Tôko faha 2

1 Noho izégny atsika de tsy maintsy mitandrigna bebe kokoà amin'izay regnintsika, mbô tsy hagnara-drenirano amin'izégny atsika. 2 Fô raha marigna ny hafatra zay novolagnina tamin'ny alalan'iré anjely, ké ny fandikan-dalàgna jiaby ndraiky tsy fankatoavagna de mandray sazy ara-drariny, 3 de akôry ké no hafahantsika mandositra kôfa tsy miraharaha izégny famonjegna maventy zay nambaran'ny Tompo voalôhany sy namafisin'iré zay naregny izégny tamintsika. 4 Tamin'itô fotoagna itô foagna Andriamanitra de nagnaporofo izègny tamin'ny famantaragna, fahagagagna, ké asa mahery samihafa, ké tamin'ny fizaragna iré fagnomezam-pahasoavan'ny Fagnahy Masigna araka ny sitrapôny. 5 Fô tsy tamin'ny anjely no nampagniken'Andriamanitra zao tontôlo zao ho avy, momba zay volagnintsika. 6 Fô kôfa, nisy ôlogno nijôro vavolombelogno an'izégny tagny ho agny, magnano hoe: ''Ino ny ôlogno, no misaigna ananjy anà? Na ny zanak'ôlogno, no mikarakara ananjy anà? 7 Anà de nagnano ny ôlogno ambany hely noho iré anjely; nosatrohinà satro-boninahitra tamin'ny voninahitra sy dera izy. [Fagnamarihagna: Ny dika-vôlagna sanany talôha de miampy hoe: ''Ké anà nametraka ananjy ambônin'iré asan'ny tagnanà.''] 8 Ny raha jiaby de nampanikenà aké amban'ny tongony.'' Fô ho ananjy no nampaniken'Andriamanitra ny raha jiaby. Tsy namela na ino na ino izy ké tsy nampanikeny ananjy. Fô avaizo atsika de tsy mbôla mahita ny raha jiaby nampagnikena ananjy. 9 Fô atsika mahita lay araika zay natôny ambany noho iré anjely nandritry ny fotoagna fohy: Jesosy, zay, nohon'ny fijaliany ndraiky fahafatesany, de nosatrohina satro-boninahitra tamin'ny voninahitra sy dera. Ké avaizo tamin'ny alalan'ny fahasoavan'Andriamanitra, no nagnandramany ny fahafatesagna ho an'ny ôlogno jiaby. 10 Fô mety amin'Andriamanitra izégny, satrià ny raha jiaby de misy ho Ananjy ké amin'ny alalany, mbô hitondra zanaka maro ho any amin'ny voninahitra. Mety aminy ny hahatônga ny mpitarika ny famonjegna anjaré ré ho feno amin'ny alalan'ny fijaliany. 11 Fô na ny ôlogno zay magnamasigna na iré zay vômasina de managna lôharano araiky. Noho izégny de tsy megnatra miantso ananjy iré hoe rahalahy Izy. 12 Ahozy Izy hoe: ''Hagnambara ny agnaranà amin'irè rahalahiky Zaho, hihira ny momba anà avy akô agnatin'ny fivondronagna Zaho.'' 13 Ary koà, ''Hatoky ananjy zaho.'' Ary koà: ''Io, aketo zaho sy iré zanaka zay namian'Andriamanitra anahy.'' 14 Noho izégny, satrià nofo aman-drà iré zanak'Andriamanitra, de nizara raha karaha izégny niaraka taminjare ré foagna koà Jesosy, mbô ho amin'ny alalan'ny fahafatesagna no hagnafoagnany ny araiky zay managna ny herin'ny fahafatesagna, de ny devoly izégny. 15 Izégny de mbô hagnafahany iré jiaby zay nohon'ny tahotra ny fahafatesagna de niaigna ny fiainanjaré jiaby iré takô amin'ny fagnandevozagna. 16 Fô mazava ho ananjy fô tsy iré anjely no vonjeny; fô ndraiky, ny taranak'iAbrahama. 17 Noho izégny de mendrika Ananjy atô karaha iré rahalahiny amin'ny fômba jiaby, mbô ho mpisorognabe feno famindram-pô sy fahatokisagna Ananjy amin'ny fifandraisagna amin'iré rahan'Andriamanitra, ké mbô hitôndra momban'ny famelagna iré fahotan'ny ôlogno. 18 Satrià Jesosy tegnany no nijaly sy nalaigna fanahy, de afaka magnampy iré zay alaim-pagnahy Izy.