Toko faha 24

1 Nivôka ny fiangonana Jesôsy de nenga. Nagnatogna an'Azy ny mpianatrany mba hagnatoroana an'Azy ny rafitran'ny fiangonana. 2 Ndreka namaly Izy de nizaka tamin'ary zareo hoe: "Tsy itanareo ma io raha marobe io? Zakaiko tsara aminareo, Tsisy vato ho tabela amin'ny raika akôtran'ny zegny tsy ho ravaina." 3 Ndreka nipetraka tan-tendrimbohitr'Oliva Izy, de nagnatogna an'Azy mangingina ny mpianatrany ka nizaka hoe: "Zakay aminay, ovena io raha marobe io no hiseho? Ino no halalana ny fevenao sy ny fara-andro?" 4 Namaly Jesôsy ka nizaka an'iary zareo hoe: "Mitandrema mba tsisy hamitaka anareo". 5 Ka ho marobe ny ho avy amin'ny agnarako.De hizaka ary zareo hoe: 'Izaho no Kristy,' ka marobe ny ho voafitaka. 6 Haregny ady mban'ny filazan'ady anareo. Mitandrema mba tsy hoangoaigna anareo, fa tsy mentsy hiseho ny raha marobe zany; Nefa tsy mbola tonga ny farany. 7 ka hisy firenena hiady amin'ny firenana, de hisy fanjakana hiady amin'ny fanjakana. Hisy mosary mban'ny hororon- tany amin'ny toerana sambihafa. 8 Fa ny raha marobe zany de fanombohan'ny fijalen'ny fiterahana my. 9 Ka hatolotr'iary zareo ho amin'ny fijalena anareo de ho voniny. Tsy ho teny firenena marobe anareo non'ny agnarako. 10 Ka marobe ny ho vignitra, de hamadika sady hifankalaigna tsiraidraika. 11 Mpaminany marobe no hitsangana sady hamitaka olona marobe. 12 Tratrin'ny hitombo faratsena, sady hangatseka ny fitiavan'ny marobe. 13 Fa ny raika zegny mahadigny hatramin'ny farany de ho vôvonjy. 14 Ity filazantsara ny fanjakana ity de ho toriana magneragna an'izao tontolo zao ho vavolombelona amin'ny firenana marobe. aveo de ho tonga ny farany. 15 Noho izany, na mahita ny favetavetan'ny fandravana anareo, izegny nizakain'i Daniela mpaminany, de hitsangana amin'ny toerana Masina anareo" (Ny mpamaky tokony hatakatra), 16 Ny any Jodia tokony hilefa ho agny an-tendrombohitra, 17 de zegny an-tafon-tragno, mba tsy hijotso hangala raha andragnony, 18 de ny ankosy tsy hierigna hangala ny lambany. 19 Loza ho an'ny bevoka mban'ny mampinono amin'izany andro izany ! 20 Mivavaha mba tsy ho amin'ny rirignina na Sabata no hiseho ny filefasanareo. 21 Fa hisy fijalena be, sady tsy mbola nisy karan'izany atramin'ny nanombohan'izao tontolo zao ka atramin'izao, aha, de tsisy koa. 22 Na tsy afohezina io andro io, de tsy hisy nofotra ho vonjena. Fa avy amin'ny olona nosafidina de afohizina io andro io. 23 Ka ndreka misy olona mizaka anareo hoe: 'Igny a, io ny Kristy' na, 'iry ny kristy' de aza mino an'izany. 24 Fa ny Kristy sandoka sy ny mpaminany sandoka de ho tonga sady hangatoro famantarana agnona be mban'ny raha mahavarena, mba hamitahana, na mety, de ndre ny olona nosafidina aza. 25 Io, efa nizakaiko anareo taloha ny fotôna. 26 Nony zany, ndreka mizaka anareo iary zareo hoe: 'Igny an, agnefitra izy,' de aza mande agny. Na hoe 'Igny an, andragno agny izy' de aza mino an'zany. 27 Fa kara varatra avy antsinana ka mazava latagny andrefana, de kara an'zany ny feven'ny Zanak'Olona. 