tsy maintsy midera Ananjy.'' 7 Momba iré anjely de nivôlagna Izy hoe: ''Izy lay araiky nagnano iré anjeliny ho fanahy, ké iré mpanompony natôny lel'afo.'' 8 Fô momban'ny Zanaka de ahozy Izy hoe: ''Ny sezy fiandriagnanà, ry Andriamanitra, de mandrakizay ké ho doria. Ny tehin'ny fanjakanà de tehin'ny fitsaragna. 9 Nitia ny fahamarinagna anà ké nankahala ny fandikan-dalàgna. Noho izégny Andriamanitra, Andriamanitranà, de nagnosotra anà tamin'ny menaky ny hafaliagna mihoatra noho iré mpiara-dia aminà. 10 ''Tagny am-piandohana, ry Tompo, Anà no namorogna ny fototry ny tany. Iré lagnitra de asan'ny tagnanà. 11 Ho levona zaré ré, fô anà hanohy. Ho rovitra karaha ny tapa-damba zaré ré. 12 Hamoritra ananjy ré karaha ny fitafiagna anà, ké hovaigna karaha ny poti-damba zaré ré. Fô anà de karaha izégny, ké ny taognanà de tsy hanam-pahataperagna.'' 13 Fô zôvy tamin'iré anjely no nivolagnan'Andriamanitra tamin'ny fotoagna jiaby hoe: ''Mipitraha aké amin'ny tanagna ankavanako mandra-panaovako iré fahavalonà ho seza ho an'ny tongotranà''? 14 Mô vô iré anjely jiaby tsy fanahy manompo, sy nalefa hiahy iré zay andova ny famonjegna?