Toko faha 3

2 Afaky teo andro, reo manam-pahefa la nandeha teo agnivon'ny toby; 3 nandidy gny olo ndreo he: ''Lafa nahazery gny fiaran'ny fifagneken'i Yaveh Zagnaharinareo hanareo, voho reo mpisoro bakamireo Levita milanja anizay, la ao hagnenga anitoy toera toy hanareo ka hagnaraky anizay. 4 ao hisy elagnela roy arivo hakiho aminareo eo voho anizay. Ko magnariny anizay, mba hahafahanareo mahazery gny lala andehana, satria mbo tsy nandeha tamin'io lala io hanareo taloha.'' 9 La hoy Josoa tamigny olon'Israely he: ''Mandehana atoy, sady izigno zao saran'i Yaveh Zagnaharinareo zao. 10 Amigny alalanitoy ro hahezanareo fa gny Zagnahary velo la aminareo eo sady handroky reo Kananita, reo Hetita, reo Hivita, reo Perizita, reo Girgasit, reo Amorita sady reo Jobosita tsy ho eo agnatrehanareo. 11 Io! gny fiaran'ny fifagneken'ny Tompon'ny tany iaby miapita eo agnatrehanareo ho eo Jordana.