Toko faha 7

1 Aza mitsara de tsy hitsaraina anareo. 2 Fa arakaraka ny fitsarana amboarinareo, ny hitsarana anareo, de amin'ny fandrefesana andrefesanareo, de handrefesana anareo my koa. 3 Nagnino anao na mijery ny potika taom-bary bitaka agnatin'ny mason'ny rahalahinao, nefa ny andry agnatin'ny masonao tsy hitanao? 4 Ino mahatonga anao hizaka ny rahalahinao hoe: 'Avilay zaho hangala ny potika taom-bary agnatin'ny masonao,' nefa mbola misy andry agnatin'ny masonao? 5 Ry mpetsaravelatsihy! Alay eky maloaka ny andry agnaty masonao, amin'izay hitanao tsara ndreka mangala ny potika taom-bary amin'ny mason'ny rahalahinao. 6 Aza omena amboa zegny masina, sady aza atsipy amin'ny lambo ny vatosoanareo. Sô de voditsakan'ny tongotran'iary zareo, Aveo de hifototra sady hamingavinga anareo amin'ny fahapoteana. 7 Mangataha, de omena anareo zany. Meragna, de hahita anareo. Dondogny, de hivoa ho anareo zany. 8 Fa ny marobe mangataka, de mahazo; ny marobe miaragna, de mahita; mban'ny olona mandondogna, de hovohaina. 9 Zovy aminareo, ndreka angatahin'ny zanagny mofo, no agnome vato an'azy? 10 Na ndreka nangatahiny laoka, de hagnome bibilava an'azy? 11 Ka amin'izany, na de ratsy aza anareo de mahay magnome raha tsara hoan'ny zanakareo, tsy lehibe lavitra ambonin'izany ma ny raha tsara omen' Iabanareo zay agny an-danitra hoan'ny zegny mangataka amin'Azy? 12 Amin'izany, na ino na ino raha tenareo hataon'olona amin'ny tegnanareo de tokony hagnano karan'izany amin'iary zareo my koa anareo, fa izany lalàna sy mpaminany. 13 Midira amin'ny vavahady tery. Agnona sady malalaka ny vavahady menga agny amin'ny fahaverezana, de maro ny olona mandeha agny. 14 Tery sady sarotra ny lalagna miditra menga agny amin'ny vavahady ny fiaignana, de vitsy ny mahita an'izany. 15 Mitandrema amin'ny mpaminany sandoka, zay magnatogna anareo amin'ny fisikinan'ondry nefa izy de amboadia tena mpandremby. 16 Avy amin'ny isiny no hafantaranareo an'azy io. Mambely voaloboka amin'ny fantsy ma ny olona va, na aviavy amin'ny tendrotendrony? 17 Mitovy amin'izany, ny kakazo tsara maro be de mamôka isiny tsara, fa ny kakazo ratsy de mamôka isiny ratsy. 18 Ny kakazo tsara de tsy afaka hagnome isiny ratsy, karan'izany my koa ny kakazo ratsy de tsy afaka hagnome isiny tsara. 19 Ny kakazo maro be zegny tsy magnome isiny tsara de ho tapaina sady hatsipy agnaty afo. 20 Ka amin'izany, de ho fantatrareo amin'ny isiny iary zareo. 21 Tsy zegny mizaka Aminaha hoe: 'Tompo, Tompo,' de hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa zegny magnano ny sitrapon'Iabako agny an-danitra my. 22 Maro olona hizaka Aminaha amin'ny andro zany hoe: 'Tompo, Tompo, ka tsy efa naminany tamin'ny agnaranao ma izahay, sady tsy efa nandrôka devoly tamin'ny agnaranao, de nagnano asa lehibe tamin'ny agnaranao? 23 Aveo hizaka an'iary zareo sambemaso Izaho hoe: Tsy nafantatra anareo mihitsy Aho! Ka menga lavitra Anaha, a mpagnano ratsy!' 24 Ka amin'izany, ny maro be zegny maregny ny raha zakaiko ka magneky an'izany de ho karan'ny olona kanty nagnano ny tragnony tegny ambon'ny vatolampy. 25 Norana ny andro de nanjary nisy rano-be, sady nandrivotra be tamin'ny tragno, fa tsy lavo izany, satria namboarina tambony vatolampy. 26 Ka zegny maregny ny raha zakaiko ka tsy magneky de karan'ny olona foka nagnano ny tragnony ambony fasina. 27 Ka ndreka norana ny andro, de tonga ny rano-be, ka de nandrivotra mafy tamin'ny tragno, de rava izany, ka de tena ravana tanteraka. 28 Ndreka avy nizaka an'io raha io Jesosy, de varena tamin'ny fampianarany ny fokonolona, 29 satria nampianatra an'iary zareo kara ny olona managna fahefana Izy, fa tsy kara ny mpanora-dalanan'iary zareo.