28 Na aza na aza misy biby maty, de agny no tangorognany voltora. 29 Ndreka afaka ny fijalena amin'io andro io de ho mizigna ny masoandro, tsy hagnome hazavana ny volana, hilatsaka avy an-ndanitra agny ny kintagna, sady hiozongozogna ny herin'ny lanitra. 30 Aveo de hiseho amin'ny lagnitra egny ny famantaran'ny Zanak'Olona, ka ny foko marobe ambonin'ny tany de hisôna.De haita ny Zanak'Olona avy amin'ny rahognan'ny lanitra mban'ny hery sy voninahitra lehibe Iary zareo. 31 Hagnandefa ny anjeliny Izy mban'ny feo trompetra mafy, ka hamory ny olona nosafidiny avy amin'ny vazan-tanany efatra iary zareo, manomboka amin'ny faravodilanitra ka hatragny amin'ny sanagny. 32 Menara lesona avy amin'aviavy. Na vatany vô maniry ravina ny tahony, de lalanareo fa magnakeky ny fahavaratra. 33 karan'izany my koa, ndreka mahita an'zany raha marobe zany anareo, de tokony ho lalanareo fa akeky Izy, efa amin'ny vavahady io mitsy. 34 Zakaiko tsara aminareo, fa tsy ho lany taranaka ity mandra-pivôka an'ny raha marobe zany. 35 Tsy hisy koa ny lanitra mban'ny tany, fa ny zakako de tsy mba ho fôgna mandrakizay. 36 Nefa ny mikasika an'zany andro mban'ny lera zany de tsisy mahalala, ndre de ny Anjelin'ny lanitra aza, na ndre ny Zanaka lahy, fa ny Ray my. 37 kara ny tamin'ny andron'i Noa, de karan'zany my koa ny heven'ny Zanak'Olona. 38 Fa kara ny tamin'ny andro talohan'ny safo-drano de nihinagna sady nisotro iary zareo, nanambady sady nampekarina mandra-patongavan'ny andro nidiran'i Noa tagnatin'ny sambo fiara, 39 ka tsy nahalala n'ino n'ino iary zareo mandra-peven'ny safo-drano ka nandringana an'azy marobe, de karan'zany ny feven'ny Zanak'Olona. 40 Aveo hisy lilahy roy an-kosy egny, ny raika ho resina, de ny raika ho avela. 41 Viavy roy no hanoto vary, ny raika ho resina de ny raika ho avela. 42 Nony zany de mivavaha, fa tsy lalanareo ny andro heven'ny Tomponareo. 43 Ka fantaro ity, na lalany ny tompotragno hoe amin'ny firy alina ny heven'ny mpangalatra, de mety niambigna izy ka tsy nabelany ho vaky ny tragnony. 44 Nony zany de tsy mentsy miomagna my koa anareo, fa ho avy ny Zanak'Olona amin'ny andro tsy ampoizinareo. 45 Iza arika ny mpiasa atokisana sady kanty zay nitendren'ny mpampiasany hifehy ny fianakaveny mba hagnomezana an'azy ny haninan'iary zareo amin'ny fotôna fihinanana? 46 Sambatra ny mpiasa zegny hitan'ny mpampiasany fa magnano an'zany ndreka tonga izy. 47 Zakaiko aminareo tegnany fa ny mpampiasany no hampakatra an'azy ho ambonin'ny raha marobe anagnany. 48 Ka na misy mpiasa ratsy mizaka agnatin'ny fony hoe: 'Ela vô tonga ny tompoko', 49 De manomboka mamono ny mpiasa akamany, sady mihinagna de misotro miaraka amin'ny mamo lava io; 50 de ho tonga ny mpampiasan'ny mpiasa amin'ny fotôna zegny tsy ampoizina ka amin'ny lera tsy lalany. 51 De hotapahin'ny mpampiasa izy ka hamboariny karan'ny mpiatsaravelatsihy ny anjarany, zay hisy ny fitomagnena mban'ny fijalena.