Tôko 1

1 Paoly, apostolin'i Jesosy Krisity araka ny sitrapôn'Andriamanitra, ho amin'iré ôlo-masin'Andriamanitra agny Efesosy, izay mahatoky akô amin'i Kristy Jesosy. 2 [Fagnamarihagna: Misy fandikagna sanany manala ny hoe: ''Ao Efesosy'' saingy mety akô amin'ny taratasin'i Paoly tamin'ny vôalôhagny izegny. ] Ho aminaré ny fahasoavagna ndraiky fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 3 Deraina ané ny Andriamanitra sy Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, izay nitahy antsika takô amin'i Kristy tamin'ny fitahiam-pagnahy jiaby avy akagny andagnitra akô amin'i Kristy. 4 Andriamanitra nifidy antsika takô aminanjy letrin'ny fiantombôhan'izao tontôlo izao, mbô ho masigna sy tsy manan-tsigny aké agnatrehany antsika. 5 Andriamanitra de nisafidy antsika mialôha ho amin'ny fananganagna ho zanaka tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy, araka ny sitrapôny. 6 Ny fananganagna antsika de mitôndra amin'ny fideragna ny fahasoavagny be vogninahitra izay namiany antsika maimaimpoagna takô amin'ilay iraiky izay tiagny. 7 Akô amin'i Jesosy Kristy de mahazo fanavôtagna amin'ny ràny sy ny famelan-keloka antsika, araka ny harem-pahasoavagny. 8 Narôtsagny tamintsika tamin'ny fahindrégna sy fahalalagna jiaby izégny fahasoavagna izégny. 9 Natôn'Andriamanitra fantatra tamintsika ny raha miafin'ny sitrapôny, araka izay tiàny, sy izay nasehony takô amin'i Kristy, 10 niaraka tamin'ny fandaharagna araiky amin'ny fahafenoan'ny fotoagna, hanangognagna ny raha jiaby, atô an-tany sy agny an-dagnitry, ho lôha araiky, na Kristy aza. 11 Akô amin'i Kristy de voatendry ho pandôva antsika. Nofidiagna mialôha araka ny fandaharan'ilay mampiasa ny raha jiaby araka ny tanjon'ny sitrapôny antsika. 12 Andriamanitra nanendry antsika ho mpandôva mbô ho antsika no manana fahatokiagna voalôhagny akô amin'i Kristy, mbô ho fideragna ny voninahiny antsika. 13 Takô amin'i Kristy, anaré kôa, kôfa naharegny ny tenin'ny fahamarinagna, de ny filazantsaran'ny famonjegna anaré, de nino Ananjy anaré ké votomboka tamin'ilay Fagnahy Masigna nampanantinaigna, 14 izay antoka ho an'ny lôvantsika mandra-mpahazoantsika tanteraka izegny, ho fideragna ny voninahiny. 15 Noho izegny atony izegny, letrin'ny naharenesako ny finoanaré ny Tompo Jesosy ary ny fitiavanaré iré ôlo-masigny jiaby, 16 de tsy nitsahatra ny nisaotra an'Andriamanitra zaho noho ny aminaré ké tsaroàko am-bavaka anaré. 17 Mivavaka zaho mbô ny Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, ilay Rain'ny vogninahitra, hanamia anaré ny fagnahin'ny fahindregna sy fanambaragna amin'ny fahalalagna Ananjy. 18 Mivavaka zaho mbô hanazavagna ny mason'ny fônaré, mbô hahafantaranaré ny toky izay niantsogny anaré sy ny herin'ny voninahitry ny lôvany aké amin'iré ôlo-masin'Andriamanitra jiaby. 19 Akô amin'ny fivavako de mangataka zaho mbô hahafantaranaré ny fihoaran'ny halehiben'ny heriny akô amintsika izay mino, araka ny fiasan'ny heriny lehibe. 20 Izegny hery izegny foagna no nampiasain'Andriamanitra takô amin'i Kristy kôfa natsangany tamin'ny maty Izy ké nambelany také an-tanagny ankavanagna tagny an-dagnitry. 21 Kristy de nambelany ho ambônin'ny lalàgna sy ny fahefagna mbôn'ny hery ndraiky fitsarana, ary ny anaragna jiaby izegny misy. Hanapaka Kristy, tsy ho aminjao vanim-potoagna zao foagna, fô ho amin'ny vanim-potoagna ho avy koà. 22 Nambélan'Andriamanitra ho akô ambanin'ny tongotr'i Kristy avokoa ny raha jiaby ké natolony ho lôhan'ny raha jiaby akô amin'ny fiangonagna Izy. 23 Ny fiangonagna no tenagny, ilay fahafenoin'Ilay mameno ny raha jiaby amin'ny endriny jiaby.