Toko faha 27

1 Vô mandraigna ny andro, de nikendry raha hagnaratsena an'i Jesôsy mba hamonoana an'Azy iary zareo mpanora-dalana mban'ny mpisorona sady ny loholona marobe. 2 Ny fatoran'iary zareo Izy, de taritina tagny ambelagny, de naterina tamin'i Pilato governora Izy. 3 I Jodasy, zay namadika an'Azy, Ndreka nahita fa vôheloka Jesôsy, de nivalo izy Ka nangerigna ny volafotsy telopolo tamin'ny leben'ny mpisorogna mban'ny loholona, 4 de nizaka izy hoe: "Nanota zahotamin'ny namadihako ny rà tsy man-tsigny. de nika iary zareo hoe: "Tsy ahoanay ino? Anao zany." 5 De natipiny tao an-tempoly ny volafotsy, de nenga sady nandea namono ny tegnany izy. 6 Ny leben'ny mpisorona nangala ny volafotsy de nizaka hoe: "Tsy azo atao ny magnano an'ity ao amin'ny fagnatsarizam-bola, satria vidin-drà ity. 7 Niara-nizaka ny olana iary zareo de nividianany tokontany tamin'ny mpagnano vilagny tanimanga ny vola mba hatao fandevegnam-bahiny. 8 De zany no atony nagnatsovana ny toerana hoe: "Toeran-Rà" hatram'izao 9 De tanteraka ny voazaka ny mpaminany Jeremia, nizaka hoe: Nangala ny volafotsy telopolo iary zareo, io no vidy nanombatombanan'ireo fokonolon'Israely an'Azy, 10 de iary zareo nagnome zany ho an'ny tokontan'ny mpagnano vilagny tanimanga, araka ny natoron'ny Tompo anaha." 11 De Jesôsy nitsangana talohany governora, de nagnotany izy hoe: "Anao ma no mpanjaka ny jiosy va?" Jesôsy nnamaly azy hoe:,"Voazakanao." 12 Ka dreka naratsen'ny leben'ny mpisorona mban'ny loholona Izy, de tsy namaly na ino na ino. 13 De nizaka tamin'ny Pilato hoe: Tsy regninao ma ny fagnaratsena marobe natao taminao a? 14 Fa tsy namaly nade zaka raika Izy, Varena be non'zany ny governora 15 Isakin'ny fety de fomban'ny governora ny mamôka gandra raika voafidin'ny fokonolana. 16 Tamin'ny fotôgna io, de nanagna gadra raika malaza ratsy natao hoe Barabasy iary zareo. 17 Nony zany ndreka niara-nivorovoro iary zareo, de nizaka Pilato tamin'iary zareo hoe: Iza no tenareo halefako hô anareo? Barabasy, sa Jesôsy zay atao hoe Kristy?" 18 Lalany fa nony fialognana no nagnomezan'iary zareo an'i Jesôsy tamin'azy. 19 Na nitometra tamin'ny seza ny fitsarana izy, de nizaka tamin'ny vadiny izy hoe: "Tsimanagna na ino na ino atao amin'ity lilahy tsy manatsigny ity aho. Fa malahelo be zaho niany tamin'ny nofy azoko momba an'Azy". 20 De ny leben'ny mpisorona mban'ny loholona nandresy lahatra ny fokonolona mba hangataka an'i Barabasy, sady hampamono an'i Jesôsy. 21 Nangotany an'iary zareo ny Governora hoe: "Iza amin'iza roy no tenareo halefako ho anareo?" De nizaka iary zareo hoe: "Barabasy." 