Toko faha 28

1 De tamin'ny alina ny Sabata, ndreka vô nanomboka mangiran-dratsy ny andro vôlohany amin'ny herinandro, de dila nandea nijery ny fasana Maria Magdalena izy amin'i Maria raika hafa. 2 Igny, nisy horohoron-tany mafy be, fa ny anjelin'ny Tompo no nijotso avy agny an-dagnitra, tonga ka nanosika ny vato, sady nipetraka tambonin'zany. 3 Ny endrikany de ôtra ny tselatra, sady ny akanjony de fotsy kara ny oram-panala. 4 Natahotra iregny mpiambiana ka nanjary kara olo-maty. 5 Nikorana tamin'izy roy vavy i anjely igny ka nizaka tamin'iary zareo hoe: "Aza matahotra, fantatro fa miaragna an'i Jesôsy anareo, i nifantsihana tamin'ny hazofijaliana igny. 6 Tsy ato Izy, fa efa nitsangana, araka ny efa nizakany. Malaky aty jereo ma ny fandrena zay nandren'ny Tompo. 7 Mandiana malaky de zakay iregny mpianatrany hoe: 'Nitsangana tamin'ny maty Izy. Igny, efa nandea taloha anareo agny Galilia Izy. Agny ny hahitanareo an'Azy.' Izany, efa nizakaiko taminareo." 8 Nenga malaky ny fasagna tamin'ny avakana de tamin'ny hafalena leibe izy roy vavy, sady nihazakazaka mba hizaka amin'iregny mpianatrany. 9 Igny, nihaogna tamin'iary zareo Jesôsy ka nizaka hoe: "Akory!" Nagnatogna izy roy vavy, de nitana ny tongotrany sady nidera an'Azy. 10 De aveo Jesôsy nizaka tamin'iary zareo hoe: "Aza matahotra. Mandiana mizaka amin'iregny rahalahiko mba hiala ka handalo agny Galilia. Agny no hahitan'iary zareo Anaha." 11 Raha mbola tan-dalàna igny izy roy vavy, igny, ny sanagny tamin'iary zareo mpiambina nandea tagny amin'ny tanàn-deibe sady nizaka tamin'ny lohan'ny mpisorogna ny raha marobe zay niseho. 12 Ndreka nihaogna tamin'iregny lohan'ny mpisorogna ka nikorana mikasikan' ny olagna tamin'iary zareo, de nagnome vola be an'iregny miaramila iary zareo 13 sady nizaka an'iary zareo hoe: "Zakay amin'ny sanagny hoe: 'Tonga tamin'ny andro alina iregny mpianatr'i Jesôsy de nangalatra ny vatagny naha mbola nandry zahay.' 14 Ndreka tonga agny amin'ny governora zany tatitra zany, de handresy lahatra an'azy atsena ka hagnala ny ahiahy aminareo." 15 Ka de nalain'ny miaramila ny vola ka nagnano araka zay efa nagnirahana an'azy iary zareo. Ka zany tatitra zany de niparitaka tamin'iregny Jiosy sady mbola mitohy mandrak'izao aza. 16 Fa nandea tagny Galilia iregny mpianatra raika amin'ny folo, tagny amin'ny tendrombohitra zay efa natoron'i Jesôsy an'iary zareo. 17 Ndreka nahita an'Azy iary zareo, de nidera an'Azy, fa ny sanagny koza niahiahy. 18 Nagnatogna an'iary zareo Jesôsy ka nikorana tamin'iary zareo ka nizaka hoe: "Efa nomena Anaha ny fahefana marobe agny an-dagnitra de ety an-tany. 19 Ka mandiana de atôvy tonga mpianatrako ny firenena marobe. Amboary batisa izy iregny amin'i agnaran'ny Ray, ny Zanaka, de ny Fanahy Masina. 20 Ampianaro izy iregny hagnatanteraka ny raha marobe zay nagnafarako anareo. Igny, miaraka aminareo fehizay Zaho, aika fa na hatramin'ny fahataperan'zao tontolo zao aza.