Tôko faha 2

1 Vôlohagny indrindra noho izégny, de mandrisika zaho fô irè fangatahana, vavaka, fifonagna, ary fisaoragna de natao ho an'ny ôlogna jiaby, 2 ho an'iré mpanjaka sy irè jiaby aké amin'ny fahefagna, mbô ahafahantsika miaigny am-piadanagna sy miaigny milamigna amin'ny toe- pagnahy karahà an'Andriamanitra sy fahamendrehagna jiaby. 3 Izégny de tsara sy azo ikegna aké anatrehan'Andriamoanitra mpamonjintsika. 4 Iriàny mbô ho vonjegna jiaby ny ôlogna jiaby ké ho tônga amin'ny fahalalagna ny marigna. 5 Fô raika foàgna no Andriamanitra, ary raika' foàgna no mpagnelanelagna an'Andriamanitra sy ny ôlogna, de lay lalahy Kristy Jesosy. 6 Izy nagnamia ny tegnany ho vidim-pagnavotagna ho an'ny jiaby, karahà ny finoàgna vavolombelogna amin'ny fotoagna tôkony ho izy. 7 Fô amin'izégny tanjogna izégny, zaho, ny tégnako, de nataoko ho mpitory sy ho apostoly. mikoragna ny marigna zaho. tsy mandainga zaho. mpampiagnatra iré Jentilisa amin'ny finoàgna sy fahamarinagna zaho. 8 Noho izégny, tiàko ny lalahy na akéza na akéza mbô hivavaka sy hanandra-tanagna masigna tsy am-pahavinirana na amin'ny fifandiragna. 9 Karahà izégny koà, tiàko ny viavy mbô hagnisy lamba méndrika ny tégnany, amin'ny fahamaotinagna sy fahafehezan-tégna. Tsy tôkony hagnano randrana mirentra, na vôlamena, na voahangy, na lamba lafo vidy. 10 Tiáko zarè ré hagnisy lamba amin'izay mety ho an'iré viavy zay mampiseho toe-pagnahy karahà an'Andriamanitra amin'ny alalan'irè asa tsara. 11 Ny viavy de tôkony hianatra am-pahanginagna ary hagneky tantéraka. 12 Tsy ambelako hampianatra ny viavy na hampihatra fahefagna amin'ny lalahy, fô hidôko akô agnaty fahanginagna. 13 Fô Adama no noforonigna vôalôhany, avy také i Eva. 14 Adama de tsy voàfitaka, fô ny viavy no voàfitaka tantéraka tamin'ny fandikan-dalàgna. 15 Na izégny aza, hovonjegna izy amin'ny alalan'ny fiterahan-jaza, kôfa mitohy amin'ny finoàgna sy fitiavagna ké fahamasinagna miaraka amin'ny fahononan-tégna.