Toko faha 6

1 Tandremonareo tsy hagnano asan'ny fahamarinanareo agnatrehan'ny olona anareo sô de hitan'iay zareo, fa tsy ahazônareo ny valisoa avy amin'ny Abanareo an-danitra agny . 2 Dikan'izany ndreka mihantra anareo, de aza mitsotra trompetra magnantso olon-kafa karan'ny mpiatsara velatsihy agny am-pengonana mban'ny egny an-dalagna, satria te ho derain'olona izy. Zakaiko aminareo ny tena marina fa iary zareo de efa nahazo ny valisoany. 3 Fa ndreka mihantra anareo, de aza atao fantan'ny tagnanareo ankavia zegny ataon'ny tagnanareo ankavanana, 4 atôvy mangingina ny fagnomezanareo. Avy amin'ny Abanareo mahita amin'ny mangingina no hamaly soa anareo. 5 Ndreka mivavaka anareo, aza magnano kara ny atàn'ny mpetsaravelatsihy, fa iary zareo tia mitsangana sady mivavaka am-pengonana sady amoron-dalana, mba ho hitan'ny olona. Zakaiko marina aminareo, fa iary zareo de efa nahazo ny valisoany. 6 Fa anareo, ndreka mivavaka, misira amin'ny efitragnonareo. Ahidio ny varangaragna, de mivavaha amin'ny Abanareo ao ami'ny mangingina. Avy eo Abanareo mahita amin'ny mangingina igny hamaly soa anareo. 7 Ndreka mivavaka anareo, aza magnano zaka marobe tsy misy ilàna anazy kara ny atàn'ny Jentilisa, satria mieritreritra izy fa fa hoe regny izy satria maro raha zakainy. 8 Dikan'izany, aza magnano karan'iary zareo, fa ny Abanareo de efa mahalala ny raha ndregny eragninareo meloha ny angatahanareo amin'Azy. 9 Dikan'izany mivavaha karan'izao hoe: 'Abanareo zay any an-danitra, ho hamasinina anie ny agnaranao. 10 Ho tonga ny fanjakananao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany kara ny agny an-danitra agny. 11 Ameo anay gniany ny hanina antognony ho anay. 12 Mamelà ny helokanay, kara ny hamelany zegny meloka taminay. 13 De aza mitondra anay amin'ny fakam-pagnahy, fa magnafaha anay amin'ny ratsy.'"[Fagnamarihana: Ny dika teny taloha tena tsara de mangala ny hoe: "Fa Anao ny fanjakana sy ny hery mban'ny voninahitra mandrakizay. Amen."] 14 Fa ndreka mamela ny hadisôn'olona anareo, de hamela anareo my koa ny Abanareo zay an-danitra agny. 15 Fa ndreka tsy mamela ny hadisôn'iary zareo anareo, de tsy hamela ny hadisônareo mihintsy ny Abanareo. 16 Ankoatran'izay, ndreka mifady hanina anareo, aza magnano tarehy mampalahelo karan'ny atàn'ny mpetsaravelatsihy, fa magnaratsy tarehy iary zareo satria mba te ho hitan'olona fa tena mifady hanina tegnany. Zakaiko marina aminareo, fa efa nahazo ny valisoany iary zareo. 17 Fa anao, ndreka mifady, osory menaka ny lohanao de sasay ny tarehinao, 18 mba tsy hitan'ny sanagny hoe mifady hanina , fa amin'ny Abanareo za amin'ny mangingina my; de ny Abanareo zay mahita amin'ny mangingina, no hamaly soa anao. 19 Aza magnasary ny fanagnanareo ambonin'ny tany eto, zay raten'ny kalalao sady harefisina, de hidiran'ny mangalatra an-keriny ka hangalatra. 20 Nefa koza, tehirizo ny fanagnanareo an-danitra agny, zay tsy raten'ny kalalao na harafesina, sady tsy hidiran'ny mpangalatra an-keriny ka hangalatra. 21 Fa ndregny misy ny fanagnanao, no ipetrahan'ny fonao my koa. 22 Ny maso no jiron'ny vatagna. Dikan'izany, raha tsara ny masonao, de ho feno fahazavana ny vatagna marobe. 23 Fa na ratsy ny masonao, de ho feno haizina ny vatagnao marobe. Dikan'izany, na mizigna ny fahazavana agnatinao ao amin'izao, magnanoakory ny hagnoasan'izany hamizignana izany! 24 Tsisy afaka hanompo tompo roy, fa tsy mentsy halany raika de raika teny, na tsy zany de hanolo-tegna ho raika izy de alaigna ny raika hafa. Anao de tsy afka hanompo an'Andriamanitra miaraka amin'ny harena. 25 Noho izany de zakaiko aminareo, aza matahotra mikasika ny aignanareo, zegny hoahaninareo na zegny hisotroinareo - na mikasika nu vatagnareo, zegny hosikininareo. Fa tsy agnona ambonin'ny hanina ma ny fiaignana, de ny vatagna ambonin'ny raha sikinina? 26 Jerevo ny vorogna amin'ny habakabakaa egny. Iary zareo io de tsy mamafy na mambely na magnangona an-tsompitra, fa ny Abanareo zay an-danitra no mamahana an'iary zareo.Tsy sarobidy ambonin'izany va arô anareo va? 27 Iza aminareo ndre de matahotra ka afaka magnampy ndre de andro raika amin'ny andro hiaignany? 28 Nagnino anareo na angoaigna amin'ny raha sikininareo? Eritrereto ny momban'ny lilia amin'ny saha, agnano akory ny fagnirian'iary zareo. Tsy mba miasa iary zareo, sady tsy mamoly fitafena. 29 Zakaiko aminareo, fa na i Sôlômôna tamin'ny voninahiny marobe de nisikina kara ny raika amin'io. 30 Raha ampisikinin'Andriamanitra karan'izany ny ahitra agnaty ala, zegny raha misy gniany mban'ny amaraigna de hatsipy am-patagna ao, karan'ino no ampisikinany anareo bebe kokoa, anareo kely finôna? 31 Raha izany de aza miahiahy ka mizaka hoe: 'Ino no hohaninay?' na hoe: 'Ino no hosotroinay ' na hoe: ' Ino ny hitafena hoa anôvanay?' 32 Fa ny Jentilisa miaragna ny raha io, sady ny Abanareo zay agny an-danitra de mahalala fa mila an'io anareo. 33 Fa eragno eky alohaka ny fanjakana mban'ny fahamarinanany de homena anareo ny raha io. 34 Dikan'izany, aza magnahy ny amaraigna, fa ny amaraigna hagnahy nen'azy. Ampy ho an'ny andro tsiraindraika ny ratsy amin'azy.