Toko faha 23

1 Jesôsy nizaka tamin'ny fokonolona de iregny mpianatrany. 2 Hoy Izy hoe: "Iregny mpanora-dalàna fariseo de mipetraka amin'ny fipetrahan'i Mosesy.' 3 Nony zany na ino na ino haneren'iary zareo anareo hatao, de ataovy zany raha zany ka mitandrema an'azy iregny. Fa aza magnala tahaka ny ataon'iary zareo, satria izy iregny de mizaka raha anefa aveo tsy magnatanteraka an'zany. 4 Aika, fehezin'izy iregny ny enta-mavesatra zay sarotra handao, de aveo de apetrak'iary zareo amin'ny sorokan'olona. Fa tsy mba hagnetsika ny ratsan-tagnàna raika akory ny tegnan'iary zareo hitondra an'azy iregny. 5 Magnano ny asany aby iary zareo mba ho hitan'ny olona. Fa ataon'iary zareo malalaka ny filakiterany, ka itarin'iary zareo ny morogn'akanjony. 6 Ten'iary zareo ny plasin'ny manan-kaja agny amin'ny fagnasana ambany plasin'ny leibe ao amin'ny fiangonana, 7 sy ny fiarahabana miavaka egny abazary, amin'zay mba ho antsovan'ny olona hoe: 'Raby'. 8 Fa anareo tsy azo antsovana hoe: 'Raby', fa raika my ny mpampianatranareo, sady mpirahalahy anareo marobe. 9 De aza magnatso ny olona ety an-tany hoe rainareo, fa raika my ny Rainareo, ka Izy de agny an-dagnitra. 10 Anareo aza magneky antsovana hoe: 'Mpampianatra', fa raika my ny mpampianatranareo, de i Kristy. 11 Fa zay leibe indrindra aminareo no ho mpanomponareo. 12 Na iza na iza magnambony tegna de ahetry, sady na iza na iza magnetry tegna de hasandratra. 13 Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa aidinareo amin'ny olona ny fanjakan'ny lanitra. Fa anareo tsy mampiditra ny tegnanareo, de tsy avelanareo iregny zay te-hiditra. 14 [Fagnamarihana: Ny antotan-taratasy taloha de tsy ahitana ny fehezanteny hoe: 'Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy ny fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa mandany ny tragnon'ny mpitondra tegna, de magnano vavaka lavareny anareo. Nony zany de hahazo fagnamelohana leibe anareo.'] 15 Lozanareo, mpihatsaravelatsihy! Fa madea mitety ny ranomasina sy ny tany anareo mba hampiova fo ny olona raika, ka ndreka miova izy, de ataonareo zanaky ny afobe indroy mihoatra nony anareo izy. 16 Lozanareo, mpitarika jamba , anareo zay mizaka hoe: 'Niza niza mifanta amin'ny fiangonana, de tsisy dikany zany. Fa niza niza mifanta amin'ny volamenan'ny fiangonana, de vôfatotry ny fiaignany izy.' 17 Anareo jamba foka! Iza ny leibe indrindra, ny volamena sa ny fiangonana zay magnano ny volamena ho masina? 18 Ka, 'Niza niza mifanta amin'ny alitara, de tsisy dikany zany. Fa niza niza mifanta amin'ny fagnatitra zay eo ambonin'zany, de vôfatotry ny fiaignany izy.' 19 Anareo olona jamba! iza no leibe indrindra, ny fanatitra sa ny alitara zay magnano ny fagnatitra ho masina? 20 Nony zany, zay mifanta amin'ny alitara, de mifanta amin'zany sady amin'ny raha marobe eo amboniny. 21 Ny raika zay mifanta amin'ny fiangonana, de mifanta amin'zany ambamin' zay mipetraka ao amin'azy, 22 ka ny raika zay mifanta amin'ny lagnitra, de mifanta amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy amin'Azy zay mipetraka eo ambonin'zany. 23 Lozanareo, mpanora-dalàna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa mandoa ny ampahafolon'ny solila sy ny aneta de ny kômina anareo, anefa anareo de tsy nagnatanteraka ny raharaha mavesa-danja indrindra amin'ny lalàna de ny rariny sy ny famindram-po de ny finoana koa. Fa iregny no tokony nataonareo ka tsy tokony navelanareo ho tsy vita ny raika hafa. 24 Anareo mpitarika jamba, anareo zay manivana lalitra anefa magnateligna rameva 25 Loza ho anareo, mpanora-dalàna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa sasanareo ny ivelagn'ny kapôka sy ny kopy, anefa ny ao agnatiny de feno fagniriana sy filana. 26 Anareo fariseo jamba! Sasay aloha ny ao agnatin'ny kapôka sy ny kopy, mba hanjary madio my koa ny ivelagny. 27 Loza ho anareo, mpanora-dalàna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa anareo de kara ny fasagna voalalotra fotsy; zay tsara ivelagny, fa ny ao agnatiny koza de feno ny tôlam-paty sy ny loto marobe. 28 Kara zany my koa, ety ivelagny anareo miseho ho marina eo amin'ny olona, anefa ny ao agnatinareo de feno fihatsaram-belatsihy sy heloka. 29 Loza ho anareo, mpanora-dalàna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa magnano ny fasagn'ny mpaminany anareo sady magnengo ny fasagn'ny olo-marina. 30 Hoy anareo hoe: 'Naha niaigna tamin'ny andron'ny razambetsena atsena, de tsy mba nandray anjara niaraka tamin'iary zareo tamin'ny famonoana ny mpaminany atsena. 31 Nony zany de miseho vavolombelona amin'ny tegnanareo anareo fa zanak'iregny zay namono ny mpaminany. 32 Anareo my koa de nameno ny fahotan'iregny razambenareo. 33 Anareo bibilava, anareo taranagny ny menaragna, aôna no hilafasanareo ny fagnamelohana ho agny amin'ny afobe. 34 Nony zany, igny, magniraka mpaminany sy olo-kanty de mpanora-dalàna ho anareo Zaho. Ny sanagny amin'iary zareo de ho voninareo sady homboinareo; de ny sanagny ho vangoinareo ao amin'ny fiangonanareo sady handrôka an'azy hoenga ao an-tanàna. 35 Vokan'zany de hanody anareo ny rà marina marobe zay nalatsaka teto an-tany, nanomboka tamin'ny ràn'i Abela marina, ka hatramin'ny ràn'i Zakaria zanak'i Barakia, zay nivoninareo tagnelagnelagn'ny toerana masina sy ny alitara. 36 Zakaiko marina aminareo, fa ny raha marobe de ho avy amin'ity taranaka ity 37 Ô Jerosalema, ô Jerosalema, anao zay mamono ny mpaminany mambalavala vato zay irahina ho aminao! Impiry Zaho no magniry ny hagnotrika ny zanakao miaraka, kara ny akoho vavy raika magnotroka ny zanagny ao ambany elatrany, anefa tsy avy anareo! 38 Igny , ny tragnonareo navela ho lao ho anareo. 39 Fa zakaiko aminareo, hatramin'zao , tsy hahita Anaha mihitsy anareo mandra-pizakanareo hoe: 'Isaorana ane zay avy amin'ny agnaran'ny Tompo.'''