22 Pilato nizaka tamin'iary zareo hoe: Ino no tokony atôko amin'i Jesôsy zay atao hoe: Kristy?"Izy marobe namaly hoe: Fatsiho amin'ny hazofijalena Izy." 23 De nizaka izy hoe: "Nagnino, Ino ny ratsy namboariny?" Fa vômaika iary zareo naresaka mafy hoe: "Fatsiho amin'ny hazofijalena Izy." 24 Fa ndreka hitan'i Pilato fa tsy afaka hagnano na ino na ino izy, sady efa nanomboka naresaka zareo, de nangala rano izy, nanasa ny tangany tamasin'ny fokonolona, sady nagnano hoe: "Tsy voan-tsigny amin'ny ràn'ity lelahy tsy manan-tsigny ity zaho. Fa asanareo zany." 25 Ny olona marobe nizaka hoe: " Ho aminay mban'ny zanakay anie ny ràny. 26 De nalefany hoan'iary zareo Barabasy, ka nandraboka karavasy an'i Jesôsy izy de nangome an'azy ho fatsihina. 27 Aveo ny miaramilan'ny governora de nangala an'i Jesôsy nandao tao an-ndapa sady nagnotrika ny miaramila marobe. 28 Nangala ny lambany iary zareo de nampagnatao akanjo jaky an'Azy. 29 De nagnamboatra satro-boninahitra fantsy iary zareo de nametaka an'zany tan-dohany, sady nametraka tangala tamin'ny tagnany ankavanana. Nandohalika takekiny azareo sady nagneso an'Azy, nizaka hoe: "Akory, ry mpanjakan'ny Jiosy!" 30 Nandoran'iary zareo Izy, sady nalain'iary zareo ny tangala de namangovangoan'Azy tamin'ny lohany. 31 Ndreka avy nagnaraby Azy iary zareo, de nangala ny akanjo lavany sady nampagnatao an'Azy ny fitafeny, de nitondra an'Azy nivôka mba hamantsika an'Azy amin'ny hazofijalena. 32 Ndreka nivôka iary zareo, de naita lilay raika avy angy Syrena antsovana hoe Simona, zay notereny hangarakan'iary zareo mba hilanja ny hazofijaleny. 33 Nandea amin'ny toerana atsoina hoe Golgota iary zareo, izay atao hoe "Toeranan'ny Karandoha." 34 Nampinan'iary zareo divay mifangaro afero Izy. Ndreka nandramany zany, de tsy nihinagna Izy. 35 Ndreka nofatsihin'iary zareo tamin'ny hazofijalena Izy, de nataon'iary zareo loka ny fitafeny, 36 de nitometra iary zareo nijanogna niambogna an'Azy. 37 Tambon'ny lohany no nagnapetrahan'izy reo ny soratra mizaka ny nagnaratsena an'Azy, zay mivaky hoe: ity no Jesôsy, mpanjakany Jiosy." 38 Nisy dahalo roy nofantsihina niaraka tamin'Azy, ny raika tankavanany ny raika tankavia. 39 Zay nandalo de nizakazaka an'Azy sady nagnifikifika ny lohany iary zareo 40 de nizaka hoe: "Anao zay handrava ny fiangonana Ka hangano an'zany ndreka agnatin'ny teloandro, vonjeo ny tegnanao! Na zanak'Andriamanitra Enao, de mijotsoa tamin'ny hazofijalena!" 41 Kara ny zany koa ny leben'ny mpisorona nagneso an'Azy, niaraka tamin'iary zareo mpanora-dalàna mban'ny loholona, de nizaka hoe: 42 "Nagnavotra ny hafa Izy, nefa tsy afaka magnavotra ny tegnany. Izy no mpanjakan'Israely. Avilay Izy hijotso tegny amin'ny hazofijalena, ka de hino an'Azy antsena. 43 Natoky an'Andriamanitra Izy, avelay Andriamanitra hamonjy an'Azy amin'izao, na magneky ny hagnafaka an'Azy Andriamanitra. Ndre Izy aza de nizaka hoe: 'Izaho no zanak'Andriamanitra."' 