Tôko 1

1 Paoly, apostôlin'i Kristy Jesosy karaha ny didin'Andriamanitra mpamonjy antsika sy i Kristy Jesosy tokintsika, 2 ho an'i Timoty, zanaka lahy marigna akô amin'ny finoàgna: Fahasoavagna, famindram-pô, ary fiadanagna avy amin'Andriamanitra Ray sy i Kristy Jesosy Tompontsika. 3 Karahà ny nangatahiko mafy ho atônà kôfa niala takô Makedonia zaho, mitoetra akô Efesosy mbô hahafahako mibaiko iré ôlogna sasany tsy hampianatra foto-pampianaragna hafa 4 Tsy tôkony hitandrigna iré tantara sy tetiaragna adihevitra fô tsy mpagnampy ny drafitr'Andriamanitra, zay amin'ny alalan'ny finoàgna. 5 Ary ny tanjon'ny didy de fitiavagna avy amin'ny fô madio, avy amin'ny feon'ny fieritreretagna tsara, ary avy amin'ny finoàgna tsy miatsaravelatsihy. 6 Ny ôlogna sasany de tsy nahatratra ny tanjogna ké niala tamin'iré raha iré ho agny amin'ny lahateny adaladala. 7 Zaré ré de ho mpampiana-dalagnà, kanéfa zaré ré tsy mahazo zay volagniny sy hizirizirinjaré ré. 8 Fô antsika de mahafantatra fô ny lalàna de tsara kô misy araika mampiasa ananjy amin'ny ara-dalagna. 9 Antsika de mahafantatra izégny, fô ny lalàgna de tsy natô ho an'ny ôlo-marigna, fô ho an'ny mpandika lalàgna sy ôlogna mpikomy, 10 ho an'iré ratsy fagnahy sy mpanota, ary ho an'iré andriamani-diso sy tsy masigna. Izégny de natô ho an'iré zay mamono ny papany sy mamany, ho an'ire mpamono ôlogna, ho an'ire ratsy fitondran-tegna ara-nôfo, ho an'ire sodemita, ho an'ire mpalaka an-keriny ôlogna bô ho andevozigna, ho an'ire mpandainga, ho an'ire vavolombelogna tsy marigna, ké na ino na ino hafa manôhitra ny fampianaragna mahatôky. 11 Io fampianaragna io de mifagnaraka amin'ny filazantsaran'ny voninahitr'ilay Andriamanitra voàtahy zay nankinina taminahy. 12 Isaorako i Kristy Jesosy Tompontsika. Nampahery anahy Izy, fô nataony mahatôky zaho, ké nanendry anahy ho amin'ny fanompoagna Izy. 13 Zaho de mpiteny ratsy, mpanenjika, ary lalahy mahery setra. Kanéfa nahazo famindram-pô zaho satrià tamin'ny tsy fahalalako no nanaovako izégny noho ny tsy finoàgna. 14 Fô ny fahasoavan'ny Tompontsika no nandrakotra tamin'ny finoagna sy fitiavagna zay akô amin'i Kristy Jesosy. 15 Zô afatra zô de azo atoka sy méndrika ny fanikegna jiaby, fô i Kristy Jesosy de tônga taketo an-tany hamonjy irè mpanota. Zaho no ratsy indrindra tamin'iré. 16 Fô noho izègny antony izégny no namindragna fô taminahy, mbô amin'ny alalako, ny mahaventy indrindra, i Kristy Jesosy de mety hampiseho ny faharetagna jiaby. Nagnano izégny Izy ho ôhatra ho an'ire zay magniry hatôky Ananjy ho an'ny fiainagna mandrakizay. Ary ho an'ny 17 mpanjakan'ny tôgno, tsy mety naty, tsy hita maso, ny Andriamanitra tôkana, ané ny laza sy voninahitra mandrakizay dorià. Amena. 18 Zô didy zô no amiako anà, Timoty, zanako, karahà irè faminaniagna natô momba anà tagny alôha, fô anà de mety hiady ny ady tsara, 19 ny fiazonagna ny finoàgna sy ny feon'ny fieritreretagna tsara. Tamin'ny fandavana izégny, misy ny nagnano sambo vaky ny finoàgnany. 20 Karahà an'i Hymeneo sy Aleksandro, zay natôlotra ho an'i Satana mbô ampianarigna ananjy irè tsy hiteny ratsy.