44 Kara ny zany koa ny dahalo nofantsihina niaraka tamin'Azy nizaka fanebahana tamin'Azy my koa. 45 Nanomboka tamin'ny lera fahenina de mijigna ny tany marobe jiska tamin'ny lera faha sivy. 46 Tamin'ny lera fahasivy, de nihoaika mafy Jesôsy de nizaka hoe: "Ely, Ely, lamà sabaktani?" zay midika hoe: "Andriamanitro, Andriamanitro, nagnino no de nandao anaha Anao?" 47 Ndreka regnin'ny sanagny tamin'ny olona nitsangana teo zany, de nizaka iary zareo: "Magnatso an'i Elia Izy." 48 Eo no eo de nihazakazaka ny raika tamin'iary zareo nangala eponjy, ka nanjoboka an'izany tagnaty vinegra, de napetrany tamin'ny tohina volo, de nagnome an'Azy mba hoaniny. 49 Ka ny sanagny tamin'iary zareo nizaka hoe: "Avilay Izy. Fa mba hotantsena eo na hamonjy an'Azy Elia." 50 De nihoaika tamin'ny feo mafy ndreka Jesôsy sady nagnome ny fanahiny. 51 Indro, ny lamban'ny fiangonana nitriatra roy hatragny ambony jiska ambany, sady niojongojogna ny tany, de vaky nisasaka ny vatolampy. 52 Nivoha ny fasagna, ka nifatin'ny olon'Andriamanitra marobe zay maty de natsangana. 53 Nivôka avy tampasagna iary zareo tafaran'ny fitsangananany tamin'ny maty, niditra tamin'ny maty, niditra ny tanàna masina, sady nivôka tamin'ny maro. 54 Ny kapiteny mban'ny reo nijery an'i Jesôsy ndreka nahita ny horohoron-tany mban'ny raha nitranga, de vaka mafy sady nizaka hoe: "Zanak'Andriamanitra tegnany ity." 55 Nisy alambiavy nanaraka an'i Jesôsy avy tagny Galilia mba hikarakara an'Azy teo de nijery avy egny lavitra. 56 Tamin'iary zareo tonga teo Maria Madalena, Mariarenin'i Jkoba mban'ny Josefa, sady ny renin'ireo Zanakalahin'i Zebedio. 57 Ndreka hariva ny andro, de nisy lilahy raika manakarena avy agny Armatia tonga teo, atao hoe Jôsefa, zay mpianatr'i Jesôsy my koa. 58 Nagnatogna an'i Pilato izy de nangataka ny fatin'i Jesôsy. De nameny Pilato zany. 59 Nangala ny faty Josefa, de namogny an'Azy tamin'ny lamba rongony madio, 60 sady nadevogna an'Azy tamin'ny fasagny vaovao nolavahany tamin'ny vatolapy. De namaringarigna vato lebe hanindrena ny varangaran'ny fasagna izy de nivoka avio. 61 Maria Magdalena mban'ny Maria hafa de teo, nipetraka tapita ny fasagna. 62 Ny andro magnaraka, tafaran'ny Fangomagnana, de niara-nivorovoro tamin'i Pilato ny lebe ny mpisorona mban'ny Fariseo. 63 Nizaka iary zareo hoe: Tompoko, tadidinay fa tamin'ny mpamitaka igny mbola velogna, de nizaka izy hoe: 'Afaka telo andro zaho, de hitsangana ndreka.' 64 Ka nony zany, ampembono koa ny fasagna mandritra ny teloandro, sao mako de angalarin'ny mpianatran'Azy tao ny faty de hizaka amin'olona iary zareo hoe: 'Nitsangana tamin'ny maty Izy', de ho ratsy nony tamin'ny mboalohany ny famitahana farany." 65 Nizaka pilato tamin'iary zareo hoe: "Mangala mpiambigna. Mandiana de ambeno tsara araka zay vitanareo zany." 66 De nandeha iary zareo Ka niambigna ny fasagna, nagnisy tombokase ny vato sady nametraka ny mpiambina.